RĂ´manina

Toko faha-9

6 Tsy milaza anefa aho fa foana ny tenin'Andriamanitra saingy izao: tsy izay rehetra nipoitra avy amin'i Israely no tena vahoaka Israely,

7 ary tsy izay rehetra zanak'i Abrahama no tena taranany, fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe: Avy amin'i Itsehaka no hiantsoana taranaka ho anao!

8 Izany hoe: tsy ireo zanaka teraka ara-nofo no tena zanak'Andriamanitra, fa ireo zanaka teraka araka ny fampanantenan'Andriamanitra no heverina ho tena taranaka.

9 Satria toy izao ny teny fampanantenana: Raha avy taona toy izao, dia hiverina aho ka hahazo zazalahy i Sara!

10 Ary tsy izany ihany fa tokana ny rain'ireo zanakalahin'i Rebeka, dia i Itsehaka razantsika.

11 Andriamanitra anefa, mba haharetan'ny fikasany, dia mifidy olona; ary ny fifidianana dia tsy miankina amin'ny asa vitan'ny olona fa miankina amin'ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Koa tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo ary tsy mbola nanao tsara na nanao ratsy, dia izao no tenin'Andriamanitra tamin'i Rebeka: Ny zokiny no hanompo ny zandriny!

13 Izany dia araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: I Jakoba no tiako, fa i Hesao nailiko.

14 Inona ary no holazaintsika? Misy zavatra tsy ara-drariny ve ao amin'Andriamanitra? Sanatria izany!

15 Fa izao no lazain'Andriamanitra amin'i Mosesy: Hamindra fo amin'izay tiako hamindrana fo aho; ary hiantra an'izay tiako hiantrana!

16 Koa tsy izay fanirian'ny olona na izay fiezahany no ahazoany famindrampo fa Andriamanitra no mamindra fo aminy.

17 Ao amin'ny Soratra Masina dia hoy Andriamanitra amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, hoe: Izao no antony nanandratako anao ho mpanjaka, dia ny mba hanehoako ny heriko ao aminao ary mba hanambarana ny anarako eran'ny tany tontolo.

18 Koa izay tian'Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.

19 Hisy angamba hilaza amiko hoe: Raha izany no izy, inona no mbola anomezan'Andriamanitra tsiny ny olona? Iza moa no mahatohitra ny sitrapony?

20 Fa mba iza anefa ianao, ry olombelona, no mifamaly amin'Andriamanitra? Moa ve ny zavatra vita tamin'ny tanimanga hanao amin'ny mpanefy azy hoe: Nahoana no toy izao no nanefenao ahy?

21 Sa tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga ve ny mpanefy? Moa tsy azony anaovana zavatra samihafa ve ny vongan-tanimanga anankiray: ka ny zavatra iray, fanaka mihaja; ny zavatra iray kosa, fanaka tsotsotra?

22 Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan'ny fahatezerany sy tokony hosimbana.

23 Izany no ampahafantaran'Andriamanitra fa be voninahitra Izy ka manan-karena ho antsika izay fanaka amindrany fo sady efa voaomany rahateo hahazo voninahitra.

24 Isika manko dia nantsoin'Andriamanitra, tsy avy tamin'ny Jiosy ihany fa avy tamin'ny hafa firenena koa,

25 araka ny lazainy ao amin'ny bokin'i Hosea mpaminany hoe: Ilay tsy vahoakako dia hantsoiko hoe vahoakako; ary ilay tsy malalako dia hantsoiko hoe malalako.

26 Ary eo amin'ny toerana nilazana taminy hoe: 'tsy vahoakako ianareo', dia eo indrindra no hiantsoana azy hoe: 'zanak'Andriamanitra velona'.

27 Ary i Isaia mpaminany dia miantsoantso ny amin'i Israely hoe: Na dia mifanisa amin'ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin'izy ireo ihany no hovonjena;

28 satria hampiharin'ny Tompo tanteraka sy haingana eto ambonin'ny tany ny teniny.

29 Ary izany dia araka izay voalazan'i Isaia taloha hoe: Raha tsy ny Tompon'izao rehetra izao no namela taranaka ho antsika, dia ho efa sahala amin'i Sodoma isika ary ho efa nanahaka an'i Gomora.

30 Inona ary no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena tsy nitady ho marina teo anatrehan'Andriamanitra no neken'Andriamanitra ho marina noho ny finoana;

31 fa ny vahoaka Israely, izay nitady lalana hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra, dia tsy tody tamin'izay nokendren'ny lalana.

32 Inona no antony? Satria tsy tamin'ny finoana fa tamin'ny asa vitany no heveriny hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra. Ka dia solafaka tamin'ny vato mahasolafaka ny vahoaka Israely,

33 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiona; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.

Toko faha-10

1 Ry havana, ny irin'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.

2 Vavolombelona ny aminy aho fa feno zotom-po ho an'Andriamanitra izy rehetra saingy zotom-po tsy ombam-pahalalana.

3 Tsy nahalala ny fahamarinana omen'Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin'ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen'Andriamanitra.

4 Eny, lany andro ny lalana nony tamy i Kristy hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.

5 Izao no voasoratr'i Mosesy momba ny fahamarinana avy amin'ny lalana: Ny olona manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.

6 Fa izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin'ny finoana: Aza manao anakampo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny mba hampidina an'i Kristy izany).

7 Na hoe: Iza no hidina any amin'ny hantsana? (dia ny mba hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty).

8 Fa inona no voalaza? Izao: Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao. Izany no teny momba ny finoana, izay torinay.

9 Satria raha manaiky ampahibemaso amin'ny vavanao ianao fa Tompo i Jesoa, ary mino ao am-ponao fa nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty Andriamanitra, dia ho voavonjy.

10 Mino ao am-po manko ny olona mba hoeken'Andriamanitra ho marina, ary manaiky ampahibemaso amin'ny vava, mba hahazoany famonjena.

11 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.

12 Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy.

13 Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.

14 Hataon'ny olona ahoana ary no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny?

15 Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly tonga hanambara teny soa!

16 Tsy ary nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaia hoe: Tompo o, iza no nino ny hafatra nambaranay?

17 Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy.

18 Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon'ireo mpitory, ary nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny teniny!

19 Dia mbola nanontany aho hoe: Sao tsy azon'ny vahoaka Israely ny filazana? Valin'izany, dia i Mosesy aloha no milaza hoe: Hataoko velom-pialonana an'izay tsy firenena ianareo, hoy Andriamanitra; ary hataoko mirehi-pahatezerana amin'izay firenena tsy manan-tsaina!

20 Fa i Isaia aza dia sahy milaza hoe: Nanaiky ho hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, hoy Andriamanitra, ary niseho niharihary tamin'izay tsy nanontany Ahy.

21 Ny amin'i Israely kosa dia hoy i Isaia hoe: Tontolo andro no nanolorako tanana izay vahoaka sady tsy manaiky no mikomy.

Toko faha-11

1 Manontany ary aho hoe: Sao narian'Andriamanitra ny vahoakany? Sanatria izany! Fa izaho koa mbaIsraelita, taranak'i Abrahama sady anisan'ny fokon'i Benjamina!

2 Tsia, Andriamanitra tsy nanary ny vahoakany, izay efa nofidiny rahateo. Ataoko fa fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina ao amin'ny tantaran'i Elia, fony i Elia nitaraina tamin'Andriamanitra ny amin'i Israely nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0793