Levitîka

Toko faha-23

25 Aza manao ny raharaha andavanandro ianareo fa manolora sorona levonina amin'ny afo ho Ahy TOMPO.

26 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

27 Ny andro fahafolon'ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelan-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin'izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin'ny afo ho Ahy TOMPO.

28 Aza manao raharaha amin'io andro io, satria fankalazana ny Famelan-keloka io, ka hanaovanareo eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

29 Fa ny olona rehetra, izay tsy mety mifady hanina amin'io andro io, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

30 Ary ny olona rehetra, izay manao raharaha amin'io andro io, dia holevoniko tsy ho eo anivon'ny vahoaka israelita

31 ka aza anaovan-draharaha io andro io: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

32 Ho tena fitsaharana ho anareo io andro io, ary hifadianareo hanina; miantomboka amin'ny harivan'ny andro fahasivin'ny volana ka miafara amin'ny ampitso hariva no hitandremanareo io fitsaharanareo io.

33 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

34 mba hamepetra ny Israelita hoe: Ny andro faha-15, amin'ny volana fahafito, no hiantombohan'ny fankalazana ny Tranotomboka, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro.

35 Ny andro voalohany, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

36 Isan'andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin'ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin'ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro.

37 Ireo ary no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin'ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo omban'ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana omban'ny fanatitra araraka, samy amin'ny fotoanandrony avy.

38 Ireo sorona ireo dia ankoatra ny zavatra fanolotrareo Ahy TOMPO: izany hoe ny sorona fanao amin'ny andro sabata sy ny fanomezana ary ny zavatra rehetra fanalam-boady sy an-tsitrapo.

39 Ny andro faha-15, amin'ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana.

40 Hatreo amin'ny andro voalohany, dia haka izay voankazo tsara indrindra sy sampan-drofia ary rantsan'ny hazo mikirindro na rantsan'ny hazo malahelo eny amoron-drenirano ianareo, ka haneho hafaliana mandritra ny fito andro eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

41 Eny, hankalazainareo isan-taona izany, mandritra ny fito andro amin'ny volana fahafito, ho fanajana AHY: ho lalana raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

42 Mandritra ny fito andro, dia Tranotomboka no hilasianareo Israelita teratany rehetra tsy an-kanavaka,

43 mba hahafantaran'ny taranakareo fa tranotomboka no nampilasiako ny razany, fony Aho namoaka azy hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

44 Toy izany no nameperan'i Mosesy ny Israelita ny amin'ireo fankalazana manetriketrika naraikitry ny TOMPO.

Toko faha-24

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Mitondra menaka oliva madio tsara ianareo, mba hampirehetana ny jiro isan-kariva ka maharitra tontolo alina.

3 Ao anatin'ny Tranolay fihaonana, eo anoloan'ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan'i Aharona ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalana raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

4 Eo ambonin'io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan'i Aharona ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.

5 Lafarinina tsara no alaonao ary mofo 12 samy milanja enina kilao no endaso.

6 Dia apetraho mifanongoa eo ambonin'ny latabatra volamena madio eo anatrehako TOMPO ireo, ka ataovy antontany anankiroa misy mofo enina avy.

7 Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin'ny isan'antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon'ny mofo ka holevonina amin'ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.

8 Isaky ny sabata, mitohy tsy tapaka, no hapetraka mifanongoa eo anatrehako TOMPO ireny mofo avy amin'ny Israelita ireny: ho lamim-panekempihavanana raikitra hatrany hatrany izany ho an'ny Israelita.

9 Ny mofo dia ho an'i Aharona sy ny taranany ka eo amin'ny faritra voatokana ho an'izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an'ny mpisorona izany, satria ambin'ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin'ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.

10 Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin'ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selomita, zanakavavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana.

11 Vao mby teo amin'ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra ka nentina tany amin'i Mosesy.

12 Dia nambenana io zanakalahin'i Selomita io, mandra-paneho mazava ny baikon'ny TOMPO.

13 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

14 -Avoahy ho eny ivelan'ny toby io lehilahy niteny ratsy Ahy io; ka izay rehetra nandre ny fanevatevany Ahy, dia aoka hametra-tanana eo an-dohan-dralehilahy; ary aoka ny Israelita rehetra tafangona eto hamono azy amin'ny torabato.

15 Ireto didy ireto kosa no ampitao amin'ny Israelita: Na iza na iza niteny ratsy ilay Andriamaniny, dia itambesaran-keloka.

16 Koa izay manevateva ny anaran'ny TOMPO, dia hatao maty tokoa: hamono azy amin-torabato ny Israelita rehetra tafangona. Na vahiny izy na tompontany, rehefa manevateva ny anaran'Andriamanitra, dia hatao maty tokoa.

17 Izay mahafaty olona, dia hatao maty tokoa.

18 Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon'ny biby maty.

19 Raha misy olona nampahazo takaitra ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy:

20 tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify; tahaka ny takaitra nampahazoany olona no hatao aminy koa.

21 Izay mahafaty biby fiompy, dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty.

22 Fitsipika tokana no hitondrana anareo, na vahiny na tompontany, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

23 Rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny Israelita izany, dia nanao araka izay didy nomen'ny TOMPO an'i Mosesy ireo: navoakany tany ivelan'ny toby ilay lehilahy niteny ratsy an'Andriamanitra, ka novonoiny tamin-torabato.

Toko faha-25

1 Teo an-tendrombohitra Sinay, dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafiditra ny tany izay omeko anareo ianareo, dia aoka ny tany volena homenareo fialan-tsasatra mitsingerina mba ho mari-panajana Ahy TOMPO.

3 Enin-taona no hamafazanareo ny tanimbarinareo sy handrantsananareo ny voalobokareo ka hanangonanareo vokatra.

4 Fa ny taona fahafito kosa dia fialan-tsasatra tanteraka no homenareo ny tany volenareo mba ho mari-panajana AHY: aza amafazana ny tanimbarinareo, ary aza rantsanana ny voalobokareo;

5 tsy hojinjanareo akory aza izay vokatry ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo akory ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo, fa aoka ho taona fialan-tsasatra ho an'ny tany volena izany.

6 Izay zava-maniry voajanahary, mandritra ny fialan-tsasatry ny tany volena, dia azo hanina ho anareo sy ny mpanomponareo mbamin'ny mpikarama sy vahiny tafaraka aminareo;

7 ny biby fiompianareo sy ny bibidia izay eo amin'ny taninareo koa aza, dia ny zavatra rehetra voajanahary vokatry ny tany no hohaniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1473