1 Kôrintianina
Toko faha-15
47 Ilay olona voalohany dia avy amin'ny tany, ka tany; fa ilay olona faharoa dia avy any an-danitra.48 Ireo an'ny tany dia manahaka ilay olona avy amin'ny tany; fa ireo an'ny lanitra kosa dia manahaka ilay olona avy any an-danitra.
49 Tahaka ny nitondrantsika ny endrik'ilay olona avy amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay olona avy any an-danitra.
50 Izao kosa no lazaiko, ry havako: ny olombelona nofo aman-dra dia tsy afaka hanana anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra; ary izay tratry ny fahalovana dia tsy afaka hahazo anjara amin'ny tsy fahalovana.
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra;
52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana avokoa isika rehetra. Satria haneno ny trompetra farany, dia hitsangana velona ireo maty ka tsy ho tratry ny fahalovana intsony; ary hovana isika.
53 Ka ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana.
54 Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: Noresena ny fahafatesana ka levona!
55 Azia ny fandresenao, ry fahafatesana? Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana?
56 Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan'ny fahafatesana, ary ny lalana no hery ahombiazan'ny fahotana.
57 Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika!
58 Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin'ny fanompoana ny Tompo.
Toko faha-16
1 Momba ny famoriam-bola atao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin'ny Fiangonana rehetra any Galatia.2 Isan'alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin'ny fahatongavako.
3 Ary rehefa tonga aho, dia izay olona sitrakareo no hirahiko sy hampombaiko taratasy mba hitondra ny fanomezanareo hankany Jerosalema.
4 Raha ilaina moa ny handehanako any, dia hiara-dia izahay.
5 Hankaty aminareo aho rehefa avy niteny an'i Masedonia (fa hitety io faritany io aho).
6 Angamba hitoetra maharitra eo aminareo aho na handany ny ririnina mihitsy aza; ka dia ianareo no hamatsy ahy sy hanatitra ahy any amin'izay toerana tokony halehako.
7 Fa tsy mikasa hitsidika anareo mandalo fotsiny aho, satria manantena hitoetra eo aminareo fotoana maharitraritra raha sitrapon'ny Tompo.
8 Kanefa mbola hijanona eto Efeso aho mandra-piavin'ny Pentekosta;
9 satria varavarana lehibe no misokatra ho ahy hahazoako miasa tsara eto, na dia maro aza ny mpanohitra.
10 Rehefa tonga i Timoty, dia mba ataovy izay hahatsapany fa tsara fandray azy ianareo; satria miasa tahaka ahy koa izy amin'ny asan'ny Tompo.
11 Aoka mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Omeo vatsy izy ary atero mba ho tonga soa aman-tsara aty amiko, fa miandry azy aho sy ireo havana iray finoana eto.
12 Fa i Apolao havantsika kosa dia nampirisihiko matetika hankaty aminareo miaraka amin'ny havana sasany iray finoana; saingy tsy tiany hatao mihitsy izany ankehitriny, fa ho avy ihany izy rehefa misy hahafahany.
13 Miambena ianareo, mamahara tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
14 Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.
15 Fantatrareo ry i Stefanasy mianakavy: ireo no kristianina voalohany tany Akaia sady nanokan-tena hanampy ny vahoakan'Andriamanitra. Mangataka anareo aho, ry havako,
16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny mbamin'izay rehetra miara-miasa sy miara-misasatra aminy.
17 Mahafaly ahy ny fahatongavan'i Stefanasy sy i Fortnato ary i Akaiko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo.
18 Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.
19 Manao veloma anareo ireo Fiangonana aty amin'ny faritany Azia. Noho isika tafaray amin'ny Tompo, dia manao veloma anareo i Akoila sy i Prisila mbamin'ny Fiangonana mivory ao an-tranony.
20 Manao veloma anareo ireo havana rehetra iray finoana eto. Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana.
21 Soratanako izao teny izao: Veloma, hoy i Paoly.
22 Raha misy tsy manam-pitiavana ny Tompo, aoka izy ho voaozona! Marana tha Avia, ry Tomponay o!
23 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!
24 Momba anareo rehetra izay tafaray amin'i Kristy Jesoa ny fitiavako!
2 Kôrintianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto mbaminareo vahoakan'Andriamanitra rehetra manerana an'i Akaia aho. Mamangy anareo koa i Timoty havantsika.2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
3 Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra.
4 Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany.
5 Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy.
6 Raha ampahorina izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay.
7 Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.
8 Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay.
9 Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty.
10 Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany,
11 satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.
12 Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin'izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin'ny fahatsorana sy hitsimpo nomen'Andriamanitra; satria ny fahasoavan'Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren'olombelona.
13 Ka izay soratanay amin'ny taratasinay dia izay vakinareo sy azonareo tsara. Ary manantena aho fa araka ny efa fantapantatrareo ihany ankehitriny, dia ho fantatrareo tanteraka izao zavatra izao: amin'ny andro hiavian'i Jesoa Tompo, dia ho reharehanareo izahay toy ny maha reharehanay anareo.
15 Natoky izany tokoa aho, ka dia nikasa ho aty aminareo tam-boalohany mba hahazoanareo soa indroa miantoana.