Levitîka

Toko faha-16

26 Ilay lehilahy nandroaka ny osilahy ho osy mikarenjy dia hanasa fitafiana sy handro, vao mahazo miditra ny toby.

27 Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin'ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan'ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.

28 Ilay lehilahy nandoro azy dia hanasa fitafiana sy handro koa, vao hiditra ny toby.

29 Izao no lalana raikitra ho anareo: Ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito, dia aoka ianareo hifady hanina sady tsy hanao raharaha akory, na ianareo Israelita tompontany na ireo vahiny valovotaka eo aminareo.

30 Fa amin'io andro io no hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotana rehetra eo anatrehan'ny TOMPO ianareo.

31 Ho tena andro fitsaharana sy fifadian-kanina ho anareo io andro io. Lalana raikitra izany.

32 Any aoriana any, dia ny mpisorona izay voahosotra sy voatokana ho mpisorombe hisolo ny rainy no hanao ireo fombam-pivavahana famelan-keloka sy fanadiovana ireo; ny fanamiana masina, ireo fanamiana vita kiran-drongony fotsy, no hiakanjoany amin'izany;

33 dia hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an'ny Toeramasina Indrindra sy ho an'ny faritra sisa amin'ny Tranolay fihaonana ary ho an'ny alitara fisoronana izy, ary koa hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny mpisorona sy ho an'ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo.

34 Lalana raikitra ho anareo izany, mba hahazoana, indray mandeha isan-taona, ny famelana ny heloka rehetra ho an'ny Israelita. Dia araka izay zavatra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy no nataon'i Aharona.

Toko faha-17

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra an'i Aharona sy ny zanany ary ny Israelita hoe: Izao no zavatra nandidian'ny TOMPO:

3 Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin'ny toby na any ivelan'ny toby,

4 dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an'ny TOMPO eo anoloan'ny fonena-masin'ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin'ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

5 Amin'izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan'ny Israelita ny biby vonoiny; fa an'ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin'ny Israelita ho amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin'ny TOMPO.

6 Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran'ilay biby eo amin'ilay alitaran'ny TOMPO, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

7 Ny sorona fanaon'ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an'ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalana raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.

8 Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,

9 ka tsy mitondra azy eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an'ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izy.

10 Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

11 Fa ny ain'ny zavaboaary mana-nofo manko dia ao amin'ny ra; ary navelako hampiasaina eo amin'ny alitara izany mba hahazoana famelan-keloka ho anareo, satria amin'ny maha aina azy no ampiasana ny ra hahazoana famelan-keloka.

12 Koa izany no nilazako tamin'ny Israelita hoe: 'Aza misy mihinan-dra, na ianareo na ny vahiny valovotaka eo aminareo'.

13 Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany amin'ny tany ny rany ka hototofany vovoka.

14 Ny ain'ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin'ny Israelita hoe: Aza mihinana ny ran'ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

15 Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio indray.

16 Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia itambesaran-keloka.

Toko faha-18

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo!

3 Aza manao araka ny fanaon'i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon'i Kanahana izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalanan'ireny firenena ireny ianareo.

4 Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalanako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5 Tandremo ny lalana amam-pitsipiko; fa izay manatanteraka izany, dia ho velona amin'izany. Izaho no TOMPO.

6 Aoka tsy hisy lehilahy israelita hila vehivavy havany akaiky dia akaiky mba hiray aminy. Izaho no TOMPO.

7 Aza miray amin'ny reninao ianao, fa manala baraka ny rainao izany; reninao izy ka aza ifoteranao.

8 Aza miray amin'ny renikelinao fa manala baraka ny rainao izany.

9 Aza miray amin'ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.

10 Aza miray amin'ny zafinao vavy, nateraky ny zanakalahinao na ny zanakavavinao, fa manala baraka anao izany.

11 Aza miray amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, satria anabavinao izy noho ny rainao manjary rainy.

12 Aza miray amin'ny anabavin-drainao, satria havan-drainao akaiky dia akaiky izy.

13 Aza miray amin'ny rahavavin-dreninao, satria havan-dreninao akaiky dia akaiky izy.

14 Aza alaim-baraka ny rahalahin-drainao noho ny firaisanao amin'ny vadiny, izay nenitoanao.

15 Aza miray amin'ny vinantovavinao, fa vadin'ny zanakalahinao izy.

16 Aza miray amin'ny vadin-drahalahinao, fa manala baraka ny rahalahinao izany.

17 Aza miray amin'ny vehivavy anankiray no sady hiray amin'ny zananivavy na koa hiray amin'ny zafikeliny vavy, nateraky ny zananilahy na zananivavy, satria mpihavana akaiky ilay vehivavy sy ny zanaka aman-jafiny ka firaisana mampifamotitra izany.

18 Aza mampakatra ny rahavavim-badinao raha mbola velona ilay vadinao, satria hampifandrafy azy mirahavavy izany.

19 Aza mila vehivavy mbola voaloton'ny fadimbolany mba hiray aminy.

20 Aza miray amin'ny vadin'olona mpiray firenena aminao, satria ho voaloton'izany ianao.

21 Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Moloka ny zanakao, satria manala baraka ny anaran'Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.

22 Aza miray amin'ny lehilahy tahaka ny firay amin'ny vehivavy; zava-mamoafady izany.

23 Aza miray amin'ny biby, satria ho voaloton'izany ianao; ary aoka tsy hisy vehivavy hety hiray amin'ny biby, fa zava-mamoafady indrindra izany.

24 Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin'ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25 Voaloto mbamin'ny tany aza, ka novaliako ny helony ary naloany ny mponina teo aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9388