1 Kôrintianina

Toko faha-7

28 Kanefa, tsy manota ianao raha manambady. Ary raha manambady tovovavy, dia tsy manota; saingy ny manambady dia tsy ilaozam-pijaliana amin'ny fiainana andavanandro, ka tiako tsy hiharan'izany ianareo.

29 Izao no teniko, ry havako: Efa fohy ny andro, ka amin'izao sisa izao, dia aoka ireo manambady ho toy ny tsy manambady;

30 ireo mitomany dia aoka ho toy ny tsy mitomany; ireo mifaly dia aoka ho toy ny tsy mifaly; ireo mividy zavatra dia aoka ho toy ny tsy manan-javatra;

31 ireo fatra-pikirakira ny zavatr'izao tontolo izao dia aoka ho toy ny tsy mikirakira izany, fa mihelina ny endrik'izao tontolo izao.

32 Tiako ho afaka amin'ny fanahiana ianareo. Ny lehilahy tokan-tena dia miahy ny raharahan'ny Tompo, manao izay hahafaly ny Tompo.

33 Fa ny lehilahy manambady kosa dia miahy ny raharahan'izao tontolo izao, manao izay hahafaly ny vadiny,

34 ka dia miroa fo. Ary ny vehivavy tokan-tena sy ny virijiny dia miahy ny raharahan'ny Tompo, hany ka voatokana ho Azy Tompo vatana amam-panahy. Fa ny vehivavy manambady kosa dia miahy ny raharahan'izao tontolo izao, manao izay hahafaly ny vadiny.

35 Ny hahasoa anareo no ilazako izany: tsy hoe hamela-pandrika aminareo, fa hanaovanareo ny mendrika sy hifikiranareo amin'ny Tompo tsy misy manembantsembana.

36 Izao kosa ny amin'ireo efa mpifamofo talohan'ny nahatonga azy ho kristianina. Raha miredareda-paniriana razazalahy, ka mihevitra fa tsy hahafehy tena manoloana ny fofombadiny ary mihevitra fa tokony hotanterahina ny raharaham-panambadiana, dia aoka ilay tovolahy hanao izay iriny fa tsy manota izy amin'izany: aoka hifanambady izy roa!

37 Kanefa raha tapa-kevitra tao am-pony razazalahy fa hanaja ny fofombadiny, ka tsy nisy nanery azy tamin'izany fa tena safidiny malalaka no nahatapa-kevitra azy tao am-pony, dia tsara ny ataony.

38 Koa tsara ny ataon'ilay tovolahy mampakatra ny fofombadiny; fa tsaratsara kokoa ny ataony tsy mampakatra ny fofombadiny.

39 Ny vehivavy manambady dia voafehy amin'ny vadiny raha mbola velona ralehilahy; fa raha maty kosa izy, dia mahazo manambady izay tiany ravehivavy, saingy tsy maintsy ho lehilahy kristianina.

40 Kanefa, araka ny hevitro, sambatra kokoa ravehivavy raha mitoetra amin'izao. Ary ataoko fa manana ny Fanahin'Andriamanitra koa aho.

Toko faha-8

1 Momba ny hena natao sorona tamin'ny sampy dia izao: Fantatsika fa samy manana fahalalana daholo isika. Saingy ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana kosa mampandroso amin'ny finoana.

2 Raha misy mihevi-tena ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany azy akory izy.

3 Fa izay manam-pitiavana an'Andriamanitra kosa dia fantatr'Andriamanitra.

4 Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin'ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.

5 Na dia misy aza izay atao hoe andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro,

6 amintsika kosa tokana ihany Andriamanitra, dia ny Ray Izy niavian'ny zavatra rehetra sady iafarantsika; ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesoa Kristy Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika.

7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona. Ny sasany, zatra nanatona ny sampy taloha, dia voarohin'izany mandraka ankehitriny, ka homana ny hena toy ny zavatra natao sorona tamin'ny sampy; osa ny fieritreretany, ka dia voaloton'izany hanina izany.

8 Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony.

9 Tandremo anefa ny fahafahanareo sao dia mitarika ny malemy ara-pinoana amin'ny fahotana.

10 Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan'ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin'ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin'ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin'ny sampy?

11 Ka verin'ny fahalalanao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan'i Kristy ny ainy.

12 Raha manota toy izany amin'ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan'izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo.

13 Koa raha izay hanina ary no hitarika ny havako amin'ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin'ny fahotana.

