RĂ´manina

Toko faha-15

9 Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.

10 Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe: Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo, ry hafa firenena!

11 Ary koa hoe: Derao ny Tompo, ry firenena rehetra; ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!

12 Ary hoy indray i Isaia hoe: Ho avy ilay solofon'i Jisay, dia ilay hitsangana hifehy ny firenena: Izy no hitokian'ireo firenena!

13 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina!

14 Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.

15 Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy;

16 fa izaho dia natokan'Andriamanitra ho mpanompon'i Kristy Jesoa eo amin'ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin'ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin'Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin'Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan'ny Fanahy Masina.

17 Koa satria tafaray amin'i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin'ny asa ataoko ho an'Andriamanitra.

18 Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain'i Kristy tamin'ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an'Andriamanitra: dia izay notontosain'i Kristy tamin'ny teny sy asa,

19 tamin'ny herin'ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin'ny faritany Iliria.

20 Ary tamin'izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin'izay toerana tsy mbola nandrenesan'olona ny momba an'i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin'ny fototra nataon'ny sasany,

21 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita; ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!

22 Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy ho tonga hatraty aminareo.

23 Ankehitriny anefa, tsy misy raharaha mitana ahy amin'ireto faritany ireto intsony, sady naniry hankaty aminareo hatramin'ny taona maro aho.

24 Koa manantena aho fa amin'ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin'io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.

25 Izao anefa aho dia hankany Jerosalema hitondra fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any.

26 Fa sitraky ny any Masedonia sy Akaia ny namory vola hanasoavana ireo mahantra amin'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema.

27 Eny, sitrapony tokoa izany, sady adidiny amin'ireo mahantra ireo: satria ny kristianina jiosy tany Jerosalema dia nizara ny harena ara-panahy nananany tamin'ireo hafa firenena; ka adidin'ny kristianina hafa firenena kosa ny manompo azy ireo amin'ny harena ara-nofo.

28 Koa rehefa vitako io raharaha io ary voatolotro ny vokatr'izany famoriam-bola izany, dia hiainga ho any Espaina aho ka handalo aty aminareo.

29 Ary fantatro fa rehefa mankaty aminareo aho, dia ho tonga miaraka amin'ny fitahian'i Kristy feno dia feno.

30 Noho ny amin'i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin'ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin'Andriamanitra ho ahy.

31 Mivavaha mba hahafahako amin'ny tanan'ny tsy mpino any Jodea ary mba hankasitrahin'ny vahoakan'Andriamanitra ilay fanampiana hoentiko any Jerosalema.

32 Ary dia ho faly tonga aty aminareo aho, raha sitrak'Andriamanitra izany, ka hiala sasatra eo afovoanareo.

33 Homba anareo rehetra anie ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana! Amen.

Toko faha-16

1 Anafatrafarako anareo fa i Feba havantsika, diakonin'ny Fiangonana any Senkrea.

2 Noho ianareo tafaray amin'ny Tompo, dia raiso tsara izy araka izay mendrika ny samy vahoakan'Andriamanitra, ary ampio amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy rahateo dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako manokana aza.

3 Veloma any amin-dry i Prisila sy i Akoila, mpiara-miasa tamiko teo amin'ny fanompoana an'i Kristy Jesoa.

4 Nanao vy very ny ainy hamonjena ahy izy mivady, ary tsy izaho ihany no misaotra azy roa fa ny Fiangonana rehetra any amin'ny hafa firenena koa.

5 Veloma any amin'ny Fiangonana mivory ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay kristianina voalohany tany Azia.

6 Veloma any amin'i Maria izay nisahirana fatratra ho anareo.

7 Veloma any amin-dry i Andronika sy i Jonia havako niara-nigadra tamiko, izay sady tsara laza eo amin'ireo apostoly no tonga kristianina talohako aza.

8 Veloma any amin'i Ampliato malalako, izay tafaray amin'ny Tompo.

9 Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa taminay teo amin'ny fanompoana an'i Kristy, ary koa any amin'i Staky malalako.

10 Veloma any amin'i Apela, mpiasa azo antoka amin'ny fanompoana an'i Kristy. Veloma any amin'ny ankohonan'i Aristobola.

11 Veloma any amin'i Herodiona havako. Veloma any amin'ireo tafaray amin'ny Tompo ao amin'ny ankohonan'i Narsisy.

12 Veloma any amin-dry i Trifena sy i Trifosa izay misahirana ho an'ny Tompo. Veloma any amin'i Persida malala izay nisahirana fatratra ho an'ny Tompo.

13 Veloma any amin'i Rofosy, izay namiratra tokoa tamin'ny fanompoana ny Tompo, ary any amin'ny reniny izay reny ho ahy koa.

14 Veloma any amin'i Asinkrito, i Flegona, i Hermesy, i Patroba, i Herma, mbamin'ny havana mpino miaraka amin'izy ireo.

15 Veloma any amin'i Filologo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny, ary i Olimpa, mbamin'izay rehetra vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'izy ireo.

16 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana. Manao veloma anareo avokoa ny Fiangonan'i Kristy.

17 Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin'ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin'ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny.

18 Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin'ny toy ireny, fa izay danin'ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an'ireo tso-po.

19 Efa malaza amin'ny olona rehetra manko fa manaiky an'i Kristy ianareo; ary faly aminareo aho, ka ny iriko ho toetranareo dia izao: ho kinga raha ny amin'ny tsara ary tsy hiray petsapetsa amin'ny ratsy.

20 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an'i Satana eo ambany tongotrareo! Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompontsika!

21 Manao veloma anareo i Timoty mpiara-miasa amiko; manao veloma anareo i Losio sy i Jasona ary i Sosipatera izay samy havako.

22 Noho isika tafaray amin'ny Tompo, izaho Tersy izay nanao an-tsoratra ity taratasy ity dia manao veloma anareo.

23 Manao veloma anareo i Gaio, ilay mampiantrano ahy sady ivorian'ny Fiangonana manontolo. Manao veloma anareo i Erasta mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanana; ary manao veloma anareo i Koarta havantsika.

24 Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.]

25 Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra toriko momba an'i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin'Izy Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9219