Filipianina
Toko faha-2
26 Manina anareo rehetra izy ary sahiran-kevitra mafy noho ny nandrenesanareo azy hoe narary.27 Narary tokoa izy ary efa teo ambavahoana; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hanampy trotraka ny alaheloko.
28 Koa dia nazoto kokoa aho handefa azy, mba hifalianareo indray rehefa mahita azy ary mba hahamaivana kokoa ny alaheloko.
29 Koa raiso amin-kafaliana safononoka izy noho ianareo samy tafaray amin'ny Tompo, ary omeo haja ny olona toa azy;
30 fa ny asan'i Kristy no saika nahafaty azy: nanao vy very ny ainy izy hanatanteraka izay tsy azonareo natao, dia ny fitondrana ilay fanampianareo hatraty amiko.
Toko faha-3
1 Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin'izay.2 Tandremo ny tenanareo amin'ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin'ireo manan-takaitra!
3 Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an'Andriamanitra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin'i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin'ny fombafomban'olombelona.
4 Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin'ny fombafomban'olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin'ny fombafomban'olombelona, mainka fa izaho.
5 Voafora fony teraka herinandro aho; taranak'i Israely; avy amin'ny fokon'i Benjamina; hebreo ray, hebreo reny; ny amin'ny fitandroana ny lalana jiosy, dia Farisianina aho;
6 nafana fo tokoa aho tamin'ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin'ny maha olo-marina mpanara-dalana, dia tsy misy hokianina aho.
7 Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin'i Kristy.
8 Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin'ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an'i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin'i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an'i Kristy
9 ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin'ny fanarahan-dalana aho; fa ny finoana niainan'i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin'Andriamanitra ka miorina amin'ny finoana.
10 Ny hany iriko dia ny hahalalako an'i Kristy, ka hahatsapako ny herin'ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanafahako Azy amin'ny fahafatesany;
11 koa manantena aho amin'izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.
12 Tsy mihambo ho efa tafita aho na ho efa tanteraka; fa miezaka hatrany aho hahazo ny amboaran'ny hazakazaka, satria izany no efa nahazoan'i Kristy Jesoa ahy.
13 Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho; fa zavatra iray ihany no ataoko: manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin'izay kendrena.
14 Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin'i Kristy Jesoa ka iantsoan'Andriamanitra any ambony any.
15 Aoka hisaina toy izany ary isika rehetra matotra ara-panahy. Kanefa raha misy aminareo misaina hafa noho izany, dia Andriamanitra no hampahazava izany aminareo.
16 Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin'izay efa andehanantsika hatramin'izao.
17 Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo.
18 Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana.
19 Fahaverezana no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamaminy ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.
20 Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.
21 Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitoviny amin'ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.
Toko faha-4
1 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.2 Ry i Eodia sy i Sintika, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo.
3 Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
4 Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra.
5 Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo!
6 Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana.
7 Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo.
8 Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.
9 Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon'ny fiadanana.
10 Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin'ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany.
11 Tsy noho izaho sahirana no itenenako toy izao, fa efa nianatra ny hianina amin'izay ananako aho.
12 Haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianarako ny hianina na aiza na aiza ary na amin'inona na amin'inona, na voky aho na noana, na manam-be aho na sahirana.
13 Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.
14 Kanefa soa izao nataonareo izao: niombom-pahoriana tamiko ianareo ka nanampy ahy.
15 Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedonia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko.
16 Fony aho mbola tany Tesalonika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko.
17 Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo.
18 Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrodito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny.
19 Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa.
20 Ho an'ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
21 Veloma any amin'izay rehetra isan'ny vahoakan'Andriamanitra ka tafaray amin'i Kristy Jesoa. Manao veloma anareo ny havana iray finoana, izay tafaraka amiko;
22 manao veloma anareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto, fa indrindra ry zareo ao an-dapan'ny amperora.
23 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!
Kôlôsianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo aty Kolosy aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra sady havana mpino tafaray amin'i Kristy. Mamangy anareo koa i Timoty havantsika.