2 Kôrintianina

Toko voalohany

16 Nokasaiko ny hihazo aty aminareo amin'ny diako hankany Masedonia, ary dia mbola hamangy anareo indray aho rehefa avy any; ka ho nanampy ahy koa ianareo hanohizako dia hankany Jodea.

17 Moa nanao kitoatoa ve aho raha nikasa izany? Araka ny maha olombelona fotsiny ve no nikasako izany ka hahazoako hiroa teny, sady hanao eny no hanao tsia?

18 Raha mahatoky koa Andriamanitra, dia tsy mandray roa ny teninay taminareo ka sady ho eny no ho tsia.

19 Satria i Jesoa Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, Izay notorinay sy i Silasy ary i Timoty teo aminareo, dia tsy hoe sady eny no tsia; fa i Jesoa Kristy dia eny hatrany hatrany:

20 koa Izy no ilay eny mahato ny fampanantenana rehetra nataon'Andriamanitra. Izany koa no anton'ny anononantsika ny Amen amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ho voninahitr'Andriamanitra.

21 Fa Andriamanitra no manamafy ny firaisanay sy ny firaisanareo amin'i Kristy; Andriamanitra no nifidy anay hanao izao asa izao;

22 ary Izy no nanisy ny tombokase maha fananany antsika sy nandrotsaka ny Fanahy Masina ao am-pontsika ho antoky ny soa natokany ho antsika.

23 Antsoiko ho vavolombeloko Andriamanitra, satria fantany ny ato am-poko: fitsimbinako anareo no nahatapa-kevitra ahy tsy hiverina any Korinto.

24 Izahay dia tsy manao jadona aminareo ny amin'izay tokony hinoanareo, satria efa tsara orina amin'ny finoana ianareo; fa miara-miasa aminareo izahay hampandroso ny hafalianareo.

Toko faha-2

1 Koa izao no hevitra tapaka tato am-poko: tsy hankany aminareo aho, mba tsy hampalahelo anareo indray.

2 Fa raha ampalaheloviko ianareo, dia mba iza indray no hampifaly ahy? Moa tsy ireo nampalaheloviko ihany ve?

3 Izany indrindra no nanoratako taminareo: tsy sitrako ny ho tonga aty aminareo ka hampalahelovin'ireo olona izay tokony hampifaly ahy. Matoky anareo rehetra aho fa raha faly aho, dia faly koa ianareo rehetra.

4 Tamin'ny fo ontsa sy ory fatratra ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy hoe hampalahelo anareo fa mba hahafantaranareo izato haben'ny fitiavako anareo.

5 Fa raha nisy taminareo nahatonga alahelo, dia tsy izaho no nampalaheloviny fa ianareo rehetra, na aoka hatao hoe ny sasany taminareo mba tsy hanitatra.

6 Ampy ho an'izany olona izany ny famaizana vitan'ny maro taminareo;

7 ka dia aleo mamela heloka sy mankahery azy kosa ianareo, mba tsy hahatonga alahelo tafahoatra hampamoy fo azy.

8 Noho izany, dia miangavy anareo aho mba hanao izay hahatsapany fa tia azy ianareo.

9 Satria izao koa no anton'ny nanoratako taminareo: tiako ho fantatra raha voazaha toetra tokoa ianareo, ka hahitako na olona vonon-kanoa ahy amin'ny zavatra rehetra na tsia.

10 Izay olona avelanareo heloka dia mba avelako heloka ihany koa. Izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ianareo no nanaovako izany teo imason'i Kristy,

11 fandrao ho voafitak'i Satana isika, satria fantatsika tsara ny hafetseny.

12 Nony tonga tany Troasy hitory ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy aho, dia hitako fa efa novohan'ny Tompo varavarana sahady aho hiasa tao.

13 Kanefa tsy nilamin-tsaina aho satria tsy nahita an'i Tito rahalahiko. Koa nanao veloma ny olona tao Troasy aho, dia niainga nankany Masedonia.

14 Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin'ny fandresen'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra izahay hampiely amin'ny toerana rehetra ny fahalalana an'i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza.

15 Fa tahaka ny zava-manitra ataon'i Kristy fanatitra ho an'Andriamanitra izahay, na amin'ny voavonjy na amin'ny very:

16 fofona mahafaty tokoa izany ho an'ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an'ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin'izany asa izany?

17 Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin'Andriamanitra ho filam-bola, fa miteny toy ny olona irahin'Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny maha mpanompon'i Kristy anay.

Toko faha-3

1 Manomboka midera tena indray ve izahay amin'izany? Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazan-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo?

2 Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakiny.

3 Miharihary fa taratasy soratanan'i Kristy ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin'ny alalan'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon'olombelona.

4 Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin'ny alalan'i Kristy.

5 Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin'ny tenanay; fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovana ananany.

6 Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon'ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin'ny lalana voasoratra fa amin'ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalana voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona.

7 Raha natao sokitra teo amina takela-bato ny lalana, dia niseho ny voninahitr'Andriamanitra; ary namirapiratra ny tavan'i Mosesy, ka tsy tantin'ny vahoaka Israely nobanjinina ny tavany, na dia namirapiratra nihelina ihany aza. Koa raha heni-boninahitra toy izany ary ny fanompoana teo amin'ny lalana izay mitondra fahafatesana,

8 tsy vao mainka ho heni-boninahitra kokoa ve ny fanompoana omban'ny Fanahy Masina?

9 Raha ny fanompoana nitondra fanamelohana ny olona aza nisy voninahitra, dia vao mainka hisy tombom-boninahitra kokoa ny fanompoana andraisan'ny olona ny fahamarinan'Andriamanitra;

10 satria ny voninahitra namirapiratra fahiny dia tsinontsinona miohatra amin'ny voninahitra ankehitriny izay tena ambony lavitra.

11 Eny, raha izay nihelina ihany aza nisy voninahitra, dia vao mainka ho heni-boninahitra kokoa izay maharitra mandrakizay.

12 Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa.

13 Izahay dia tsy tahaka an'i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan'ny vahoaka Israely ny fiafaran'ilay famirapiratany mihelina.

14 Fa nihadonto ny sain'ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha izy ireo; satria ho an'ny olona tafaray amin'i Kristy no foana izany sarona izany.

15 Mandraka androany, isaky ny vakina ny bokin'i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon'ny vahoaka Israely.

16 Fa isaky ny miverina amin'ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany.

17 Ka ny hoe Tompo eto dia ny Fanahy; fa ao amin'izay itoeran'ilay Fanahin'ny Tompo no misy fahafahana.

18 Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain'ilay Fanahin'ny Tompo.

Toko faha-4

1 Izahay no manana izany fanompoana izany, dia noho ny indrafon'Andriamanitra taminay; koa tsy mety ketraka izahay.

2 Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin'Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason'Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian'ny fieritreretan'ny olona rehetra izahay.

3 Fa raha saronan-javatra ny Vaovao Mahafaly torinay, dia saronan-javatra amin'izay ho very.

4 Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain'i Satana zanahary tompoin'izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavan'ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr'i Kristy, ilay tena endrik'Andriamanitra.

5 Tsy ny tenanay manko no ambaranay rehefa mitoriteny izahay, fa i Jesoa Kristy Tompo; izahay kosa dia milaza ny tenanay ho mpanomponareo noho ny amin'i Jesoa.

6 Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina, no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra, izay hita eo amin'ny tavan'i Jesoa Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1921