1 Kôrintianina
Toko faha-5
10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.11 Fa izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'olona mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny; aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin'ny kristianina toy izany.
12 Tsy anjarako ny hanafay an'izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Esory aminareo ilay olon-dratsy.
Toko faha-6
1 Raha misy aminareo manana fifanolanana amin'ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin'ny olona tsy mpino fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra?2 Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan'Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra.
3 Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao!
4 Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan'ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara?
5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan'ny samy kristianina?
6 Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan'ny tsy mpino?
7 Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana?
8 Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.
9 Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin'olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy,
10 na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
11 Tahaka izany taloha ny sasany taminareo; saingy efa voasasa ho afaka tamin'ny fahotana ianareo, efa voatokana ho an'Andriamanitra ary efa nekeny ho marina tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitsika.
12 Azoko atao ny zavatra rehetra, hoy aho, kanefa tsy dia ary mahasoa avokoa. Azoko atao ny zavatra rehetra, hoy aho, kanefa tsy misy na inona na inona avelako hanandevo ahy.
13 Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina, hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan'Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an'ny fijangajangana fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tenantsika.
14 Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ary isika koa dia hatsangany ho velona araka ny heriny.
15 Tsy fantatrareo ve fa anisan'ny tenan'i Kristy ny tenanareo? Ka dia hoesoriko ve ny anisan'ny tenan'i Kristy hatao ho anisan'ny tenan'ny vehivavy mpijangajanga? Sanatria!
16 Sa tsy fantatrareo fa ny lehilahy mikambana amin'ny vehivavy mpijangajanga dia iray tena aminy? Hoy manko ny Soratra Masina: Ho tena iray izy roroa.
17 Fa izay mikambana amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
18 Andosiro ny fijangajangana! Ny fahotana hafa rehetra ataon'ny olona dia ivelan'ny tenany avokoa; fa izay mijangajanga kosa dia manao fahotana mihatra amin'ny tenany.
19 Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin'Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo,
20 fa novidin'Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ny tenanareo.
Toko faha-7
1 Ary ny amin'ireo anton-javatra nanoratanareo tamiko dia izao: Tsara ny tsy anambadian'ny lehilahy.2 Kanefa, noho ny fijangajangana mananontanona, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.
3 Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin'ny vadiny, ary toy izany koa ny vehivavy amin'ny vadiny.
4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa an'ny lahy izany; toy izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa an'ny vavy izany.
5 Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin'ny vanim-potoana ifanarahanareo hatokana ho an'ny fivavahana; avy eo dia miraisa indray, sao tsy mahafehy tena ianareo ka halain'i Satana fanahy.
6 Saingy tsy mandidy anareo aho milaza izany fa mamela malalaka.
7 Satriko ho tahaka ahy avokoa ny olona; kanefa moa samy manana ny fanomezam-pahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao.
8 Fa hoy aho amin'ny olona tsy manambady sy ny vehivavy mpitondratena: tsara ho anareo ny mitoetra ho tokan-tena tahaka ahy.
9 Kanefa raha tsy mahafehy tena ianareo, dia manambadia; fa aleo manambady toy izay maimay.
10 Ny kristianina manambady kosa, dia izao no andidiako azy (tsy izaho fa ny Tompo): aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin'ny vadiny;
11 fa raha sendra misaraka amin'ny lahy izy, dia aoka tsy hanambady intsony, na aoka hody amin'ny vadiny. Ary ny lehilahy kosa, aoka tsy hanary vady.
12 Ary amin'ireo sisa dia izao no teniko (izaho fa tsy ny Tompo): raha misy lehilahy kristianina manambady vehivavy tsy mpino, ka te hiara-mitoetra aminy ravehivavy, dia aoka izy tsy hanary an-dravehivavy;
13 ary raha misy vehivavy kristianina manambady lehilahy tsy mpino, ka te hiara-mitoetra aminy ralehilahy, dia aoka izy tsy hanary an-dralehilahy.
14 Fa ny lahy tsy mpino dia atokan'Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina; ary ny vavy tsy mpino dia atokan'Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina. Raha tsy izany, dia ho tsy mpino ny zanak'izy roa, kanefa izao dia voatokana ho an'Andriamanitra.
15 Fa raha ilay tsy mpino kosa no te hisaraka amin'ny vadiny kristianina, dia aoka izy hisaraka. Amin'izany, dia malalaka ny lafiny kristianina, na ny lahy na ny vavy, satria efa nantsoin'Andriamanitra ho velona finaritra isika.
16 Ahoana moa no ahafantaranao, ramatoa, na hahavonjy ny vadinao tsy mpino ianao na tsia? Ary ahoana moa no ahafantaranao, andriamatoa, na hahavonjy ny vadinao tsy mpino ianao na tsia?
17 Ankoatra izany, aoka samy hitondra tena araka izay anjara nomen'ny Tompo azy avy, sy araka izay niantsoan'Andriamanitra azy avy. Izany rahateo dia fepetra ataoko ho an'ny Fiangonana rehetra.
18 Olona voafora ve no nantsoin'Andriamanitra? Aoka izy tsy hanafoana izany famantarana izany; olona tsy voafora kosa ve no nantsoin'Andriamanitra? Aoka izy tsy hoforana.
19 Tsinontsinona ny hoe voafora ary tsinontsinona koa ny hoe tsy voafora fa ny fanatanterahana ny didin'Andriamanitra no tena zavatra.
20 Aoka samy hipetraka amin'izay toetra nisy azy avy fony nantsoin'Andriamanitra.
21 Mpanompo ve ianao fony nantsoin'Andriamanitra? Aoka tsy hampaninona anao ny maha mpanompo; kanefa raha misy ahafahanao miavotra, aleo hararaotina izany.
22 Fa ny olona mpanompo voaantso ho tafaray amin'ny Tompo dia nafahan'ny Tompo tamin'ny fahotana; ary ny olona tsy mpanompo voaantso ho tafaray amin'i Kristy dia mpanompon'i Kristy.
23 Novidin'Andriamanitra lafo ianareo mba ho fananany; noho izany, aza mety handevozin'olona.
24 Ry havako, eo anatrehan'Andriamanitra dia aoka samy hipetraka amin'izay toetra nisy azy avy fony nantsoina.
25 Ary ny amin'ny olona tsy manambady, dia tsy nahazoako didy avy amin'ny Tompo; fa manolotra ny hevitro kosa aho, toy ny olona efa nahazo famindrampo tamin'ny Tompo ka azo itokiana.
26 Izao ary no hevitro: noho ny fahasahiranana ankehitriny dia tsara ny tsy manambady; eny, tsara ho an'ny olona ny toy izany.
27 Lehilahy efa manambady ve ianao? Aza mitady izay hisarahana. Lehilahy tsy mbola manambady ve ianao? Aza mitady vady.