1 Tesalônisianina

Toko voalohany

7 Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedonia sy i Akaia ianareo.

8 Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedonia sy i Akaia ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.

9 Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay taty aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.

10 Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra ho avy.

Toko faha-2

1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo.

2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana.

3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana;

4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay.

5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay.

6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

7 na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apostolin'i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.

8 Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo.

9 Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman'alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra.

10 Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino.

11 Fantatrareo fa toy ny fitondran'ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy:

12 nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin'ny Fanjakany sy ny voninahiny.

13 Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.

14 Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy.

15 Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra.

16 Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo.

17 Ary izahay, ry havana, hatramin'ny nahatafasaraka anay vetivety taminareo izay lavitry ny masonay fa tsy lavitry ny fonay, dia maniry mafy mihitsy hahita anareo, ka manao izay azonay atao hahatanteraka izany.

18 Indray mandeha na indroa izahay no te hiverina taty aminareo, indrindra fa izaho Paoly, nefa dia voasakan'i Satana.

19 Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika, amin'ny andro hiaviany.

20 Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo!

Toko faha-3

1 Koa satria tsy aritray intsony, dia naleonay nilaozana irery tany Atena;

2 ka nalefanay nankaty aminareo i Timoty rahalahinay ara-pinoana sady mpiara-miasa aminay ho an'Andriamanitra amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Nalefanay i Timoty hampiorina sy hampahery anareo amin'ny finoanareo,

3 mba tsy hisy hihontsina ianareo amin'izao fahoriana mahazo antsika izao; satria ny tenanareo mahalala fa voatendrin'Andriamanitra hodiavintsika izany.

4 Fony mbola taty aminareo izahay, dia efa nilaza fa tsy maintsy hampahorina isika; ary dia nitranga izany, araka izay fantatrareo.

5 Koa satria tsy aritro intsony, dia nalefako i Timoty hahalalako ny finoanareo. Nanahy aho fandrao voataonan'ilay mpaka fanahy ianareo ka ho very maina ny nikelezanay aina.

6 Efa tafaverina aty aminay izao i Timoty avy taty aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay momba ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Nilazany koa izahay fa mahatsiaro tsara anay mandrakariva ianareo sady maniry mafy ny hahita anay, toy ny anirianay mafy hahita anareo.

7 Noho izany, na dia tery sy ory fatratra aza izahay, dia nahazo hery noho ny aminareo; ny finoanareo no nampahery anay,

8 fa velona izahay ankehitriny satria mamahatra tsara sy mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo.

9 Inona re no saotra azonay avaly an'Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan'Andriamanitsika?

10 Mangataka mafy aminy, andro aman'alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin'ny finoanareo.

11 Izy izay Andriamanitsika sady Raintsika sy i Jesoa Tompontsika anie hitari-dalana anay ho aty aminareo!

12 Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo!

13 Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan'ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin'ny andro hiavian'i Jesoa Tompontsika otronin'izay rehetra voatokana ho Azy.

Toko faha-4

1 Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin'Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin'ny anaran'i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!

2 Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin'i Jesoa Tompo nomenay anareo;

3 satria izao no sitrapon'Andriamanitra: mba ho masina ianareo, ka hifady ny fijangajangana.

4 Aoka samy hahay maka vady amin'ny fomba masina sy mihaja ianareo lehilahy,

5 fa tsy hobaikoin'ny filandratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an'Andriamanitra;

6 ka amin'izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin'ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.

7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika hiaina amin'ny fahalotoana fa hiaina amin'ny fahamasinana.

8 Koa izay manda izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

9 Momba ny fifankatiavan'ny samy kristianina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.

10 Ary efa toy izany rahateo no ifampitondranareo amin'ny kristianina rehetra eran'i Masedonia; nefa mampirisika anareo ihany izahay, ry havana, mba hanao tsaratsara kokoa hatrany.

11 Miezaha hanana fiainana tsy misy raorao ka tanteraho ny raharahanareo sy ny asa fivelomanareo, araka izay efa nameperanay anareo;

12 dia haneho fitondrantena mendrika eo anoloan'ny tsy kristianina ianareo no sady tsy hanao tanty reraka amin'ny hafa.

13 Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9502