1 Tesalônisianina

Toko faha-4

14 Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15 Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory.

16 Hisy baiko hatao antso avo omban'ny feon'arkanjely sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;

17 avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika.

18 Koa izany teny izany ary no aoka hifampiononanareo.

Toko faha-5

1 Momba ny andro sy ny fotoana hitrangan'izany, ry havana, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo.

2 Satria fantatrareo tsara fa ny andron'ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian'ny mpangalatra amin'ny alina.

3 Amin'ny anaovan'ny olona hoe: Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!, amin'iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan'ny vehivavy bevohoka mihetsi-jaza.

4 Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5 Satria ianareo rehetra dia an'ny mazava sy an'ny andro; tsy mba an'ny alina isika na an'ny maizina.

6 Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena.

7 Fa ny alina no atorian'ny olona ary ny alina no imamoany.

8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha.

9 Fa tsy notendren'Andriamanitra hiharan'ny fahatezerany isika, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

10 Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin'ny andro hiaviany.

11 Noho izany ary, mifampirisiha sy mifampahereza ianareo araka izay efa fanaonareo.

12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo.

13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo.

14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra.

15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

16 Mifalia mandrakariva;

17 mivavaha lalandava;

18 misaora an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak'Andriamanitra hataonareo tafaray amin'i Kristy Jesoa.

19 Aza vonoina ny asan'ny Fanahy Masina;

20 aza atao tsinontsinona ny teny ataon'ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra;

21 diniho ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;

22 halaviro daholo ny zava-dratsy isan-karazany.

23 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika!

24 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay miantso anareo, ka hoefainy izany.

25 Ry havana, mivavaha koa ho anay.

26 Ataovy veloma amin'ny fanoroham-pihavanana daholo ny havana rehetra iray finoana.

27 Iangaviako indrindra amin'ny anaran'ny Tompo ianareo: mba vakio amin'ny havana rehetra iray finoana ity taratasy ity.

28 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika!

2 Tesalônisianina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo isan'ny Fiangonana aty Tesalonika, izay tafaray amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timoty.

2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!

3 Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.

4 Izany no mahatonga anareo ho reharehanay manerana ireo Fiangonan'Andriamanitra, noho ianareo manam-paharetana sy mino hatrany eo anivon'ny fanenjehana sy fahoriana rehetra mianjady aminareo.

5 Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr'izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady io Fanjakan'Andriamanitra io no anton'ny iaretanareo fijaliana.

6 Satria izao no ara-drariny amin'Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,

7 ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorina. Ho tonga izany amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin'ireo anjely mitory ny heriny;

8 voahodidin'afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an'Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Tompontsika.

9 Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin'ireo, ka tsy hifanatri-tava amin'ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo

10 amin'ilay andro hahatongavan'ny Tompo mba homen'ny vahoakany voninahitra sady higagan'izay rehetra mino Azy. Ho isan'ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.

11 Izany no ivavahany lalandava ho anareo. Koa mangataka amin'Andriamanitsika izahay mba hataony mendrika ny fiainana niantsoany anareo ianareo. Mangataka izahay mba ho tanterahiny amin-kery avokoa ny fanirianareo hanao soa ary hataony lavorary koa ny asa ateraky ny finoanareo;

12 dia homenareo voninahitra ny anaran'i Jesoa Tompontsika, sady ianareo koa homeny voninahitra. Izany no vokatr'ilay fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Toko faha-2

1 Ny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika sy hanangonana antsika ho eo aminy, ry havana, dia izao no angatahinay aminareo:

2 aza mety hohozongozonin-tsaina na hampitahorina mora foana ianareo, satria misy milaza fa efa tonga sahady ny andro hiavian'ny Tompo. Mety ho fanomezam-pahasoavana hampita hafatra avy amin'Andriamanitra na mety ho toriteny no nilazan'olona izany taminareo, na mety koa ho taratasy hamboina ho avy aminay.

3 Aza mety hofitahin'olona mihitsy ianareo; satria tsy ho tonga izany andro izany raha tsy efa mitranga ny fikomiana farany amin'Andriamanitra ary aseho ilay mpanao ratsy, ilay mirona amin'ny fahaverezana.

4 Hijoroan'ilay mpanao ratsy ho fahavalo sady hotoheriny avokoa izay rehetra ataon'ny olona ho andriamanitra na izay rehetra toloran'ny olona fanompoam-pivavahana; hidirany sy hipetrahany hatramin'ny tempolin'Andriamanitra aza, ka ny tenany no hanora-tena ho Andriamanitra.

5 Tsy tadidinareo ve fa voalazako anareo izany fony aho mbola taty aminareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.5113