2 Kôrintianina
Toko faha-6
18 Ka ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo Tsitoha.
Toko faha-7
1 Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.2 Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona.
3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty.
4 Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay.
5 Na dia tonga tany Masedonia tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra.
6 Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin'ny nahatongavan'i Tito;
7 ary tsy ny nahatongavany ihany no nampahery anay, fa ny fampaherezana azony taminareo koa: notantarainy taminay fa maniry mafy hihaona amiko indray ianareo, sady nitomany noho ny zava-nitranga ary nazoto hanaiky ahy; ka dia vao mainka faly aho.
8 Fa na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako, dia tsy anenenako ankehitriny. Nanenenako ihany izany nony hitako fa noseranin'alahelo ianareo.
9 Kanefa mifaly aho ankehitriny, tsy noho ny nampalahelovako anareo, fa noho ny alahelonareo nahatonga anareo hiala amin'ny toe-dratsy. Eny, alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy nitondra fatiantoka avy aminay ianareo.
10 Satria ny alahelo araka an'Andriamanitra dia mahatonga hiala amin'ny toe-dratsy, mba hiroso amin'ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo iza kosa dia mahatonga fahafatesana.
11 Jereo tokoa ny vokatr'izany alahelo araka an'Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan'Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin'iny raharaha iny.
12 Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nahavita ratsy na noho ilay nasian-dratsy; nanoratra taminareo aho mba hampiharihary aminareo fa eo anatrehan'Andriamanitra dia mazoto hanaiky ahy ianareo.
13 Nampahery anay izany fihetsikareo izany. Ankoatra ny fampaherezana azonay, dia vao mainka safononoka ny hafalianay tamin'ny nahitanay fa faly aoka izany i Tito satria namelombelona aina azy ianareo rehetra.
14 Eny, nirehareha teo anatrehan'i Tito aho ny aminareo, ary dia tsy nandiso fanantenana ahy tokoa ianareo; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay teo anatrehan'i Tito ny aminareo.
15 Vao mainka nitombo ny fankamamian'i Tito anareo, rehefa tsaroany fa vonon-kanoa ianareo rehetra, sady tamin-tahotra sy hovitra tokoa no nandraisanareo azy.
16 Faly aho fa mahazo matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.
Toko faha-8
1 Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen'Andriamanitra tao amin'ireo Fiangonana any Masedonia.2 Voasedra mafy tamin'ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin'ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza.
3 Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony
4 no niangaviany mafy taminay mba hahazo tombon-tsoa handray anjara amin'ny fanasoavana ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea.
5 Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an'ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra.
6 Ka dia niangavianay i Tito hankaty aminareo hahatomombana izany asa fanasoavana izany, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7 Manam-be tokoa ianareo amin'ny zavatra rehetra: dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana isan-karazany, ary amin'ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin'izao asa soa izao.
8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon'ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo.
9 Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.
10 Ambarako aminareo izay hevitro ny amin'izany raharaha izany: mahasoa anareo izany, satria lohalaharana ianareo tsy tamin'ny firotsahana hanao azy fotsiny fa tamin'ny fanapahan-kevitra hanao azy koa.
11 Ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo.
12 Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin'Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.
13 Izany no atao, tsy sanatria ny hahaory anareo ka hiadanan'ny sasany, fa ny mba hisian'ny fitoviana.
14 Amin'izao ankehitriny izao, dia manam-be ianareo mba hanafa-pahasahiranana azy ireo. Any kosa andro hahatonga azy ireo hanam-be mba hanafa-pahasahiranana anareo. Amin'izany no hisian'ny fitoviana,
15 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Izay nanangona be tsy nanana amby, ary izay nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.
16 Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an'i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa!
17 Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo.
18 Nalefanay hiaraka aminy koa ilay rahalahy derain'ny Fiangonana rehetra amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly;
19 ary tsy izany ihany, fa notendren'ireo Fiangonana mba hiara-dia aminay koa io rahalahy io amin'izao asa fanasoavana ilofosanay izao, ho voninahitr'Izy Tompo ary ho mariky ny risi-ponay hanasoa ny hafa.
20 Tandremanay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao famoriana vola be ilofosanay izao:
21 satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan'ny Tompo ihany, fa eo anatrehan'ny olona koa.
22 Nalefanay hiaraka amin'izy ireo ilay rahalahinay izay efa nosedrainay matetika tamin-javatra maro ka hitanay fa mazoto; kanefa vao mainka mazoto kokoa izy ankehitriny, satria be ny fahatokiany anareo.
23 Raha ny amin'i Tito, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho fanasoavana anareo; fa iretsy roa lahy rahalahinay kosa dia irak'ireo Fiangonana ary miasa ho voninahitr'i Kristy.
24 Koa asehoy azy telo lahy fa tia azy tokoa ianareo, mba ho fantatr'ireo Fiangonana fa rariny raha ataonay reharehanay ianareo.
Toko faha-9
1 Momba ny fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo.2 Fantatro manko ny risi-ponareo ka nataoko rehareha ny aminareo teo anoloan'ny Masedonianina; fa hoy aho taminy: Efa vonona hatry ny taona itsy ry zareo any Akaia! Nanaitaitra ny maro ny zotomponareo.
3 Kanefa dia nalefako ho any aminareo ihany ireto rahalahy ireto mba tsy ho foana ilay reharehanay ny aminareo momba izany; satriko ho vonona tokoa ianareo, araka izay voalazako.
4 Fa raha tahiny misy tafara-dia amiko ny avy aty Masedonia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo!
5 Noheveriko ary fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra.
6 Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be.
7 Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra.
8 Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany,
9 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.