2 Kôrintianina

Toko faha-9

10 Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an'ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo.

11 Hataon'Andriamanitra hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin'ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an'Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo.

12 Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa.

13 Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin'i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin'ny olona rehetra.

14 Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra anareo.

15 Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

Toko faha-10

1 Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin'ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon'i Kristy aho:

2 aoka re aho mba tsy ho voatery hanao teny henjana amin'ny hahatongavako aty aminareo; fa mikasa hihenjana amim-pahasahiana tokoa aho amin'ny olona sasany, izay mihevitra fa manao fitondrantena araka ny fisainan'olombelona izahay.

3 Na dia ao anatin'ny fiainana maha olombelona aza izahay, dia tsy araka ny fisainan'olombelona no iadianay;

4 satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an'ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an'Andriamanitra, mba hoenti-mandrava manda. Ravanay ny hevitra diso

5 sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra; ary babonay hanaiky an'i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.

6 Vonona hanafay ny tsy mpanota rehetra izahay, rehefa mampiseho fanoavana tanteraka ianareo.

7 Mijery zavatra araka ny fisehony ivelany ihany ianareo! Raha misy olona matoky tena fa an'i Kristy, dia izao indray no aoka hosaintsaininy: tahaka ny maha an'i Kristy azy no maha an'i Kristy anay koa.

8 Ary tsy hahazo henatra aho na dia ireharehako somary tafahoatra aza ny fahefana nomen'ny Tompo anay, dia fahefana hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

9 Tsy te hiseho ho toy ny hoe mampitahotra anareo aho amin'ireto taratasy soratako; fa misy manao hoe:

10 Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin'i Paoly; nefa rehefa mby eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.

11 Izao no aoka hosaintsainin'ilay miteny toy izany: sahala amin'izay soratanay an-taratasy raha lavitra izahay, no hataonay rehefa tonga izahay.

12 Marina tokoa fa tsy sahinay ny hampitovy na hampitaha ny tenanay amin'ny olona sasany midera tena; satria tsy hendry ireny, fa manohatra tena amin'ny tenany ihany ary mampitaha tena amin'ny tenany ihany.

13 Izahay kosa tsy mba hirehareha mihoa-pampana, fa dia araka ny fenitry ny asa voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, ka nahatongavanay hatraty aminareo.

14 Fa tsy toy ny olona tsy tonga hatraty aminareo izahay, ka hoe nihoatra ny faritra natao ho anay; tonga hatraty aminareo tokoa izahay nitondra ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy.

15 Tsy mirehareha mihoa-pampana izahay, ka hirehareha amin'ny asa nataon'ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitatra hatrany hatrany eo aminareo koa ny asanay, araka ny fenitra napetrak'Andriamanitra ho anay.

16 Avy eo dia hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ireo faritany ivelan'ny anareo izahay, ka tsy hirehareha amin'izay efa vitan'ny sasany eo amin'ny faritra sahaniny.

17 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Izay mirehareha dia ny nataon'ny Tompo no aoka hireharehany;

18 satria tsy izay midera tena no olona voazaha toetra, fa izay derain'ny Tompo.

Toko faha-11

1 Enga anie ka mba handefitra amiko ianareo amin'izao hadalana kely izao! Eny, mandefera amiko ianareo!

2 Saro-piaro momba anareo aho, ary fahasaro-piaro avy amin'Andriamanitra izany; satria ianareo dia toy ny virijiny madio atolotra ho fofombadin'ny lehilahy anankiray, dia i Kristy.

3 Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin'i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an'i Eva tamin'ny lainga tsara lahatra nataon'ny bibilava.

4 Eny, leferinareo tsara raha misy olona tonga mitory Jesoa hafa noho ilay Jesoa notorinay; ary ianareo toa vonon-kandray fanahy hafa noho ilay Fanahy Masina efa azonareo, na vonon-kandray vaovao mahafaly hafa noho ilay Vaovao Mahafaly efa noraisinareo.

