Efesianina
Toko faha-5
13 Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa;14 eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana ho velona avy any amin'ny maty, dia hampahazava anao iKristy.
15 Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina.
16 Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao.
17 Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.
18 Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina.
19 Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo.
20 Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.
21 Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.
22 Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo toy ny anekenareo ny Tompo;
23 satria ny lahy no filohan'ny vavy, toy ny maha filohan'ny Fiangonana an'i Kristy; fa i Kristy mihitsy no Mpamonjy ny Fiangonana izay tenany.
24 Koa tahaka ny aneken'ny Fiangonana an'i Kristy no tokony haneken'ny vavy ny lahy amin'ny zavatra rehetra.
25 Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan'i Kristy ny Fiangonana sy ny nanolorany tena hamonjy azy.
26 Nataony izany mba hahamasina ny Fiangonana, rehefa avy nodioviny tamin'ny rano fampandroana omban-teny;
27 fa tiany hamirapiratra ny Fiangonana hatolony ho Azy Kristy, ka tsy hisy pentimpentina na ketrona na zavatra toy izany, fa mba ho masina sady tsy hisy tsiny.
28 Dia toraka izany koa, tokony ho tahaka ny itiavan'ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny; izay lehilahy tia ny vadiny, dia tia ny tenany.
29 Tsy misy tokoa olona mankahala ny tenany fa dia mamelona sy mikarakara azy, tahaka ny ataon'i Kristy amin'ny Fiangonana:
30 fantatsika izany, satria anisan'ny tenan'i Kristy isika.
31 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Noho izany, dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny ary dia ho tena iray ihany izy roroa.
32 Mavesa-danja ny tsiambaratelo fonosin'io andinin-tSoratra Masina io, ary dia lazaiko fa miantefa amin'i Kristy sy ny Fiangonana izany.
33 Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan'ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Toko faha-6
1 Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany.2 Hajao ny rainao sy ny reninao; izany no didy voalohany miampy ny fampanantenana hoe:
3 mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.
4 Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.
5 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin'ny fahatsorampo toy ny anekenareo an'i Kristy.
6 Tsy hoe raha eo imason'ny tomponareo ara-nofo ihany no manaiky, toy ny mila sitraka amin'ny olona; fa tontosao amin'ny fo tokoa ny sitrapon'Andriamanitra, toy ny ataon'ny mpanompon'i Kristy.
7 Ataovy amin'ny fo mirana ny asa fanompoanareo, tahaka ny atao amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olona;
8 satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian'ny Tompo, amin'izay soa nataony avy.
9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin'ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an'ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan'olona.
10 Farany, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo dia matanjaha omban'ny heriny tsy hay tohaina.
11 Itafio avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan'ireo tetika afitsoky ny devoly.
12 Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina.
13 Noho izany, raiso avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra ny fahavalo amin'ny andro ratsy; ka rehefa nandresy ny famelezana rehetra nafitsony ianareo, dia mbola hamahatra tsara ihany.
14 Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra;
15 ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo;
16 tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipika mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy;
17 raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina.
18 Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra.
19 Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly.
20 Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.
21 I Tisiko, hava-malalantsika sady mpanompo mahatoky eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra, mba hahalalanareo ny mahazo ahy sy izay ataoko.
22 Izany indrindra no andefasako azy ho aty aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.
23 Ho amin'ny havana rehetra anie ny fiadanana sy ny fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo.
24 Ny fahasoavan'Andriamanitra anie homba izay rehetra tia an'i Jesoa Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety lefy!
Filipianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo vahoakan'Andriamanitra rehetra aty Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ary ao anatin'izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakonina. Mamangy anareo koa i Timoty. Samy mpanompon'i Kristy Jesoa izahay.2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
3 Velom-pisaorana an'Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo.
4 Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana,
5 noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.