RĂ´manina
Toko faha-7
20 Kanefa raha ny tsy sitrako no tanterahiko, dia tsy izaho intsony no manao azy fa ny fahotana izay monina ato anatiko.21 Izao toe-javatra izao ary no tsapako: na sitrako aza ny hanao ny tsara, dia ny ratsy no mahazo laka ao amiko.
22 Fa raha ny ao anatiko ao, dia mahafinaritra ahy ny lalanan'Andriamanitra;
23 nefa misy toe-javatra hafa hitako ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako, dia toe-javatra manohitra ny lalana ankatoavin'ny saiko sady toe-javatra mahatonga ahy ho voafatotry ny fanapahan'ny fahotana izay miasa ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako.
24 Indrisy olona fadiranovana aho! Iza no hanafaka ahy amin'ity tenako izay mampirona ahy amin'ny fahafatesana ity?
25 Kanefa isaorana Andriamanitra Izay hanafaka ahy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Koa manompo ny lalanan'Andriamanitra izany aho amin'ny saiko, fa andevozin'ny fanapahan'ny fahotana kosa amin'ny maha olona mpanota ahy!
Toko faha-8
1 Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa.2 Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana.
3 Satria izay tsy vitan'ny lalanan'i Mosesy, noho ny lalana nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.
4 Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takin'ny lalana amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina.
5 Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina.
6 Satria ny fironan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa ny fironan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny fiadanana.
7 Ny fironan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalanan'Andriamanitra akory.
8 Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.
9 Ianareo kosa, tsy anjakan'ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan'ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy an'i Kristy.
10 Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken'Andriamanitra ho marina ianareo.
11 Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin'ilay Andriamanitra nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty, dia Izy nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin'ny alalan'ilay Fanahiny monina ao anatinareo.
12 Koa amin'izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin'ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota.
13 Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan'ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo.
14 Eny, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15 Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak'Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe: Raiko o!
16 Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain'Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin'i Kristy: satria raha miara-mijaly amin'i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.
18 Heveriko fa tsy mendrika hoharina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao.
19 Fa tsindrian-daona ery ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany.
20 Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana:
21 Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra.
22 Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza.
23 Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika.
24 Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany?
25 Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.
26 Toy izany koa no anampian'ny Fanahy Masina antsika amin'ny halementsika. Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento tsy hay ambara amin-teny.
27 Ary Andriamanitra mahita ny ao am-po no mahalala izay fironan'ny Fanahy Masina, satria araka izay irin'Andriamanitra no ivavahan'ny Fanahy Masina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.
28 Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.
29 Satria izay nofidin'Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin'ilay Zanany, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.
30 Izay voatendrin'Andriamanitra rahateo dia nantsoiny koa; izay nantsoiny dia nekeny ho marina koa; ary izay nekeny ho marina dia nomeny voninahitra koa.
31 Koa inona ary no mbola holazaintsika eo anoloan'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32 Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin'ny Zanany koa?
33 Iza no hiampanga ireo olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina!
34 Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!
35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana?
36 Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana tontolo andro; toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!
37 Amin'izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin'ny alalan'Ilay efa tia antsika.
38 Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
39 na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.
Toko faha-9
1 Noho izaho tafaray amin'i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin'ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko2 fa mafy ny alaheloko ary tsy mitsahatra ny fahorian'ny foko;
3 eny, satriko mihitsy aza ny ho voaozon'Andriamanitra ka ho tafasaraka amin'i Kristy, hanasoavako ireo iray firazanana amiko, havako ara-nofo.
4 Izy ireo no Israelita: natsangan'Andriamanitra ho zanany ary nonenan'ny voninahiny, manana ireo fanekempihavanana sy ny lalana mbamin'ny fombam-pivavahana sy ireo fampanantenana;
5 ary koa manana ny razana niavian'i Kristy ara-nofo, dia i Kristy Ilay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra ankalazaina mandrakizay. Amen!