RĂ´manina

Toko faha-12

17 Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin'iza na amin'iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason'ny olona rehetra.

18 Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

19 Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.

20 Fa raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany.

21 Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Toko faha-13

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin'Andriamanitra avokoa.

2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manda ny fandaharan'Andriamanitra; ary izay manda dia mihantsy fanamelohana ho an'ny tenany.

3 Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin'ny manampahefana.

4 Satria mpanompon'Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon'Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran'Andriamanitra izy amin'ny fanasaziana ny mpanao ratsy.

5 Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran'Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon'ny fieritreretana koa.

6 Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan'Andriamanitra mitozo amin'io asa io.

7 Aloavy amin'ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin'izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin'izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.

8 Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalana.

9 Satria ny hoe aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.

10 Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalana.

11 Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika.

12 Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao ary ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava.

13 Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana.

14 Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filandratsy.

Toko faha-14

1 Raiso ny malemy finoana, fa aza melohina ny heviny.

2 Misy manana finoana matotra ka mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana ka tsy mihinana afa-tsy zavamaniry.

3 Izay mihinana ny zavatra rehetra, aoka tsy hanamavo izay mifady ny sasany; ary izay mifady kosa, aoka tsy hanameloka izay mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.

4 Fa iza moa ianao no manameloka ny mpanompon'olon-kafa? Na mijoro izy na lavo, dia raharahan'ny tompony ihany izany. Hijoro anefa izy satria mahay mampijoro azy ny Tompo.

5 Misy indray manavakavaka ny andro, misy kosa manao ny andro rehetra ho mitovy: aoka samy hatoky tsara ny ao amin'ny sainy avy.

6 Izay mitandrina ny andro, dia ho an'ny Tompo no itandremany izany; izay mihinana, dia ho an'ny Tompo no ihinanany, satria misaotra an'Andriamanitra koa izy.

7 Fa tsy misy amintsika velon-ko an'ny tenany ary tsy misy maty ho an'ny tenany.

8 Eny, velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; maty isika, dia maty ho an'ny Tompo: koa na velona isika na maty, dia mbola an'ny Tompo ihany.

9 Satria maty i Kristy dia velona indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona.

10 Ianao kosa, nahoana no melohinao ny namanao? Ary ianao, nahoana no hamavoinao ny namanao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra,

11 satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, dia handohalika eo anatrehako ny olombelona rehetra ary hiloa-bava avokoa hiaiky Ahy ho Andriamanitra!

12 Noho izany, dia samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenantsika avy isika.

13 Aoka mba tsy hifampitsara intsony ary isika. Fa aoka ianareo ho tapa-kevitra hanao izay tsy hahasolafaka ny namana amin'ny ratsy na izay tsy hitaomana azy amin'ny fahotana.

14 Tafaray amin'i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto fotsiny amin'izao, fa izay heverin'ny olona ho maloto no maloto aminy.

15 Raha miteraka alahelo ho an'ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbanao amin'ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy.

16 Aoka tsy hampiteny ratsy ny sasany izay heverinao ho soa ho anao.

17 Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakan'Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin'ny Fanahy Masina.

18 Ka izay manompo an'i Kristy araka izany no sitrak'Andriamanitra sady ankatoavin'ny olombelona.

19 Izay mampitombo ny fiadanana ary no aoka hokatsahintsika, mbamin'izay ifanampiantsika hiorina amin'ny finoana;

20 fa aza izay sakafo no handravanao ny asan'Andriamanitra. Eny, madio ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin'ny ratsy izany.

21 Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin'ny ratsy.

22 Tano ho anao eo anatrehan'Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy melohin'ny eritreriny amin'ny zavatra ankatoaviny.

23 Fa izay miahanahana dia melohin'Andriamanitra, raha mihinana, satria tsy vokatry ny finoana no ihinanany. Fa izay rehetra tsy vokatry ny finoana dia fahotana avokoa.

Toko faha-15

1 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.

2 Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana.

3 Satria i Kristy koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.

4 Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina.

5 Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa.

6 Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

7 Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.

8 Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9507