Levitîka

Toko faha-15

8 Ny olona madio ara-pivavahana, kanefa nisy lehilahy mitsika nandrora taminy haneso azy, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

9 Haloto izay lasely itaingenan'io lehilahy mitsika io.

10 Izay mahakasika zavatra natao teo ambanin-dralehilahy io dia haloto mandra-paharivan'ny andro; izay mitondra izany zavatra izany kosa dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

11 Raha mbola tsy nanasa tanana ilay lehilahy mitsika no sendra mahakasika olona, dia hanasa fitafiana sy handro io olona io sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

12 Raha siny tanimanga na zinga hazo no voakasiky ny lehilahy mitsika, dia hovakina ny siny tanimanga ary hosasana kosa ny zinga hazo.

13 Rehefa sitrana amin'izany fitsihana izany ralehilahy, dia miandry fito andro izy vao hatao ny fombam-pivavahana fanadiovana azy; hanasa fitafiana sy handro amin'ny ranon-doharano izy, dia hadio.

14 Ary amin'ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na voromahailala roa izy ka hankeo anatrehan'ny TOMPO, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ary hanome ireo vorona ireo amin'ny mpisorona.

15 Dia hanolotra ireo ny mpisorona; ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan'ny TOMPO no hanaovan'ny mpisorona ho an-dralehilahy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany.

16 Raha misy lehilahy mandefa lahinaina tsy nahy amin'ny alina, dia hampandro ny tenany manontolo izy sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

17 Hosasana koa izay fitafiany sy firakotra hoditra voapentina sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

18 Raha misy vehivavy niray tamin-dehilahy, dia samy handro izy roa sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

19 Raha misy vehivavy mararin'ny fadimbolany ka voan'ny fitsihan-dra avy amin'ny taovam-pivaviana, dia haloto izy mandritra ny fito andro. Izay olona mahakasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

20 Izay farafara andrian-dravehivavy io sy zavatra ipetrahany mandritra ny fadimbolany, dia haloto avokoa.

21 Izay olona mikasika io farafara nandriany io na ny toerana nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

23 Raha nisy zavatra tavela teo amin'ny farafara nandriany na teo amin'ny toerana nipetrahany ka voakasik'olona, dia haloto mandra-paharivan'ny andro io olona io.

24 Raha misy lehilahy miray amin-dravehivavy mandritra izany fadimbolany izany, dia itsihan'ny rany izy ka haloto mandritra ny fito andro; ary izay farafara handrian'io lehilahy io dia haloto koa.

25 Raha misy vehivavy marary mitsi-dra mandritra ny andro maro ivelan'ny fadimbolany, na raha misy vehivavy mararin'ny fadimbolany ka mbola mitsika ra ankoatran'ny fotoana fadimbolany, dia haloto izy mandritra ny andro aharetan'ny fitsihana, toy ny amin'ny fadimbolany ihany.

26 Ny farafara izay andrian'io vehivavy io sy ny toerana izay ipetrahany dia haloto, tahaka ny amin'ny fadimbolany.

27 Izay olona mahakasika ny farafara nandriany na toerana nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

28 Rehefa sitrana amin'ny fitsihany ravehivavy, dia hiandry fito andro izy vao hadio indray.

29 Amin'ny andro fahavalo, dia haka domohina roa na voromahailala roa izy ka hitondra ireo ho amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

30 Dia hanolotra ireo ny mpisorona, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan'ny TOMPO no hataon'ny mpisorona ho an-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany nahaloto azy.

31 Dia mbola niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona indray ny TOMPO nanao hoe: Hasainareo hanalavitra ny Toeramasina ny Israelita rehefa maloto ara-pivavahana, sao ho faty izy ireo noho ny fandotoany ny tranolay fonenako izay eo aminy.

32 Ireo avy no fepetra ny amin'ny lehilahy voan'ny aretina mitsika na mandefa lahinaina tsy nahy ka voaloton'izany,

33 sy ny amin'ny vehivavy mararin'ny fadimbolany, ary ny amin'ny lehilahy miray amina vehivavy maloto ara-pivavahana.

