Levitîka

Toko faha-25

8 Hanisa fito taona mitsingerina impito ianareo, izany fito taona impito, ka 49 taona no halavan'izany.

9 Ny andro fahafolon'ny volana fahafito, andro fankalazana ny Famelan-keloka, dia hitsoka anjomara ombam-pihobiana ianareo ka manerana ny taninareo no hitsofanareo azy.

10 Izany no hanambaranareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an'ny mponina rehetra ao amin'ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin'ny taninareo sy amin'ny fianakavianareo avy ianareo.

11 Jobily ho anareo io taona fahadimampolo io; ka tsy hanao famafazam-bary ianareo, tsy hojinjanareo ny vokatry ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo.

12 Eny, Jobily tokoa io taona io ka hatokanareo ho Ahy. Kanefa izay zavatra voajanahary vokatry ny saha dia azonareo hanina.

13 Amin'io taona Jobily io, dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.

14 Rehefa mivarotra na mividy tany amin'ny namanareo ianareo, dia aza misy mamono antoka azy.

15 Araka ny isan'ny taona, manomboka tamin'ny Jobily lasa, na koa araka ny isan'ny taom-pahavokarana ho avy no hividiananareo sy hivarotanareo azy amin'ny namanareo.

16 Araka ny hamaro na havitsin'ny taona sisa no hampitomboana na hampihenana ny vidiny, satria araka ny isan'ny taom-pahavokarana no hivarotana azy.

17 Koa aza misy mamono antoka ny mpiray firenena ianareo; izany no hanehoanareo fanajana Ahy satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

18 Tanteraho ny didiko ary imasoy hotanterahinareo ny fitsipiko, dia handry feizay ao amin'ilay tany ianareo.

19 Ary hahavoka-javatra ny tany, dia hihinana sady ho afa-po ianareo, ka handry feizay eo.

20 Angamba ianareo hanontany anakampo hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito, rehefa tsy manao famafazam-bary na fanangonam-bokatra izahay?

21 Izaho Tompo no hampidina aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina ka hisy vokatra ampy telo taona ho anareo.

22 Amin'ny taona fahavalo, dia hanao famafazam-bary ianareo kanefa mbola hihinana ny vokatra voaangona taloha; hatrany amin'ny taona fahasivy, mandra-pahatongan'ny fiakaram-bokatra, dia mbola afaka hihinana izany vokatra voaangona taloha izany ihany ianareo.

23 Ny tany dia tsy azo atao varo-maty, satria Ahy Tompo izany; fa vahiny sy mpivahiny eo amin'ny taniko ianareo.

24 Noho izany, eran'ny tany izay holovanareo, dia havelanareo ho azo avotana ny tany namidy.

25 Raha tahiny misy mihamahantra ny mpiray firenena aminao ka mivarotra ampahany amin'ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay tany amidiny.

26 Raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa hambinina izy aty aoriana ka hahazo izay ampy hoenti-manavotra ny taniny,

27 dia izao no hataony: hanisa taona manomboka hatreo amin'ny nivarotany azy izy, ka ny an-kevitry ny taona sisa mandra-piavin'ny taona Jobily no haloany vola amin'ilay nivarotany azy; dia hody amin'ny fananany indray ralehilahy tompony.

28 Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, dia hitoetra eo an-tanan'ilay nividy azy ny tany mandra-pahatongan'ny taona Jobily. Io tany io, amin'ny taona Jobily, dia ho afaka teo an-tanan'ilay nividy azy; ka hody amin'ny fananany indray ralehilahy tompony.

29 Raha misy mivarotra trano itoerana ao anaty tanana mimanda, dia azony avotana izany mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'io fe-potoana io no hahazoany manavotra azy.

30 Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano, dia tapaka ho varo-maty ho an'ilay nividy azy sy ho an'ny taranany; na amin'ny taona Jobily aza, dia tsy ho afaka teo an-tanan'ilay nividy azy izany trano izany.

31 Fa ny trano, ao anaty tanana tsy misy manda manodidina kosa, dia hatao tahaka ny tany ihany: ho azo avotana izany na koa ho afaka teo an-tanan'ilay nividy azy amin'ny taona Jobily.

