Levitîka

Toko faha-20

9 Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain'io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.

10 Raha misy lehilahy maka ny vadin'ny mpiray firenena aminy, dia samy hatao maty tokoa na ralehilahy mpaka vadin'olona na ravehivavy nalainy.

11 Ny lehilahy, izay miray amin'ny vadin-drainy, dia manala baraka ny rainy; ary samy hatao maty tokoa na io lehilahy io na ny vadin-drainy, ka hozakain'izy roroa ny ho faty.

12 Raha misy lehilahy miray amin'ny vinantovaviny, dia samy hatao maty tokoa izy roroa satria firaisana mifamotitra izany, ka hozakain'izy roroa ny ho faty.

13 Raha misy lehilahy miray amin'ny lehilahy hafa tahaka ny firay amin'ny vehivavy, dia manao zavatra mamoafady izy roa lahy; samy hatao maty tokoa izy, ka hozakainy ny ho faty.

14 Raha misy lehilahy manambady vehivavy mianaka, dia fanambadiana mampifamotitra izany; ka samy hodorana izy telo, mba hisakanana ny fisian'izany haratsiam-pitondrantena izany eo aminareo.

15 Raha misy lehilahy miray amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy ary hovonoinareo koa ilay biby.

16 Raha misy vehivavy mety hiray amin'ny biby, dia samy hovonoina na ravehivavy na ilay biby; hatao maty tokoa izy roroa ka hozakainy ny ho faty.

17 Raha misy lehilahy manambady anabavy zanakavavy nentin-drainy na nentin-dreniny, ka miray tokoa izy roroa, dia zavatra mahamenatra izany; eo imason'ny mpiray firenena aminy no hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izy roroa, satria niray tamin'ny anabaviny ralehilahy ka itambesaran-keloka.

18 Raha misy lehilahy mandry sy miray amin'ny vehivavy mararin'ny fadimbolany, dia nifanaraka hampihanjahanja ny ipoiran'ny ran-dravehivavy izy roroa, ka samy hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

19 Aza miray amin'ny rahavavin-dreninao na ny anabavin-drainao; satria raha misy lehilahy miray amin'ny havana akaiky dia akaiky toy izany, dia samy itambesaran-keloka izy roroa.

20 Raha misy lehilahy miray amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia manala baraka ny rahalahin-drainy izy; samy hitambesaran-keloka izy roroa, ka ho faty momba.

21 Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia zavatra mamoafady izany; noho io lehilahy io nanala baraka ny rahalahiny, dia samy ho momba izy roroa.

22 Imasoy hotanterahinareo ny lalana amam-pitsipiko rehetra, dia tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.

23 Aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo; fa noho izy manao ireny ratsy rehetra ireny no nahatonga azy ho halako

24 ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: 'Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!' Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.

25 Koa tandrovy ny fanavahana momba ny biby madio sy maloto ary ny vorona madio sy maloto; aza mandoto tena amin'ny fikasihana biby maloto na vorona maloto na biby madinika mifanaretsaka ambonin'ny tany, satria efa navahako ho maloto aminareo ireny.

26 Aoka ho masina sady voatokana ho Ahy ianareo, satria Izaho TOMPO dia masina ary efa nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa mba ho Ahy.

27 Izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na tsindrian-javatra tompoina, dia samy hatao maty tokoa ka torabato no hamonoana azy. Hozakain'izy ireo ny ho faty.

Toko faha-21

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin'i Aharona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin'ny fikasihana ny fatin'olona anisan'ny fianakaviany,

2 afa-tsy hoe havany akaiky dia akaiky, tahaka ny reniny sy ny rainy ary ireo zanany sy ny rahalahiny.

3 Ny amin'ny anabaviny, izay mpitovo ka mbola havany akaiky tokoa satria tsy mba nanambady, dia mahazo mandoto tena ny mpisorona amin'ny fikasihana ny fatiny.

4 Noho izy loham-pianakaviany, dia aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin'ny fikasihana faty hafa, satria manala baraka azy izany.

5 Rehefa misaona izy mpisorona, dia tsy hanasola ny tampon-dohany na hanaratra ny volon-tavany na handradratra ny tenany.

6 Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baraka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin'ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.

7 Aoka ny mpisorona tsy hanambady vehivavy mpijangajanga na novetaina na efa nariam-badiny, noho izy voatokana hanompo Ahy.

8 Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.

9 Raha ny zanakavavin'ny mpisorona no manala baraka tena amin'ny fijangajangana, dia manala baraka ny rainy koa izy, ka hodorana.

10 Ny mpisorombe no filohan'ireo mpisorona rahalahiny. Nandrarahana ny menaka fanosorana teo an-dohany izy ka manan-jo hitafy ny fanamiana masina. Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany,

11 na hiditra am-paty akory; tsy tokony handoto tena izy na dia amin'ny fahafatesan'ny ray aman-dreniny aza.

12 Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandrao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO.

13 Aoka ho vehivavy virijiny no halain'ny mpisorombe ho vady.

14 Ny vehivavy maty vady, na nariam-bady, na novetaina, na mpijangajanga, dia tsy azony alaina ho vady; fa vehivavy virijiny, anisan'ny fianakavia-mpisorona, no halain'ny mpisorombe.

15 Amin'izay, dia tsy ho afa-baraka ny ankohonany eo anivon'ny fianakaviamben'ny mpisorona, Satria Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ny mpisorombe hanompo Ahy.

16 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

17 mba hamepetra an'i Aharona hoe: Hatrany hatrany, izay taranakao misy kilema dia aoka tsy hanatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

18 Izay mpisorona misy kilema dia tsy mahazo manatona ny alitara hanao izany, na ny jamba, na ny mandringa, na ny manan-tarehy sampona,

19 na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,

20 na ny vokoka na ny saozanina, na ny voan'aretin-koditra, na ny torotoro vihindahy.

21 Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin'ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin'ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

22 Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.

23 Kanefa noho izy misy kilema, dia tsy mahazo mankeo amin'ny efitra lamba izy na manatona ny alitara; tsy tokony handoto ny Toeramasina onenako izy, satria Izaho TOMPO efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.

24 Dia nampitain'i Mosesy tamin'i Aharona sy ny zanany ary tamin'ny Israelita rehetra koa izany.

Toko faha-22

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

2 Lazao amin'i Aharona sy ny zanany fa misy anton-javatra tsy maintsy hifadiany ny zava-masina atokan'ny Israelita ho Ahy, mba tsy hanalany baraka ny anarako masina. Izaho no TOMPO.

3 Ka lazao azy mianakavy hoe: Hatrany hatrany, izay lehilahy rehetra anisan'ny taranakareo, ka mbola manam-pahalotoana izy no manatona ny zava-masina atokan'ny Israelita ho AHY, dia hoesorina tsy hanompo eo anatrehako intsony. Izaho no TOMPO.

4 Ny mpisorona, voan'ny aretin-koditra na marary mitsika eo amin'ny taovam-pilahiana, dia tsy mahazo mihinana amin'ny zava-masina mandra-pahadiony. Toy izany koa ny mpisorona izay nahakasika olona voaloto tamim-paty, na izay nandeha tsirinaina tsy nahy,

5 na izay nahakasika biby mahaloto na olona mahaloto na inona na inona fahalotoany;

6 ny mpisorona, izay nahakasika olona na zavatra mahaloto azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hahazo mihinana amin'ny zava-masina, raha tsy efa nandro.

7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio ilay mpisorona; ka izay izy vao mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria izany no fihinany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0216