1 Kôrintianina

Toko faha-3

3 noho ianareo mbola fehezin'ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin'ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr'olombelona?

4 Raha hoy ny anankiray hoe: Izaho an'i Paoly, ary hoy kosa ny anankiray hoe: Izaho an'i Apolao, moa tsy ny fanaon'olombelona ve no ataonareo?

5 Fa inona moa i Apolao, ary inona moa i Paoly? Mpanompon'Andriamanitra fotsiny izahay, ka nahatonga anareo ho mpino samy araka izay nomen'ny Tompo hataonay avy:

6 izaho moa namboly, ary i Apolao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka.

7 Tsy izay mamboly na izay manondraka no tena zavatra, fa Andriamanitra Izay mampitsimoka.

8 Mitovy ihany izay mamboly sy izay manondraka; ary samy homen'Andriamanitra ny valisoa tandrify azy arakaraka ny fisasarany avy.

9 Fa izahay dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary ianareo no sahan'Andriamanitra. Trano aorin'Andriamanitra koa ianareo.

10 Araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy, dia nametraka ny fototra toy ny mpita-marika mahay aho; ary olon-kafa no mandrafitra eo ambonin'izany. Kanefa aoka samy hitandrina tsara ny fomba andrafetany;

11 satria tsy misy mahazo mametraka fototra hafa, ankoatra ilay efa eo, dia i Jesoa Kristy.

12 Ny arafitra eo ambonin'izany fototra izany dia mety ho volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka, na mololo;

13 kanefa dia hiseho ny asan'ny tsirairay amin'ilay andro fitsarana izay hampiharihary izany. Fa amin'ny afo no hisehoan'izany andro izany, ka dia hosedrain'io afo io ny asa vitan'ny tsirairay hahitana izay hamafiny.

14 Raha asa mahatanty afo moa no narafiny teo ambony fototra, dia handraisany valisoa.

15 Raha asa kilan'ny afo kosa, dia hahafaty antoka azy; kanefa ny tenany dia hovonjena ihany, saingy toy ny namakivaky afo.

16 Tsy fantatrareo ve fa tempolin'Andriamanitra ianareo ary ao aminareo ny Fanahin'Andriamanitra?

17 Raha misy olona manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra koa. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary ianareo no tempoliny!

18 Aoka tsy hisy hamita-tena. Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry araka ny filamatr'izao tontolo izao, aoka hanjary adala izy mba ho hendry.

19 Fa ny fahendrena araka ny filamatr'izao tontolo izao dia fahadalana eo imason'Andriamanitra; satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny hafetsen'ny olon-kendry no amandrihan'Andriamanitra azy;

20 ary izao koa: Fantatry ny Tompo ny fisainan'ny olon-kendry fa zava-poana izany.

21 Noho izany, aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany. Fa anareo ny zavatra rehetra,

22 na i Paoly, na i Apolao, na i Petera, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;

23 ianareo kosa an'i Kristy, ary i Kristy an'Andriamanitra.

Toko faha-4

1 Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra.

2 Ny hany takina amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky.

3 Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko.

4 Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy.

5 Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

6 Ry havako, nampihariko tamin'ny tenako sy tamin'i Apolao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan'ilay ohabolana hoe: Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra. Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin'olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa.

7 Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin'ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin'Andriamanitra? Ary raha nandray tamin'Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?

8 Efa tapi-java-nirina ianareo, efa manankarena, tonga mpanjaka, saingy toa tsy noho ny nataonay! Satriko ho tonga mpanjaka tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo.

9 Noheveriko fa izahay apostoly dia nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny mihitsy: mova tsy olona voaheloko ho faty ampahibemaso ka natao ho fizahan'izao tontolo izao na anjely na olona.

10 Izahay moa adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo kosa hendry satria tafaray amin'i Kristy; izahay osa, fa ianareo kosa matanjaka; izahay tsy misy hajany, fa ianareo kosa heni-boninahitra.

11 Mandraka ankehitriny, dia mijalin'ny hanoanana sy hetaheta izahay; tsy manan-kitafy, velesina, tsy manana antom-ponenana.

12 Miasa mafy izahay mba hahavita tena; raha ozonin'olona, dia mirary soa; raha enjehina, dia miaritra;

13 raha endrikendrehina, dia mamaly teny malefaka. Mova tsy tonga fakofakon'izao tontolo izao sy faraidin'ny olona rehetra izahay, mandraka ankehitriny.

14 Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo.

15 Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin'izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin'i Kristy Jesoa tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.

16 Koa miangavy anareo aho: manahafa ahy.

17 Noho izany, dia alefako aty aminareo i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky amin'ny fanompoana ny Tompo. Izy no hampahatsiaro anareo ireo lalana nodiaviko nahatafaray ahy amin'i Kristy Jesoa, araka izay ampianariko amin'ny Fiangonana rehetra hatraiza hatraiza.

18 Nisy manko taminareo nirehareha hoatra ny tsy ho tonga hitsidika anareo iny aho.

19 Kanefa ho avy faingana hitsidika anareo aho, raha sitrapon'ny Tompo; ary tsy izay tenin'ireo mpirehareha no hofantariko fa izay zavatra vitany.

20 Ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy teny foana fa hery mahavita zavatra.

21 Ka asa izay tianareo: ho avy hitsidika anareo aho, ka tsorakazo ve no hoentiko sa fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy?

Toko faha-5

1 Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin'ny hafa firenena akory aza: misy anankiray ainareo manambady renikely.

2 Nefa ianareo mbola mirehareha ihany. Tsy tokony ho feno alahelo ve ianareo, ka ilay lehilahy namoafady nahavita izany dia ho nakifakareo tsy ho eo aminareo?

3 Fa izaho, na dia lavitra anareo am-batana aza, dia akaikinareo am-panahy; ka tamin'ny anaran'i Jesoa Tompontsika no nitsarako sahady an'ilay namoa-tsampona. Raha hivory ianareo ka ho tafaraka aminareo am-panahy aho, dia homba antsika ny herin'i Jesoa Tompontsika:

5 koa atolory an'i Satana izany lehilahy izany, mba horavana ny maha olona mpanota azy ka hovonjena ny fanahiny amin'ilay andro hiavian'ny Tompo.

6 Tsy mety ve ny fireharehanareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo?

7 Esory io leviora tranainy io, izany hoe ny fahotana, mba ho madio tokoa ianareo; dia ho tonga koba vaovao tsy misy leviora, satria izany rahateo ianareo. Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin'ny Paska ho antsika:

8 ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy.

9 Tao amin'ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin'ny olona mpijangajanga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9137