Filipianina

Toko voalohany

6 Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin'ny andro hiavian'i Kristy Jesoa.

7 Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin'izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.

8 Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin'ny fon'i Kristy Jesoa aho.

9 Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka homban'ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra

10 mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Kristy ianareo,

11 ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an'Andriamanitra.

12 Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly;

13 ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho.

14 Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.

15 Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany.

16 Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho;

17 irery kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.

18 Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torina, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany

19 satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian'ilay Fanahy Masina nampanantenain'i Jesoa Kristy.

20 Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin'ny tenako, na velona aho na maty.

21 Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Kanefa raha ny mbola miaina eto an-tany no hampisy vokany ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko.

23 Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana ity fiainana ity mba hiarahako amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;

24 kanefa noho ny aminareo, dia ilaina kokoa ny mbola hijanonako eto an-tany.

25 Matoky izany aho, ka fantatro fa hitoetra maharitra eo akaikinareo rehetra mba hanampy anareo handroso sy ho faly amin'ny finoana.

26 Ka rehefa mby eo aminareo indray aho, dia hitombo tokoa ny reharehanareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo noho ny nataoko.

27 Izao ihany: manana fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.

28 Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra.

29 Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy:

30 dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

Toko faha-2

1 Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin'i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin'ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo.

2 Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin'ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina;

3 aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filan-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.

4 Aza dia samy mihevitra ny soa ho an'ny tena ihany, fa ny ho an'ny namana koa.

5 Aoka ho ao aminareo ilay toe-tsaina tao amin'i Kristy Jesoa:

6 Nananany hatrizay hatrizay ny toetra amam-pomba maha Andriamanitra nefa tsy noheveriny hoe tsy maintsy hifikirana ilay fitoviana amin'Andriamanitra.

7 Fa niendahany an-tsitrapo ny fiamboniany; ka naka ny toetra amam-pomba maha mpanompo Izy, tonga nitovy tamin'ny olombelona ary niseho sy hita ho olombelona.

8 Nanetry tena Izy ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ny fahafatesana teo amin'ny hazofijaliana.

9 Izany no nanandratan'Andriamanitra Azy ho eo amin'ny toerana faratampony, sy nanomezany Azy ilay anarana, izay ambony noho ny anarana rehetra;

10 ka ho fanajana ny anaran'i Jesoa dia handohalika avokoa izay rehetra any an-danitra na ety an-tany na any ambanin'ny tany,

11 ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

12 Koa amin'izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin'izao tsy maha eo ahy izao. Miasa amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo;

13 satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin'ny safidim-pony.

14 Amin'izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana,

15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak'Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan'ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan'ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an'habakabaka ianareo,

16 ka hanolotra azy ireo ny teny manome fiainana. Raha izany no ataonareo, dia hanan-kireharehana momba anareo aho amin'ny andro hiavian'i Kristy, satria hiharihary fa tsy foana tsy akory ny ezaka nataoko sy ny zavatra nisasarako.

17 Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an'Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin'ny hafaliako;

18 aoka hifaly amin'izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin'ny hafalianareo.

19 Raha sitrak'i Jesoa Tompo, dia antenaiko fa ho afaka handefa faingana an'i Timoty ho aty aminareo aho, mba hahazoako fampirisihana koa rehefa mahafantatra ny vaovao momba anareo;

20 satria i Timoty izao no hany iray fo amiko sady tena miahy anareo.

21 Eny, ny hafa rehetra dia samy miraharaha izay azy ihany, fa tsy ny an'i Jesoa Kristy.

22 I Timoty kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, satria efa niara-niasa tamiko, toy ny zanaka miaraka amin-drainy, ho fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly.

23 Koa manantena ny handefa azy faingana ho aty aminareo aho, raha vao hitako mazava izay fandehan-javatra momba ahy;

24 ary matoky aho fa ny tenako dia ho avy faingana koa, raha sitraky ny Tompo.

25 Nefa nihevitra aho fa tokony halefako aty aminareo i Epafrodito havantsika, izay mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, sady iraka nampitondrainareo ny fanampiana izay nilaiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.918