Levitîka

Toko faha-14

14 Hangalan'ny mpisorona ny ran'ilay sorom-panonerana mba hanentenany an'ilay diovina: dia hatentiny eo amin'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany.

15 Hangalan'ny mpisorona koa ny menaka antsasa-litatra, ka haidiny eo am-pelatanany havia;

16 ary hatsobony amin'io menaka izay eo am-pelatanany ankavia io ny fanondrony ankavanana ka hanaovany famafazana impito eo anatrehan'ny TOMPO.

17 Avy eo dia mbola io menaka am-pelatanany io no hanentenany an'ilay diovina; dia hatentiny eo amin'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany, dia eo amin'ireo faritra efa notentenana ny ran'ilay sorom-panonerana.

18 Ny menaka sisa eo am-pelatanan'ny mpisorona kosa hararany amin'ny lohan'ilay diovina; ary dia eo anatrehan'ny TOMPO no hanaovany ny fombam-pivavahana fanadiovana azy.

19 Izay ny mpisorona vao hanolotra ny sorona fanalana ny ota sy hanao indray ny fombam-pivavahana fandiovana ho an'ilay diovina ho afaka amin'ny fahalotoany. Aorian'izany, dia hamono ny zanakondrilahy hatao sorona dorana manontolo ny mpisorona

20 sy hanolotra azy eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra lafarinina, ary hanao fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an'ilay diovina, dia ho voadio tokoa izy.

21 Raha mahantra ilay marary hoditra ka tsy misy harena firy ananany, dia ireto avy ny zavatra hoentiny: zanakondrilahy iray monja hatao sorom-panorenana ka hahevaheva eo anatrehan'ny Tompo no fanolotra azy mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana; koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja telo kilao; menaka antsasa-litatra;

22 domohina roa na voromahailala roa, arakaraka izay hareny ananany, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo.

23 Amin'ilay andro fahavalo, dia hoentin'ilay marary hoditra ho any amin'ny mpisorona ireo zavatra ireo mba hanaovana ny fanadiovana azy eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, eo anatrehan'ny TOMPO.

24 Dia horaisin'ny mpisorona ilay zanakondrilahy hatao sorom-panonerana sy ilay menaka antsasa-litatra, ka hahevahevany eo anatrehan'ny TOMPO no ho fomba fanolotra an'ireo.

25 Hovonoin'ny mpisorona io zanakondrilahy sorom-panonerana io, dia hangalany ny rany mba hanentenany an'ilay diovina dia hatentiny eo amin'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany.

26 Avy eo dia hisy haidin'ny mpisorona eo am-pelatanany ankavia ny menaka;

27 ary amin'io menaka am-pelatanany io no hakany amin'ny fanondrony ankavanana ka hanaovany famafazana impito eo anatrehan'ny TOMPO.

28 Hotentenan'ny mpisorona amin'io menaka io koa ilay diovina, ka hatentiny eo amin'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany, dia eo amin'ireo faritra efa notentenana ny ran'ilay sorom-panonerana.

29 Ny menaka sisa eo am-pelatanan'ny mpisorona kosa hararany amin'ny lohan'ilay diovina mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana azy eo anatrehan'ny TOMPO.

30 Dia horaisin'ny mpisorona ny iray amin'ny domohina na ny iray amin'ny voromahailala, arakaraka izay hareny ananan'ilay olona diovina,

31 ka hatolony ho sorona fanalana ny ota; ny anankiray kosa hatolony ho sorona dorana manontolo miaraka amin'ny fanatitra lafarinina. Dia eo anatrehan'ny TOMPO no hanaovan'ny mpisorona fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an'ilay olona.

32 Ireo no fepetra momba ny marary hoditra eo amin'ny fanadiovana azy, raha tsy misy harena firy ananany.

33 Dia niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO nanao hoe:

34 Rehefa tafiditra any amin'ny tany Kanahana izay omeko ho fanananareo ianareo ka misy trano hasiako pentina bobongolo eo amin'ny tany fanananareo,

35 dia handeha ny tompontrano hilaza izany amin'ny mpisorona ka hanao hoe: 'Toa hitako misy pentina miseho ao amin'ny tranoko.'