Toko faha-16

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO, taorian'ny nahafatesan'izy roa lahy zanak'i Aharona, dia izy mirahalahy maty tamin'ny nanatonany hitondra ditin-kazo manitra tsy sahaza teo anatrehan'ny TOMPO.

2 Ka hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Ilazao i Aharona rahalahinao mba tsy hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin'ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan'ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin'io rakotra volamena io Aho.

3 Rehefa miditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharona, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.

4 Akanjo lava voatokana, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin'ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharona vao hitafy azy.

5 Ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.

6 Dia hatolotr'i Aharona ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ny ankohonany.

7 Halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'ny TOMPO, eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

8 Dia hataon'i Aharona antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an'ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.

9 Ary hatolotr'i Aharona ny osilahy voatendrin'ny antsapaka ho an'ny TOMPO, ka hataony sorona fanalana ny ota.

10 Fa ny osilahy voatendrin'ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan'ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.

11 Koa hatolotr'i Aharona izany ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny tenany; izay izy vao hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ilay ombilahy i Aharona,

12 dia haka fanembohana nofenoina vain'afo avy amin'ilay alitara izay ao amin'ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin'ny Toeramasina Indrindra.

13 Eo anatrehan'ny TOMPO eo i Aharona no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin'ny vain'afo ka hosaronan'ny setrok'izany ilay rakotra volamena eo ambonin'ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an'i Aharona.

14 Dia hangalany ny ran'ilay ombilahy ka hafafin'ny fanondrony eo amin'ny rakotra volamena, lafy atsinanana; ary eo anoloan'ny rakotra volamena koa dia hamafazany ra impito amin'ny fanondrony.

15 Manaraka izany, rehefa voavonon'i Aharona ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin'ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin'ny rakotra volamena sy eo anoloany.

16 Ary hotontosain'i Aharona ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan'ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon'i Aharona amin'ny faritra sisa ao amin'ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin'ny Israelita sady eo afovoan'ny fahalotoany.

17 Tsy tokony hisy olona eo amin'ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin'ny idiran'i Aharona hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ho an'ny ankohonany ary ho an'ny Fiangonan'ny Israelita tsivakivolo,

18 dia hivoaka hankeo amin'ny alitara eo anoloan'ny Tranolay fihaonana izy, ka hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana io alitara io. Samy hangalany avy ny ran'ny ombilahy sy ny ran'ny osilahy hanentenany ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra;

19 ary hamafazany ra impito amin'ny fanondro koa ny alitara. Dia toy izany no hanadiovan'i Aharona ny alitara ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Israelita ka hamerenan-kasina azy indray.

20 Rehefa tapitra ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra sy ny faritra sisa amin'ny Tranolay fihaonana ary koa ny alitara fisoronana, dia ilay osilahy mbola velona no hatolotr'i Aharona.

21 Hapetrany amin'ny lohan'io osilahy io ny tanany roa, ary hotanisainy eo amboniny avokoa ny heloka amam-pahadisoan'ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany. Hatambesatr'i Aharona amin'ilay osilahy ireo fahotana rehetra ireo; izay izy vao hampandroaka azy hankany an-taniefitra, hoentina lehilahy anankiray voatendry.

22 Dia hindaosin'ny osilahy ho any an-taniefitra ny helok'izy rehetra. Rehefa voaroaka ho any an-taniefitra ilay osilahy,

23 dia hiditra ao amin'ny Tranolay fihaonana i Aharona ka hanala sy hametraka ny fanamiana vita kiran-drongony fotsy, izay niakanjoany tamin'izy niditra tao amin'ny Toeramasina Indrindra.

24 Handro ao amin'ny faritra anankiray voatokana ho an'izany izy, dia hiakanjo fitafiana hafa; ary hiainga hanolotra ny sorona dorana manontolo ho an'ny tenany sy ny sorona dorana manontolo ho an'ny vahoaka izy ka hanatontosa ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka.

25 Ary ny tavin-kenan'ireo biby natao sorona fanalana ny ota dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0645