Rômanina

Toko faha-16

26 Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin'ny alalan'ny soratr'ireo mpaminany, araka ny didin'ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an'i Kristy.

27 Eny, ho an'Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen.

1 Kôrintianina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto aho, ary mamangy anareo koa i Sostena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa.

3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa.

5 Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra.

6 Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo,

7 ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

8 Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika.

9 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

10 Ry havako, izao no iangaviako anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika: mifanaraha ianareo rehetra, ary aza mifanao an-kolafiny; aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara.

11 Nisy avy tamin'ny ankohonan'i Kloa manko efa nitatitra tamiko ny aminareo, fa hoe misy adiady eo aminareo.

12 Izao no tiako holazaina: Samy miteny izay teneninareo ianareo, ka ny anankiray manao hoe: Izaho an'i Paoly; ary hoy kosa ny anankiray: Izaho an'i Apolao; misy kosa manao hoe: Izaho an'i Petera; ary hoy indray ny hafa: Izaho an'i Kristy.

13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy? I Paoly ve no voahombo teo amin'ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no nanaovana batisa anareo?

14 Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio.

15 Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin'ny anarako.

16 (Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan'i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.)

17 Izaho manko tsy nirahin'i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin'ny fahendren'olombelona asehon'ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana.

18 Eny, ny fitoriana momba an'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

19 Fa izao no ambaran'ny Soratra Masina: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, holaviko ny fahaizan'ny mahay.

20 Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalana? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy efa nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?

21 Fa ny fahendren'olombelona dia tsy nahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra na dia teo amin'izay nihariharian'ny fahendren'Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak'Andriamanitra ho tamin'ny alalan'ny hafatra miendrika fahadalana izay torinay no hamonjena ny olona izay mino.

22 Eny, mitaky famantarana avy amin'Andriamanitra ny Jiosy, ary ny Grika mitady fahendrena;

23 izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torinay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena.

24 Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra;

25 satria izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.

26 Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson'Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana.

27 Kanefa izay noheverin'izao tontolo izao ho adala no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin'izao tontolo izao ho osa no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka;

28 ary izay noheverin'izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin'Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon'izao tontolo izao ho zavatra,

29 mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.

30 Fa nataon'Andriamanitra tafaray amin'i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan'Andriamanitra ary anafahan'Andriamanitra antsika amin'ny fahotana.

31 Noho izany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, izay mirehareha, dia ny nataon'ny Tompo no aoka hireharehany.

Toko faha-2

1 Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin'Andriamanitra, dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga.

2 Teo aminareo aho dia ninia tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazofijaliana.

3 Izany no nahatonga ahy ho osa sy natahotra ary nangovitra teo anoloanareo;

4 ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny lahateny mampiaiky volana araka ny fahendren'olombelona, fa tamin'ny fandresen-dahatra araka ny herin'ny Fanahy Masina.

5 Ka dia tsy fahendren'olombelona fa herin'Andriamanitra no iorenan'ny finoanareo.

6 Fahendrena no torinay amin'ny kristianina efa matotra ara-panahy. Saingy tsy ilay fahendren'izao tontolo izao na ny an'ireo mpifehy an'izao tontolo izao, izay olona voalahatra ho ringana.

7 Fa ny torinay kosa dia fahendrena miafina ao amin'Andriamanitra: fahendrena izay takona amin'ny olombelona, kanefa voatendrin'Andriamanitra talohan'ny nisian'izao tontolo izao mba hahazoantsika voninahitra.

8 Tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ireo mpifehy an'izao tontolo izao; satria raha mba nahafantatra izany izy ireo, dia tsy ho nampanombo ny Tompo be voninahitra teo amin'ny hazofijaliana.

9 Saingy izao no voalazan'ny Soratra Masina: Zavatra tsy mbola hitan'olona maso na ren'ny sofiny na tafiditra tao am-pony akory, no efa nomanin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.

10 Izahay kosa no nanehoan'Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza.

11 Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin'ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon'ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin'Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon'Andriamanitra.

12 Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen'Andriamanitra anay.

13 Ary tsy teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin'ny Fanahin'Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin'Andriamanitra io no anazavanay ny zavatra ampitain'ny Fanahin'Andriamanitra.

14 Fa ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain'izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahafantarana izany.

15 Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra kanefa tsy azon'olona tsaraina.

16 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Iza moa no mahafantatra ny fisainan'ny Tompo, ka ho afaka hanolo-tsaina Azy? Fa izahay kosa dia manana ny fisainan'i Kristy!

Toko faha-3

1 Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina.

2 Dia ronono no namahanako anareo fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola nozakanareo. Na ankehitriny izao aza, dia tsy mbola zakanareo

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9161