36 Alohan'ny hidiran'ny mpisorona hizaha ilay pentina, dia hasainy hesorina avokoa ny entana ao an-trano, mba tsy hisy zavatra haloto amin'ireo entana ireo; izay vao hiditra ny mpisorona mba hizaha ilay trano.

37 Rehefa voazahany kosa ny pentina, ka hitany fa mihady lavaka maitsomaitso na menamena eo amin'ny rindrina,

38 dia hivoaka ny trano hihoatra ny tokonam-baravarana izy mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha mandritra ny fito andro.

39 Amin'ny andro fahafito no hiverina ao indray ny mpisorona mba hizaha ny trano; raha hitany fa manitatra eo amin'ny rindrina ilay pentina,

40 dia hasainy hesorina ireo vato misy izany, ka hariana amin'izay toerana maloto fanariana azy any ivelan'ny tanana;

41 ary hasainy hokikisana ny ati-trano manontolo, ka ny tany voakiky dia hariana koa amin'ilay toerana maloto fanariana azy any ivelan'ny tanana.

42 Vato hafa kosa no halaina hasolo ilay teo, ary feta hafa no halaina handalorana ny trano indray.

43 Raha tahiny mipoitra eo amin'ny trano indray ny pentina bobongolo, taty aorian'ny nanesorana ireo vato ireo sy nikikisana ny rindrina ary nandalorana azy indray,

44 dia ho tonga ny mpisorona mba hizaha ilay trano. Raha hitany fa nanitatra tokoa ny pentina, dia bobongolo raiki-tampisaka, ka maloto ilay trano.

45 Ary horavana izany, dia ny vato mbamin'ny hazo ary ny lalotra manontolo ka hoentina ireo rehetra ireo ho amin'ilay toerana maloto fanariana azy any ivelan'ny tanana.

46 Izay miditra ao amin'izany trano izany mandritra ny fe-potoana manontolo ilazana azy hoe hihidiany, dia haloto mandra-paharivan'ny andro;

47 izay mandry ao na misakafo ao dia samy hanasa ny fitafiany.

48 Rehefa tonga tokoa ny mpisorona mba hizaha ilay trano, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny pentina, taty aorian'ny nandalorana azy indray, dia hambarany hoe madio ilay trano satria efa afaka ny pentina bobongolo.

49 Mba hanadiovana ny trano, dia ireto avy no zavatra hampanalain'ny mpisorona: vorona roa, hazo sedera, lamba jaky ary rantsana hisopa.

50 Ny vorona anankiray dia hovonoiny eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano.

51 Horaisiny kosa ny hazo sedera, ny rantsana hisopa, ny lamba jaky, ary ilay vorona velona, ka samy hatsobony ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina sy ao anatin'ilay rano avy amina loharano, ka hanaovany famafazana impito amin'ilay trano.

52 Ny ran'ilay vorona, ny rano avy amina loharano, ilay vorona velona, ny hazo sedera, ny rantsana hisopa, ny lamba jaky: ireo rehetra ireo no hanadiovan'ny mpisorona izany trano izany.

53 Ilay vorona velona kosa halefany hisidina any an-tsaha, any ivelan'ny tanana. Ary hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an'ny trano izy, ka hadio izany.

54 Ireo avy no fepetra momba ny aretin-koditra isan-karazany sy ny kimavo,

55 mbamin'ny mamontsina sy ny manakopery ary ny pentina fotsy mangirana, na momba ny pentina bobongolo amin'ny fitafiana sy amin'ny trano.

57 Ireo fepetra ireo no ahazoana mamantatra hoe maloto na madio ny olona na zavatra anankiray.

Toko faha-15

1 Dia niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Izay lehilahy voan'ny aretina misy fitsihana eo amin'ny taovam-pilahiana, dia haloton'izany fitsihana izany.

3 Na fitsihana mivoaka ivelany na fitsihana mihandrona anaty, dia samy mahatonga azy maloto.

4 Maloto avokoa ny farafara andrian'io lehilahy io ary maloto avokoa ny zavatra ipetrahany.

5 Izay olona mikasika io farafara nandriany io dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

6 Izay mipetraka amina zavatra nipetrahan'ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

7 Izay mahakasika ny tenan'ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan'ny andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9345