Toko faha-9

1 Tsy olona afaka ve aho? Tsy apostoly ve aho? Tsy efa nahita an'i Jesoa Tompontsika ve aho? Tsy vokatry ny asako amin'ny fanompoako ny Tompo ve ianareo?

2 Na dia tsy apostoly aza aho ho an'ny sasany, dia apostoly tokoa ho anareo. Satria noho ianareo tafaray amin'ny Tompo, dia ianareo mihitsy no porofon'ny maha apostoly ahy.

3 Izao no avaliko an'ireo izay mitsikera ahy:

4 Moa tsy zonay ve ny mandray izay hohanina sy hosotroina avy aminareo?

5 Moa tsy zonay ve ny mitondra vehivavy kristianina toy ny ataon'ireo apostoly sy ny rahalahin'ny Tompo ary i Petera?

6 Sa izahay sy i Barnaba no hany tsy manan-jo hamela ny asa fivelomana?

7 Iza no miaramila hianto-tena rehefa miantafika? Iza no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny vokatr'izay namboleny? Iza no mpiandry ondry aman'osy tsy mivelona amin'ny rononon'ny biby andrasany?

8 Tsy hoe araka ny fiheveran'ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalanan'i Mosesy koa aza dia milaza izany.

9 Fa izao no voasoratra ao amin'io lalana io: Aza fehezina ny vavan'ny omby mively vary. Moa dia ny omby ve no ahin'Andriamanitra,

10 sa noho ny aminay indrindra no ilazany an'izany? Eny, noho ny aminay no nanoratana izany: ny mpiasa tany sy ny mpively vary manko dia samy tsy maintsy manatontosa ny asany amim-panantenana ny anjarany avy.

11 Raha namafy taminareo ny soa avy amin'ny Fanahy Masina izahay, moa tafahoatra raha mba mijinja ny anjaranay amin'izay fanananareo ara-nofo?

12 Raha ny olon-kafa aza manana izany zo izany, tsy mainka ve fa izahay? Kanefa tsy nampiasa izany zo izany izahay, fa dia nihafy tamin'ny zavatra rehetra, mba tsy hisakantsakanana ilay Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy.

13 Tsy fantatrareo ve fa ireo manao ny raharaha masina ao an-tempoly dia mahazo hanina avy amin'ny zavatry ny tempoly, ary ireo miasa eo amin'ny alitara fisoronana dia mahazo anjara avy amin'ny zavatra atao sorona?

14 Toy izany koa no nameperan'ny Tompo fa izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana avy amin'izany asa izany.

15 Raha izaho anefa dia tsy nampiasa velively ireny zoko ireny; ary tsy hitaky ny hampiharana azy amiko no anoratako ny amin'izany. Fa aleoko maty toy izay... Tsy ekeko hofoanan'olona ny reharehako!

16 Tsy hoe ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly no ireharehako; adidy napetraka amiko izany ka lozako raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho.

17 Raha safidim-poko no anaovako izany, dia tokony hahazo valisoa aho; fa raha baiko no anaovako izany, dia andraikitra nankinin'Andriamanitra tamiko.

18 Inona ary no mba valisoa azoko? Dia izao: afa-manolotra maimaimpoana ny Vaovao Mahafaly izay toriko aho, ka tsy mampiasa ny zo omen'ny Vaovao Mahafaly.

19 Olona tsy mpanompon'iza na iza tokoa aho, kanefa dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra hahazoako maro araka izay tratra.

20 Tamin'ireo Jiosy, dia nanao tahaka ny Jiosy aho hahazoako azy ireo; na dia olona tsy fehezin'ny lalanan'i Mosesy intsony aza aho, dia nanao tahaka ireo fehezin'ny lalana hahazoako azy ireo.

21 Tamin'ireo tsy mahalala ny lalanan'i Mosesy, dia nanao tahaka ireo tsy mahalala io lalana io aho hahazoako azy ireo; tsy hoe tsy fehezin'ny lalanan'Andriamanitra aho, fa manoa ny lalanan'i Kristy.

22 Tamin'ireo malemy finoana, dia nanao tahaka ny malemy aho hahazoako azy ireo. Amin'ny olona rehetra, dia efa tonga zavatra rehetra aho hamonjeko mihitsy ny sasany.

23 Izany rehetra izany dia ataoko noho ny Vaovao Mahafaly mba hahatonga ahy ho mpiombona anjara amin'ny soa ampanantenainy.

24 Tsy fantatrareo ve fa ny mpihazakazaka eo amin'ny kianja fifaninanana dia samy mihazakazaka daholo, nefa tokana ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo loka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9388