5 Heveriko fa tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin'ireo apostoly fanaperana ireo.

6 Na tsy ampy fahaiza-mandahateny aza aho, dia ampy fahalalana; nasehonay mazava tsara mandrakariva tamin'ny zavatra rehetra izany mba hahasoa anareo.

7 Fony aho nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra, dia nanao izany maimaimpoana aho; moa diso ve aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo?

8 Nekeko ny nandoavan'ny Fiangonana sasany vola tamiko, ka tahaka ny hoe nandroba azy ireo aho mba hanampiako anareo.

9 Fony teo aminareo aho, dia tsy nanahirana na iza na iza raha nisy zavatra nilaiko, satria ireo havana kristianina avy any Masedonia no nanome ahy ny zavatra nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hanahirana anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.

10 I Kristy Izay ato amiko dia milaza ny marina hatrany, ka milaza marina aho fa tsy azo esorina amiko izany reharehako izany eran'ny faritany Akaia.

11 Ahoana moa no ilazako izany? Satria tsy tiako ve ianareo? Andriamanitra no mahalala fa tiako ianareo!

12 Hataoko hatrany izao fanaoko izao, mba tsy hanan-kolazaina ry zareo te ho hita fa manahaka anay amin'izay ireharehany.

13 Apostoly sandoka izy ireny, milaza lainga momba izay ataony, ka miova endrika ho apostolin'i Kristy.

14 Tsy mahagaga izany satria hain'i Satana aza ny miova endrika ho anjely mamirapiratra.

15 Koa tsy sarotra ho an'ireo mpanompon'i Satana ny miova endrika ho mpanompon'ilay Andriamanitra marina; kanefa ny hiafaran'ireo dia ho araka ny asany ihany.

16 Antitranteriko ihany: aoka tsy hisy hanao ahy ho adala! Kanefa raha izany no iheveranareo ahy, dia raiso toy ny adala aho, mba hahazoako mirehareha kely koa.

17 Izay lazaiko izao dia tsy araka ny Tompo no ilazako azy; fa miteny toy ny adala aho amin'izao toe-javatra ireharehako izao.

18 Satria maro no mirehareha araka ny maha olombelona, dia mba hirehareha araka izany koa aho.

19 Fa hendry ianareo ka sitrakareo ny handefitra amin'ireo adala.

20 Eny, leferinareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy manao zinona anareo, raha misy mamely ny tavanareo.

21 Hanalam-baraka ny tenanay no ilazako ho: osa loatra izahay ka tsy nahavita izany! Kanefa izay sahin'ny olona lazaina miteny toy ny adala aho dia mba sahiko lazaina koa.

22 Hebreo ve ireo apostoly sandoka ireo? Izaho koa! Israelita ve izy ireo? izaho koa! Taranak'i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa.

23 Mpanompon'i Kristy ve izy ireo? Hiteny toy ny very saina aho: eny, mpanompon'i Kristy koa aho, ary mihoatra noho izy ireo; fa nisasatra mafy kokoa aho, natao am-ponja matetika kokoa, nokapohina bebe kokoa, tambavahoana imbetsaka kokoa.

24 Indimy nokapohin'ny Jiosy aho, ka nandalasina in-39 misesy isaky ny mandeha;

25 intelo nokaravasin'ny Romanina aho, ary indray maka saika matin'ny tora-bato; intelo vaky sambo aho, ary efa tavela teo anivon-dranomasina indray andro sy indray alina maninjitra.

26 Matetika nanao dia an-tongotra aho ka efa tojo ny loza isan-karazany: loza tamin'ny ony tondraka, loza tamin'ny jiolahy, loza avy amin'ny Jiosy mpiray firenena amiko, loza avy amin'ny hafa firenena, loza tao an-tanana, loza tany an-taniefitra, loza teny an-dranomasina, loza teo anivon'ny misandoka ho havana kristianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9755