Levitîka

Toko faha-22

8 Tsy hohanin'ny mpisorona koa ny henam-biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia, mba tsy hahatonga azy ho voaloto. Izaho no TOMPO.

9 Aoka ny mpisorona hitandrina izay fepetra nasaiko tandremany, fandrao hitambesaran-keloka ny amin'izany fanimbazimbana zava-masina izany izy ka ho faty. Izaho no TOMPO, Izay efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.

10 Aza avela hihinana zava-masina ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona; na izay sendra mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

11 Fa raha misy mpanompo novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; toy izany koa, ny mpanompo izay teraka tao an-tranon'ny mpisorona, dia mahazo mihinana izay fihinany.

12 Raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady lehilahy israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona, dia tsy mahazo mihinana ny navahana tamin'ny zava-masina izy.

13 Fa raha maty vady na nariam-bady na tsy nanan-janaka ilay zanakavavin'ny mpisorona ka mody ao an-tranon-dray toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy. Ankoatra ireo, ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona dia aoka tsy hisy hihinana zava-masina.

14 Raha misy Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona ka nahahinana tsy nahy tamin'ny zava-masina, dia honerany amin'ny mpisorona izay laniny ka hotongavany ny ampahadiminy.

15 Aoka tsy hisy mpisorona hampanimbazimba ny zava-masina izay natokan'ny Israelita ho Ahy TOMPO;

16 raha avelany hihinana izany ny Israelita tsy anisan'ny fianakavia-mpisorona, dia manjary itambesaran-keloka sy manonitra. Fa Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ireny zava-masina ireny.

17 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

18 mba hamepetra an'i Aharona sy ny zanany mbamin'ny Israelita hoe: Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, te hanatitra zavatra amiko TOMPO ho sorona dorana manontolo mba ho fanalam-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia izao no hataony:

19 lahy tsy misy kilema amin'ny omby na ondry na osy no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.

20 Izay biby rehetra misy kilema dia tsy azonareo aterina, satria tsy hahazoanareo sitraka amiko izany.

21 Raha misy olona manatitra omby na ondry na osy amiko TOMPO ho sorom-pihavanana mba ho fanalam-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia biby tsy misy kilema na kely akory aza no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.

22 Fa izay biby jamba, na mandringa, na kilemaina na ferena, na hatenina, na kongonina, dia tsy haterinareo ho AHY na hataonareo sorona levonina amin'ny afo ao ambonin'ny alitara ho AHY.

23 Raha omby na ondry na osy no misy sampona, dia azo aterina ihany ho fanomezana an-tsitrapo; fa raha fanalam-boady dia tsy hahazoana sitraka izany.

24 Izay voaporitra na voatoro vihindahy ary koa voaombotra na voadidy vihindahy amin'ireo biby ireo, dia tsy azonareo aterina ho AHY; ary aza manao famosiram-biby ianareo, rehefa mby eo amin'ny taninareo.

25 Raha misy biby vositra entin'olona hafa firenena, dia tsy azonareo aterina ho sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo ireny; satria noho izy novosirina, dia misy kilema ka tsy hahazoanareo sitraka.

26 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

27 Raha misy omby na ondry na osy vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny mandritra ny fito andro izy; fa manomboka amin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hahazoana sitraka izy raha atao sorona levonina amin'ny afo ho AHY.

28 Kanefa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy, dia aoka tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.

29 Raha manolotra sorom-pisaorana amiko TOMPO ianareo, dia araka izay hahazoanareo sitraka no anolory azy.

30 Iny andro anolorana azy iny ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina. Izaho no TOMPO.

31 Imasoy hotanterahina ny didiko. Izaho no TOMPO.

32 Aza manala baraka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin'ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.

33 Izaho no namoaka anareo hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO.

Toko faha-23

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:

3 Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.

4 Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin'ny fotoany avy:

5 Ny volana voalohany, andro faha-14, rehefa hariva, dia fankalazana ny Paska hanajana Ahy TOMPO.

6 Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan'ny fetin'ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.

7 Ny andro voalohany amin'ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

8 Isan'andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin'ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

9 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

10 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafiditra any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatrareo any, dia mitondra ilay amboara voalohany amin'ny vary orza hojinjainareo ho any amin'ny mpisorona.

11 Hahevahevany eo anatrehako no fomba fanolorana ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka amiko; ka ny ampitson'ny sabata no hanevahevany azy eo anatrehako.

12 Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.

13 Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin'ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin'ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.

14 Alohan'izany andro hitondranareo ny amboaram-bary ho fanatitra ho Ahy Andriamanitrareo izany, dia aza mbola misy ihinanana ny mofo na lango na voambary avy amin'ny vokatra vao niakatra: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

15 Manisa fito herinandro ianareo, miantomboka amin'io ampitson'ny sabata io, izany hoe miantomboka amin'ilay andro nitondranareo ny amboaram-bary voalohany ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ho fito herinandro mipaka izany;

16 ka amin'ny ampitson'ny sabata fahafito dia dimampolo andro no ho voaisanareo. Amin'io andro io dia manolora fanatitra vaovao ho Ahy TOMPO indray ianareo;

17 ka mitondra, avy amin'ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin'ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany.

18 Miaraka amin'ireo mofo ireo, ny haterinareo koa dia zanakondrilahy fito tsy misy kilema samy iray taona, sy ombilahy iray ary ondrilahy roa mba hatao sorona dorana manontolo ho AHY; ho sorona levonina amin'ny afo ireo mba ho hanitra ankasitrahina ho AHY, sady hampombaina izany ny fanatitra vokatry ny tany sy ny fanatitra araraka.

19 Hisy koa osilahy iray hataonareo sorona fanalana ny ota, ary zanakondrilahy roa samy iray taona hataonareo sorom-pihavanana.

20 Hahevahevan'ny mpisorona eo anatrehako ireo zanakondrilahy roa ireo mbamin'ny mofo avy amin'ny voaloham-bokatra: dia zava-masina ho Ahy TOMPO izany ka ho anjaran'ny mpisorona.

21 Amin'io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

22 Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjaina ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin'ny hafa amin'ny vokatrareo, fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

23 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

24 mba hamepetra ny Israelita hoe: Ny andro voalohan'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin'izany ka hihobianareo Ahy mba hahatsiarovako anareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9223