RĂ´manina

Toko faha-5

14 Na izany aza anefa, hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy dia efa nanjaka ny fahafatesana, na dia tamin'ireo tsy nanota toraka ny nataon'i Adama izay nandika ny didin'Andriamanitra aza. Ary i Adama dia tandindon'Ilay ho avy.

15 Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan'i Adama sy ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana. Niharan'ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan'ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an'ny besinimaro tao tamin'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.

16 Ary tsy tahaka ny vokatry ny fahotana vitan'i Adama ny vokatry ny fanomezana atolotr'Andriamanitra: ny hadisoan'ny olona anankiray notsaraina dia nahatonga fanamelohana; fa ny fanomezana atolotr'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia nahatonga ny hadisoana maro havela tanteraka.

17 Eny, tamin'ny alalan'ny olona anankiray ary noho ny hadisoan'io olona iray io no nanjakan'ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin'Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin'Andriamanitra sy ampanjakainy tamin'ny alalan'ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.

18 Koa ny hadisoana vitan'olona iray, dia i Adama, no nahavoaheloka ny olona rehetra; toy izany koa ny asa marina vitan'olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nahatonga ny olona rehetra hovotsorana tanteraka sy hahazo fiainana.

19 Noho ny olona anankiray tsy nanaiky an'Andriamanitra, dia nanjary mpanota ny besinimaro; toy izany koa, noho ny olona anankiray nanaiky an'Andriamanitra, dia hanjary olo-marina eo imason'Andriamanitra ny besinimaro.

20 Ny lalana no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin'izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana.

21 Koa tahaka ny nanjakan'ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan'ny fahasoavan'Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

Toko faha-6

1 Inona ary no holazaintsika? Hitoetra ao amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin'ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin'ny fahotana ihany?

3 Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin'ny fahafatesany?

4 Koa tamin'ny alalan'ny batisa dia niombona amin'ny fahafatesan'i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty noho ny herin'Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin'ny fiainam-baovao.

5 Koa raha fahafatesana mifanahaka amin'ny an'i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin'ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy.

6 Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain'ny fahotana ka tsy ho mpanompon'ny fahotana intsony isika;

7 satria izay maty dia afaka amin'ny fangejan'ny fahotana.

8 Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa:

9 ary fantatsika fa tsy maty intsony i Kristy rehefa nitsangana velona avy tany amin'ny maty: tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10 Satria maty Izy, dia indray mandeha monja, noho ny amin'ny fahotana; ary izao Izy velona izao kosa, dia velona ho an'Andriamanitra.

11 Toy izany koa, aoka ianareo hihevitra ny tenanareo ho efa maty raha ny amin'ny fahotana fa velona ho an'Andriamanitra kosa ao amin'i Kristy Jesoa.

12 Noho izany ary, dia aoka tsy havela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny fahotana, ka tsy hanaraka ny filany ianareo.

13 Aoka ny zavatra anisan'ny tenanareo tsy hatolotrareo ny fahotana mba ho fiasana hoentiny hanao ny ratsy. Fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an'Andriamanitra ireo zavatra anisan'ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina.

14 Tsy hanan-kery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany fahefan'ny lalana, fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana.

15 Koa ahoana ary? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan'ny lalana fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina?

17 Isaorana Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo.

18 Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana.

19 Miteny araka ny fiheveran'ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalana ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo saingy ho mpanompon'ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.

20 Fa fony mpanompon'ny fahotana ianareo, dia afaka tamin'ny fifehezan'ny fahamarinana.

21 Inona ary no vokatra azonareo tamin'ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.

22 Ankehitriny anefa, natao afaka tamin'ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny farany.

23 Satria fahafatesana no tambin'ny fahotana, dia ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an'izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

Toko faha-7

1 Izao, ry havana, dia miteny amin'olona mahalala ny lalana aho. Fantatrareo tsara fa raha mbola velona ny olona no fehezin'ny lalana.

2 Ohatra: ny vehivavy manambady dia fehezin'ny lalana mba ho an'ny vadiny, raha mbola velona ny lahy; fa rehefa maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalana mamehy azy amin'ny lahy izy.

3 Koa raha manambady olon-kafa ravehivavy fahavelon'ny lahy, dia atao hoe mpanitsakitsa-bady; fa rehefa maty ny lahy vao afaka amin'ny lalana izy, ka tsy mpanitsakitsa-bady intsony raha manambady olon-kafa.

4 Toy izany koa ianareo, ry havako, tamin'ny alalan'ny tenan'i Kristy dia nanjary maty ianareo raha ny amin'ny lalana mba hanjary ho an'olon-kafa, dia Ilay natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, mba hahavokarantsika asa soa ho an'Andriamanitra.

5 Fa fony isika niaina araka ny naha olona mpanota antsika, dia ny filan'ny fahotana, izay nohetsehin'ny lalana, no niasa tao amin'ireo zavatra anisan'ny tenantsika, mba hahavokarantsika asa mahatonga fahafatesana.

6 Ankehitriny kosa dia afaka amin'ny lalana isika, fa maty tamin'izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an'Andriamanitra fa tsy fomba tranainy araka ny lalana voasoratra.

7 Inona ary no holazaintsika? Fahotana ve ny lalana? Sanatria izany! Nefa tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin'ny alalan'ny lalana. Ohatra: tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho, raha tsy ny lalana no nanao hoe: Aza mitsiriritra.

8 Saingy nohararaotin'ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalana.

9 Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalana, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona,

10 fa izaho kosa maty; hany ka ny didy izay natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana,

11 satria nohararaotin'ny fahotana ny didy hamitahana ahy sy hamonoana ahy.

12 Noho izany, dia masina ny lalana; masina koa ny didy, ary ara-drariny sady tsara.

13 Koa ny zavatra tsara ary ve izany no nahatonga fahafatesana ho ahy? Sanatria! Fa ny fahotana, mba hihariharian'ny maha fahotana azy, no nahafaty ahy tamin'ny alalan'ny zavatra tsara; hany ka ny fahotana dia hita ho tena fahotana hiringiriny, amin'ny alalan'ny didy.

14 Fantatsika tokoa fa ara-panahy ny lalana; izaho anefa dia miaina araka ny maha olona mpanota ahy ary namidy ho andevon'ny fahotana.

15 Tsy fantatro be ihany izay ataoko: tsy izay sitrako no ataoko, fa izay halako no tanterahiko.

16 Raha izay tsy sitrako no tanterahiko, dia miaiky ny lalana ho tsara aho;

17 kanefa tsy izaho intsony no manao ny tsy sitrako, fa ny fahotana izay monina ato anatiko.

18 Satria ny tsara, fantatro fa tsy monina ato anatiko, izany hoe ao amin'ny maha olona mpanota ahy. Mba misy ato amiko ihany ny fikasana hanao ny tsara, fa ny fanatanterahana azy no tsy misy:

19 satria tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0307