RĂ´manina

Toko faha-11

3 Tompo o, ireo mpaminaninao novonoiny, ireo alitaranao noravany; ary izaho irery no sisa tavela, nefa dia fofoiny ho faty.

4 Inona kosa no avalin'Andriamanitra an'i Elia? Efa nanokana fito arivo lahy ho Ahy Aho, dia ireo tsy nandohalika tamin'ny sampy Bahala.

5 Toy izany koa ary amin'izao ankehitriny izao. Misy olom-bitsy sisa tavela, izay voafidy noho ny fahasoavan'Andriamanitra.

6 Ary raha noho ny fahasoavana, dia tsy avy amin'ny asa vitan'ny olona; fa raha avy amin'ny asa vitan'ny olona, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.

7 Ahoana ary? Tsy nahazo izay nokatsahiny akory ny vahoaka Israely, fa ireo voafidin'Andriamanitra no nahazo izany. Nohamafisina kosa ny fon'ny hafa rehetra,

8 araka izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nomen'Andriamanitra fanahy mahadonto izy ireo ka ny masony tsy mahita ary ny sofiny tsy mandre mandraka androany.

9 Hoy koa i Davida hoe: Ho fandrika sy ho tonta h oazy ireo anie ny sakafony, ary ho fandavoana sy ho famaizana azy.

10 Ho rakotry ny haizina anie ny masony ka tsy hahita; ary ho vokoka lalandava anie ny lamosiny!

11 Manontany ary aho hoe: Sao solafaka ny Jiosy, ka lavo tsy ho tafarina intsony? Sanatria izany! Fa ny hadisoan'ny Jiosy no ahazoan'ny hafa firenena ny famonjena mba hahavelom-pialonana ny Jiosy.

12 Koa raha ny fahadisoan'ny Jiosy aza tonga harena ara-panahy ho an'izao tontolo izao, ary ny fietreny tonga harena ara-panahy ho an'ny hafa firenena, vao mainka fa ny fiverenany tanteraka amin'ny famonjena!

13 Aminareo hafa firenena dia izao kosa no teniko: araka ny maha apostolin'ny hafa firenena ahy, dia hajaiko ny asa fanompoana nankinina tamiko;

14 sao mba hahavelom-pialonana ireo havako ara-nofo, ka hahavonjeko ny sasany amin'izy ireo.

15 Nony nailika ry zareo, dia voavitrana ny fihavanan'izao tontolo izao amin'Andriamanitra. Ka raha voaray indray ry zareo, inona no hitranga? Ny fiainana ho an'ireo efa maty!

16 Raha voatolotra ho an'Andriamanitra ny santatry ny mofo, dia Azy koa ny mofo rehetra. Raha voatokana ho an'Andriamanitra ny foto-kazo, dia Azy koa ny rantsany rehetra.

17 Ny vahoaka Israely dia toy ny hazo oliva voakolokolo, izay nanesorana rantsana sasantsasany. Fa ianao hafa firenena kosa dia toy ny rantsan'ny hazo oliva dia, izay natao grefy amin'ny hazo oliva voakolokolo, ho solon'ireo rantsana nesorina ireo; ary manjary iombonanao ilay fototra feno tsiron-tany ao amin'ny hazo oliva voakolokolo.

18 Koa aza mirehareha amin'ireo rantsana nesorina ireo ianao. Fa raha mirehareha aza ianao, tsy ianao no mitondra ny foto-kazo, fa ny foto-kazo no mitondra anao.

19 Hoy angaha ianao hoe: Nisy rantsana nesorina mba hanaovana grefy ahy!

20 Marina izany! Nesorina izy ireny noho ny tsy finoana. Kanefa aza miavonavona, fa matahora.

21 Andriamanitra tsy nitsimbina an-dry zareo Jiosy izay tena rantsana, ka tsy hitsimbina anao koa.

22 Jereo ary fa sady mora fo Andriamanitra no sarotiny: sarotiny amin'izay lavo Izy, fa mora fo aminao kosa raha mitoetra ao amin'ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy mitoetra ao ianao, dia hoesorina koa.

23 Fa raha miala amin'ny tsy finoana ry zareo Jiosy, dia hatao grefy indray, satria vitan'Andriamanitra ny manao grefy azy indray.

24 Eny, raha ianao hafa firenena aza, nesorina tamin'ny hazo oliva dia, ka natao grefy amin'ny hazo oliva voakolokolo izay tsy nipoiranao; mainka fa ireo Jiosy, tena rantsan'ilay hazo oliva voakolokolo, no hatao grefy indray amin'ny hazo oliva nipoirany.

25 Izao tsiambaratelo izao, ry havako, dia tiako ho fantatrareo tokoa, fandrao hihevi-tena ho hendry ianareo: misy mafy fo ny sasany amin'ny vahoaka Israely, mandrapiditry ny hafa firenena rehetra amin'ny famonjena.

26 Toy izany no hahavonjy an'i Israely manontolo araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Hiainga avy ao Tsiona ny mpanafaka, dia hanala ny haratsiam-panahy amin'ny taranak'i Jakoba.

27 Izany no fanekempihavanana hataoko aminy, rehefa voaesotro ny fahotany.

28 Raha ny amin'ny Vaovao Mahafaly, dia fahavalon'Andriamanitra ny Jiosy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa, dia malalan'Andriamanitra izy ireo noho ny amin'ny razany.

29 Satria tsy anenenan'Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavany sy ny fiantsoany.

30 Fa ianareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa nahazo famindrampo kosa ankehitriny noho ny tsy faneken'ny Jiosy.

31 Toy izany koa: tsy manaiky an'Andriamanitra ny Jiosy ankehitriny, mba hahazoany famindrampo koa any aoriana any noho ny famindrampo azonareo.

32 Eny, nohidin'Andriamanitra tanatin'ny tsy fanekena avokoa ny olon-drehetra mba hanehoany famindrampo amin'izy rehetra.

33 Endrey tsy hita pesimpesenina ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Endrey tsy takatry ny saina ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! Ka hoy ny Soratra Masina hoe:

34 Iza no mahalala ny hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?

35 Iza no nanome zavatra Azy voalohany mba handray valiny avy aminy?

36 Fa Izy no iavian'ny zavatra rehetra, Izy no mihazona azy, ary Izy no iafarany. Ho Azy mandrakizay anie ny voninahitra! Amen.

Toko faha-12

1 Ry havana, satria efa nanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an'Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.

2 Aza miray lasitra amin'izao tontolo izao; fa meteza hovan'Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.

3 Noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy, dia izao lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena, araka ny anjara finoana nomen'Andriamanitra azy avy.

4 Eny, ao amin'ny vatana iray, dia misy zavatra maro anisan'izany vatana izany kanefa tsy mitovy asa avokoa ireo.

5 Dia toy izany koa: na maro aza isika, dia vatana iray ihany noho isika tafaray amin'i Kristy, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan'ireo zavatra anisan'ny vatana iray ihany.

6 Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin'ny finoana.

7 Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra.

8 Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.

9 Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahala ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.

10 Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin'ny fifanajana.

11 Mazotoa fa aza malaina.

12 Aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

13 Mifalia amin'ny fanantenana, mandraisa anjara amin'ny fanampiana ireo sahirana amin'ny samy vahoakan'Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

14 Miraria soa an'izay manenjika anareo; miraria soa fa aza manozona.

15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, miaraha mitomany amin'izay mitomany.

16 Miraisa hina; aza matimatim-boninahitra fa ny fanetren-tena ankamamiana. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9574