32 Momba ny tananan'ny levita kosa dia izao: ny trano, izay anjarany eo an-tanana, dia ho azon'ny levita avotana hatrany hatrany.

33 Na levita aza no mividy azy, dia ho afaka teo an-tanan'ilay nividy azy izany, amin'ny taona Jobily. Ny trano ao an-tananan'ny levita manko no mba fananan'ny levita eo afovoan'ny Israelita.

34 Fa ny saha manodidina ny tananany kosa dia tsy azo amidy, satria fananana raikitra hatrany izany ho an'ny levita.

35 Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo, na ny vahiny valovotaka aza, ka tsy afa-manefa ny trosanareo, dia ampio izy mba hahazoany mivelona eo anilanareo.

36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo sady hahazoany mivelona eo anilanareo.

37 Aza asiana zana-bola raha mampisambotra vola aza ianareo, ary aza maka tombony raha mampisambotra hanina azy ianareo.

38 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahana sady ho Andriamanitrareo.

39 Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo ka mitolo-tena ho mpanomponareo, dia aza ampanaovina asan'andevo izy

40 fa ataovy toy ny mpikarama na vahiny valovotaka; ary mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anareo.

41 Amin'izay, dia ho afaka teo an-tananareo izy mbamin'ny zanany ka hody any amin'ny fianakaviany sy hizaka indray ny fananany.

42 Fa mpanompoko ny Israelita izay navoakako hiala tany Ejipta, ka tsy tokony hamidy tahaka ny andevo.

43 Aza itratrevatrevana sy ampahoriana izy, fa izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo.

44 Ny amin'izay ho andevolahinareo na andevovavinareo, dia amin'ny firenena manodidina anareo no hividiananareo azy.

45 Azonareo ividianana koa amin'ny zanak'ireo vahiny valovotaka eo anivonareo sy amin'ny taranaka haterany eo amin'ny taninareo; ary dia ho fanananareo ireny.

46 Hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hozakainy ho fananany. Ho mpanomponareo hatrany hatrany ireny; fa ny Israelita mpiray firenena aminareo kosa dia tsy azonareo itratrevatrevana sy ampahoriana.

47 Raha misy tonga manankarena ny vahiny valovotaka eo anivonareo, fa ny mpiray firenena aminareo kosa misy mihamahantra ka mivarotra ny tenany ho mpanompon'ilay vahiny na ho mpanompon'olona taranak'ilay vahiny,

48 dia azo avotana izy na efa lasa mpanompo aza. Ny anankiray amin'ireo rahalahiny no mahavotra azy,

49 na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy, na ny anankiray amin'ireo havany akaiky; mahazo miavo-tena koa izy, raha tahiny manana ny ampy ho an'izany.

50 Rehefa havotana izy, dia hanisa taona miaraka amin'ilay tompony, manomboka eo amin'ny taona nahampanompo azy ka miafara amin'ny taona Jobily; araka izay isan'ny taona no hanamboarana ny vola nividianana azy, ary araka izay fanao amin'ny mpikarama isan'andro no hanombanana ny asa vitany.

51 Raha mbola maro ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia ara-keviny amin'ilay vola nividianana azy no fanavotana haloa.

52 Raha vitsy kosa ny taona sisa, dia hoisaina izany ka ara-kevitr'ireo taona ireo no fanavotana haloa.

53 Tahaka ny mpikarama isan-taona izy mandritra ny itoerany eo amin'ilay tompony; ka harahinareo maso ilay tompony mba tsy hanao toetra mitratrevatreva aminy sy mampahory azy.

54 Raha tsy misy hanavotana an'ilay mpiray firenena aminareo, dia ho afaka teo an-tanan'ny tompony izy mbamin'ny zanany amin'ny taona Jobily.

55 Eny, mpanompoko ny Israelita, dia mpanompoko navoakako hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Toko faha-26

1 Aza manao andriamani-tsiizy, aza manangana sarin-tsampy voasokitra na manao tsangambaton-tsampy, aza manorina vato voaravaka hiankohofana eo amin'ny taninareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

2 Tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana ary hajao ny Toeramasina onenako. Izaho no TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9218