RĂ´manina

Toko faha-3

20 Koa tsy misy olombelona hoeken'Andriamanitra ho marina, noho izy manatanteraka ny lalana; fa ny lalana dia miasa hahafantaran'ny olombelona mazava hoe nanota izy.

21 Ankehitriny kosa dia efa nahariharin'Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin'ny lalana velively izany. Ny lalanan'i Mosesy mbamin'ireo bokin'ny mpaminany rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara

22 fa ny finoana niainan'i Jesoa Kristy no haneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin'ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.

23 Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan'izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra.

24 Kanefa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin'ny alalan'ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa.

25 Fa notendren'Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an'ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan'ny olombelona fahiny dia noleferin'Andriamanitra

26 ary tsy nosaziny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken'Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin'izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin'ny finoana niainan'i Jesoa!

27 Koa misy antony hireharehan'ny olona ve? Efa nofoanana izany. Satria nahoana? Noho ny olona manatanteraka ny lalana ve? Tsia, fa noho ny olona manam-pinoana.

28 Miaiky manko isika fa ny olona manam-pinoana no eken'Andriamanitra ho marina, fa tsy izay manatanteraka ny lalana.

29 Sa Andriamanitry ny Jiosy ihany ve Andriamanitra? Moa tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve? Eny, Andriamanitry ny hafa firenena koa Izy,

30 satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa.

31 Moa ve manafoana ny lalana amin'ny alalan'ny finoana isika amin'izany? Sanatria! Vao mainka koa aza manamafy orina ny lalana!

Toko faha-4

1 Inona ary no holazaintsika ho efa notsapan'i Abrahama razambenay Jiosy?

2 Raha ny asa vitan'i Abrahama no naneken'Andriamanitra azy ho marina, dia ho nahazo nirehareha i Abrahama. Tsy izany anefa no toe-javatra eo anatrehan'Andriamanitra.

3 Fa inona tokoa moa no voalazan'ny Soratra Masina? Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!

4 Tsy azo heverina ho fanomezana ny karaman'izay manao ny asa, fa heverina ho toy ny trosa.

5 Izay tsy manao asa nefa mino an'ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina.

6 Toy izany no ilazan'i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran'Andriamanitra azy ho marina:

7 Sambatra ireo navelan'Andriamanitra fahotana sy nofoanany heloka.

8 Sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo heloka!

9 Ho an'iza moa izany fahasambarana izany? Ho an'ny voafora ve sa ho an'ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Ny finoana no nankatoavan'Andriamanitra an'i Abrahama ho marina.

10 Ary ahoana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora;

11 fa ny famorana dia famantarana noraisin'i Abrahama taty aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken'Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain'izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken'Andriamanitra ho marina;

12 sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an'i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

13 Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalana, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany.

14 Raha ny fanatanterahana ny lalana no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka aty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana.

15 Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra ny lalana; ka raha tsy misy ny lalana, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalana.

16 Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalana ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama,

17 araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho. Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy.

18 Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga raim-pirenena maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.

19 Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman'ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin'izay, ary koa raha nandinika an'i Sara vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony.

20 Tsy very finoana ny amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy,

21 sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain'Andriamanitra dia hain'Andriamanitra tanterahina.

22 Izany no nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina.

23 Tsy ho an'i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina,

24 fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an'i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin'ny maty.

25 Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason'Andriamanitra.

Toko faha-5

1 Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

2 Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

3 Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

4 ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana;

5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

6 Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin'Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy.

7 Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy.

8 Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin'Andriamanitra tamin'izany ny fitiavany antsika.

9 Koa, amin'izao isika efa tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra noho ny ra nafoin'i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin'ny alalan'i Kristy tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra.

10 Eny, fony fahavalon'Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan'ny Zanany; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin'Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman'ny Zanany.

11 Tsy izany ihany, fa mirehareha ao amin'Andriamanitra koa isika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao fihavanantsika amin'Andriamanitra izao.

12 Noho ny nataon'ny olona anankiray, dia i Adama, no nidiran'ny fahotana teo amin'izao tontolo izao, sady nidiran'ny fahafatesana koa noho ny fahotana; ary dia nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy nanota izy rehetra.

13 Talohan'ny lalanan'i Mosesy dia efa nisy fahotana teo amin'izao tontolo izao; nefa ny fahotana dia tsy mbola natao hoe fandikana, raha tsy mbola nisy ny lalana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9342