Levitîka

Toko faha-18

26 Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalanako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.

27 Fanaon'ny olona talohanareo tao amin'ny tany Kanahana ireo, ka dia naloto ny tany.

28 Aza lotoinareo indray ny tany mba tsy handoavany anareo tahaka ny efa nandoavany an'ireo firenena izay tao talohanareo.

29 Hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita manko izay rehetra manao amin'ireo zava-mamoafady ireo.

30 Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon'ny olona talohan'ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin'izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Toko faha-19

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Fiangonana israelita tsivakivolo hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, ilay TOMPO Andriamanitrareo.

3 Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

4 Aza mivily hanaraka ireo andriamani-tsiizy ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5 Rehefa manolotra sorom-pihavanana amiko TOMPO ianareo, dia ataovy araka izay hahazoanareo sitraka amiko izany.

6 Ny andro hamonoana ny sorona sy ny ampitson'iny no hihinananareo azy; fa izay sisa tratry ny andro fahatelo kosa dia hodorana.

7 Raha mbola hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia tsy hahazoana sitraka amiko satria hena tsy manan-kasina intsony.

8 Izay mihinana azy amin'izany, dia itambesaran-keloka satria manamavo ny zavatra voatokana ho Ahy TOMPO; ka dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izany olona izany.

9 Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin'ny hafa amin'ny vokatrareo.

10 Aza otazana koa ny sampaho tavela amin'ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin'ny tany; fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

11 Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo.

12 Aza mianiana amin'ny anarako mba hamitahana satria manala baraka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

13 Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman'ny mpikaramanareo.

14 Aza miteny ratsy ny marenina, ary aza manisy sakana hampianjera eo alohan'ny jamba; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo. Izaho no TOMPO.

15 Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana: ny mahantra, aza ananana tombom-pitia; ny lehibe, aza ananana hena-maso; fa ara-drariny no aoka hitsaranareo ny mpiray firenena aminareo.

16 Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin'ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.

17 Aza mankahala ao am-ponareo ny mpiray firenena aminareo fa anaro tsara izy mba tsy hahazoanareo heloka noho ny aminy.

18 Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin'ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.

19 Tandremonareo koa ireto didiko ireto: Aza avela hiray amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny tanimbolinao; ary aza mitondra fitafiana voatenona tamina kofehy roa karazana mifamahofaho.

20 Raha misy lehilahy miray amina vehivavy mpanompo izay voafofon'olon-kafa ho vadiny, nefa mbola tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka, dia handoa onitra izany lehilahy izany; saingy tsy hohelohina ho faty izy roroa satria tsy olona afaka ravehivavy.

21 Hisy koa sorom-panorenana amiko TOMPO hoentin-dralehilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, dia ny ondrilahy anankiray fanao sorom-panonerana.

22 Io ondrilahy io no hanaovan'ny mpisorona ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehako TOMPO noho ny fahotana nataony; dia havela izany fahotany izany.

23 Rehefa tafiditra any amin'ilay tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa isan-karazany, dia hataonareo ho maloto ny voany mandritra ny telo taona voalohany ka tsy hohanina.

24 Amin'ny taona fahefatra, dia hatokana ho Ahy avokoa ny voany mba ho fiderana Ahy TOMPO.

25 Fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo. Raha izany no ataonareo, dia hitombo ny fahavokaran'ny hazo ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

26 Aza eo amin'ny tany andrarahana ny ram-biby no ihinananareo ny henany; aza manao sikidy na fanandroana.

27 Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny volon-tavanareo.

28 Aza ratraratraina ny tenanareo ho fisaonana ny maty, ary aza asiana tombokavatsa ny hoditrareo. Izaho no TOMPO.

29 Aza manala baraka ny zanakavavinareo amin'ny fampijangajangana azy; fandrao ny mponina eo amin'ny tany no hivarilavo amin'ny fijangajangana ka ho feno haratsiam-pitondrantena.

30 Tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana ary hajao ny Toeramasina onenako. Izaho no TOMPO.

31 Aza mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay olona tsindrian-javatra. Aza maka hevitra aminy fandrao voalotony ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

32 Mitsangana ianao raha manoloana ny olona efa antitra ho fanomezam-boninahitra azy; izany no hanehoanao fanajana Ahy Andriamanitrao. Izaho no TOMPO.

33 Rehefa misy vahiny hiorim-ponenana eo amin'ny taninareo, dia aza mampahory azy.

34 Ataovy tahaka ny anankiray aminareo tompontany ihany no fitondra ny vahiny valovotaka eo aminareo; fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

35 Aza manao izay tsy marina eo amin'ny lamina voarindra momba ny refy sy lanja ary fatra.

36 Mizana marina sy vatomizana marina ary famarana marina no tano. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo hiala tany Ejipta.

37 Imasoy hotanterahinareo ny lalanako amam-pitsipiko rehetra. Izaho no TOMPO.

Toko faha-20

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

2 Izao no lazao amin'ny Israelita. Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra ny iray amin'ny zanany ho sorona amin'ny sampy Moloka, dia hatao maty tokoa; ka torabato no hamonoan'ny mponina tompontany azy.

3 Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin'i Moloka ny iray amin'ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baraka ny anarako masina.

4 Raha mody tsy mahita izany olona izany ny mponina tompontany mba tsy hahafaty azy noho ny zanany natolony tamin'i Moloka,

5 dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izy mbamin'ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Moloka.

6 Raha misy olona mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay tsindrian-javatra ka hanao fombafomba fanompoan-tsampy dia hohandriniko izy ka hofongorako tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.

7 Manokana tena ho Ahy ianareo, ary aoka ho masina fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

8 Imasoy hotanterahinareo ny lalanako rehetra. Izaho no TOMPO Izay nanokana anareo mba ho vahoakako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9961