2 Kôrintianina

Toko faha-11

27 Niasa mafy sy nisasatra aho, niari-tory matetika, nijalin'ny hanoanana sy hetaheta, tsy nitendry hanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy.

28 Ankoatra izay tsy voalaza, dia mbola mitambesatra amiko isan'andro vaky ny fiahiana ny Fiangonana rehetra.

29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no lavo tamin'ny fahotana, ka tsy malahelo mafy aho?

30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia ireo zavatra mampiharihary ny fahalemeko no hataoko rehareha.

31 Andriamanitra, Rain'i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho.

32 Fony tany Damasy aho, ny governora notendren'i Hareta mpanjaka dia nampiambina ny tanana Damasy mba hisamborana ahy.

33 Fa nisy nampidina ahy an-tsobika avy teo amin'ny varavarankelin'ny manda, ka dia afa-nandositra ny tanan'i Hareta aho.

Toko faha-12

1 Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa hiroso aho hilaza fahitana sy fanambarana nomen'ny Tompo ahy.

2 Fantatro fa tokony ho 14 taona lasa izay, dia nisy kristianina anankiray nakarina tany amin'ny lanitra fahatelo. (Asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala.)

3 Fantatro fa nakarina hatrany Paradisa izany lehilahy izany (asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala); ary tao Paradisa no nandrenesany teny tsy hay lazaina sady tsy azon'olombelona tenenina.

5 Ny amin'izany lehilahy izany no hataoko rehareha, fa ny amin'ny tenako dia tsy misy hataoko rehareha afa-tsy ny fahalemeko ihany.

6 Satria na dia te hirehareha aza aho, dia tsy ho adala fa ny marina no holazaiko; kanefa tsy manao izany aho, fandrao hisy olona hihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko na reny avy amiko.

7 Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan'Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin'ny tenako; toy ny irak'i Satana mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo.

8 Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hialan'izany aretina izany amiko;

9 nefa hoy ny Tompo tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako, satria ao amin'ny fahalemenao no isehoan'ny heriko tanteraka. Koa vao mainka sitrako mihitsy ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hambomba ahy ny herin'i Kristy.

10 Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin'i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.

11 Efa lasa adala aho, satria noterenareo. Ianareo ange no tokony hidera ahy e! Fa na dia tsinontsinona aza aho, dia tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin'ireo apostoly fanaperana.

12 Notontosaina teo aminareo avokoa ny marika manaporofo ny maha apostoly ahy: dia faharetana lehibe sy famantarana ary zava-mahatalanjona aman'asa mahagaga.

13 Fa inona moa no mahalatsa-danja anareo noho ny Fiangonana hafa, afa-tsy hoe angaha tsy nanahirana anareo aho? Mamela ny hadisoako fa tsy rariny tokoa izany!

14 Indro fa vonona aho izao ny hankaty aminareo fanintelony, nefa tsy hanahirana anareo. Ianareo manko no katsahiko fa tsy ny fanananareo; satria tsy ny zanaka no tokony hitady vola hikarakarana ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hitady vola hikarakarana ny zanany.

15 Raha ny amiko, dia sitrako mihitsy ny handany manontolo ny fananako sy ny aiko hamonjena anareo. Koa raha manao lanja miakatra ny fitiavako anareo, dia hanao lanja midina ve ny fitiavanareo ahy?

16 Ekenareo fa tsy nanahirana anareo tokoa aho; kanefa nanao hafetsena, hono, aho mba hahazoako anareo am-pitaka.

17 Moa nisy nasaiko naka vola aman-karena taminareo ve ireo nirahiko taty aminareo?

18 Niangaviako i Tito hankaty aminareo ary nirahiko hiara-dia taminy koa ilay rahalahy izay fantatrareo. Naka vola aman-karena taminareo ve i Tito? Tsy toe-panahy iraisana ve no narahinay tamin'ny fitondrantenanay?

19 Heverinareo angamba fa miaro tena hatrany izahay eo imasonareo. Tsia! Araka ny sitrapon'i Kristy no itenenanay eo anatrehan'Andriamanitra; ka lazainay aminareo, ry hava-malala, fa izay rehetra izany dia hampandrosoana anareo amin'ny finoana.

20 Atahorako manko fandrao, rehefa tonga aho, dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo koa no hahitanareo ahy. Atahorako fandrao hisy fifandirana, fifampialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fanendrikendrehana, fieboeboana, ary fisavorovoroana.

21 Atahorako fandrao, amin'izao fahatongavako izao, dia hampietry ahy eo anatrehanareo ilay Andriamanitro; ka hitomany aho, noho ny maro izay nanota teo aloha nefa mbola tsy niala tamin'ny fahalotoana sy fijangajangana ary fihetsika tsy maotina fanaony.

Toko faha-13

1 Izao no fanintelony hankanesako aty aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: Ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan'ny raharaha rehetra.

2 Amin'izao hahatongavako izao ary, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin'izao aho tsy aty aminareo izao.

3 Tadiavinareo ny hahitana porofo fa i Kristy no miteny ato anatiko; ka tsy fahalemena no ampiharin'i Kristy aminareo, fa hery no asehony eo anivonareo.

4 Voahombo tamin'ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin'Andriamanitra. Miombona amin'ny fahalemen'i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin'i Kristy izahay, ka ny herin'Andriamanitra no hampiharinay aminareo.

5 Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin'ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo!

6 Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra.

7 Mangataka am-bavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay.

8 Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany.

9 Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo.

10 Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

11 Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavana, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana.

12 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana.

13 Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan'Andriamanitra.

14 Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina!

Galatianina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho tonga apostoly tsy tamin'ny tendrin'olombelona na tamin'ny alalan'ny olombelona, fa noho i Jesoa Kristy ary noho Andriamanitra Ray Izay nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty.

2 Mamangy anareo Fiangonana aty Galatia aho ary mamangy anareo koa ny kristianina rehetra tafaraka amiko eto.

3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika.

4 Araka ny sitrapon'Andriamanitra sady Raintsika, dia nanolo-tena i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika amin'ny fahotantsika ary hanafaka antsika amin'izao tontolo anjakan'ny ratsy ankehitriny izao.

5 Eny, ho Azy Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

6 Gaga aho fa tsy toy inona akory dia ilaozanareo ilay Andriamanitra niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy, ka dia Vaovao Mahafaly hafa no itodihanareo.

7 Tsy hoe misy Vaovao Mahafaly hafa tsy akory, saingy misy olona mandrebireby anareo ary te hamilavila ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy.

8 Kanefa raha misy olona, na dia izahay na anjely avy any an-danitra aza, mitory Vaovao Mahafaly hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka izy ho voaozona!

9 Efa voalazanay taminareo taloha izany ary mbola averiko indray ankehitriny fa raha misy mitory Vaovao Mahafaly hafa noho izay efa noraisinareo, aoka izy ho voaozona!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3538