Levitîka

Toko faha-13

22 aorian'izany, raha nanitatra tokoa teo amin'ny hoditra ilay pentina, vao hambaran'ny mpisorona hoe maloto ilay olona fa habokana izany. 23 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona.

24 Raha misy olona main'ny afo eo amin'ny hodiny ka iforonana pentina somary menamena na pentina fotsy mangirana eo amin'ny faritra may,

25 dia hozahan'ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny faritra may izany; ka hambaran'ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana izany.

26 Raha voazahan'ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan'ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.

27 Hozahan'ny mpisorona izy amin'ny andro fahafito; ka raha hitany fa manitatra tokoa ilay pentina teo amin'ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa aretina miendrika habokana izany.

28 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina fotsy teo amin'ny hoditra, fa nihamatromatroka, dia pentina mamontsina eo amin'ny faritra may izany; ary hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona fa holatry ny faritra may ihany izany.

29 Raha misy lehilahy na vehivavy manana fery eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,

30 dia hozahan'ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran'ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka.

31 Raha voazahan'ny mpisorona ilay marary ka hitany fa tsy mandoaka hoditra ny fery nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro.

32 Hozahan'ny mpisorona indray ny fery amin'ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo ary misy volo tomamotamo eo,

33 dia tokony hiharatra ilay marary, saingy ny faritra misy fery tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.

34 Hozahan'ny mpisorona indray izy amin'ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.

35 Fa raha taorian'ny nanambarana an'ilay olona hoe madio no nitaran'ny kimavo teo amin'ny hodiny,

36 dia hozahan'ny mpisorona indray izy; ka raha hitany fa nanitatra tokoa ny kimavo, dia tsy ilaina hitady izay volo tomamotamo intsony ny mpisorona, fa efa maloto ilay olona.

37 Nefa raha tsy miova ny kimavo araka ny fijery azy sady misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kimavo ka madio ilay olona ary hambaran'ny mpisorona hoe madio.

38 Raha misy lehilahy na vehivavy manana pentina mangirana fotsy eo amin'ny hodiny,

39 dia hozahan'ny mpisorona izy; ka raha hitany fa matromatroka ny pentina mangirana eo amin'ny hodi-nofony, dia korofotra mipoipoitra eo izany, ka madio ihany ilay olona.

40 Raha misy lehilahy mihintsana volon-doha ka sola, dia madio ihany izy.

41 Raha ny volon-doha eo anoloana no mihintsana ka mahatonga mazavaray, dia madio ihany izy.

42 Fa raha misy aretin-koditra fotsy somary mena eo amin'ny loha sola na eo amin'ny mazavaray, dia habokana mipoipoitra eo izany.

43 Hozahan'ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin'ny loha sola na eo amin'ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin'ny hodi-nofo,

44 dia lehilahy voan'ny habokana izy, ka maloto; ary hambaran'ny mpisorona hoe maloto izy, satria misy fery eo amin'ny lohany.

45 Ny olona voan'ny aretin-koditra dia hanao fitafiana voatriatra sy hampirakaraka volo ary hisarom-bava sady hiantsoantso hoe: 'Maloto aho! Maloto aho!'

46 Mandritra ny andro rehetra handotoan'ny fery an'ilay olona, dia maloto izy, ka hitoetra mitokana any ivelan'ny toby.

47 Raha misy bobongolo amina fitafiana kiran-drongony na volon'ondry,

48 amina lamba sy akanjoba volon'ondry na kiran-drongony, amina hoditra na fitaovana vita hoditra, dia izao sy izao no hatao.

49 Raha maitsomaitso na menamena ny holatra amin'ireo, dia bobongolo tokony haseho amin'ny mpisorona.

50 Rehefa nozahan'ny mpisorona ilay holatra, dia hatokany toerana mandritra ny fito andro ilay zavatra bobongolo.

51 Amin'ny andro fahafito dia hozahany indray ny holatra, ka raha nitaran'izany ilay fitafiana na lamba na akanjoba na hoditra na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo tsy azo esorina izany ka maloto ilay zavatra voany.

52 Hodoran'ny mpisorona ilay fitafiana na lamba na akanjoba volon'ondry na kiran-drongony na fitaovana vita hoditra. Noho ny bobongolo tsy azo esorina, dia hodorana amin'ny afo ilay zavatra voany.

53 Fa rehefa nozahan'ny mpisorona ka hitany fa tsy nitaran'ny holatra ilay zavatra,

54 dia hasainy hosasana izany ary hatokany toerana indray mandritra ny fito andro.

55 Avy eo dia hozahan'ny mpisorona ny holatra eo amin'ilay zavatra voasasa; ka raha hitany fa tsy niova toetra ny holatra na dia tsy nanitatra aza, dia maloto ilay zavatra voany ka hodorana amin'ny afo, na ny lafitsarany na ny lafiratsiny no voakikin'ny bobongolo.

56 Fa rehefa nozahan'ny mpisorona kosa ka hitany fa nihamatromatroka ny holatra amin'ilay zavatra voasana, dia ny faritra misy holatra fotsiny no hoesoriny aminy.

57 Raha mbola misy holatra miseho indray eo amin'ny fitafiana na lamba na akanjoba na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin'ny afo ilay zavatra voany.

58 Raha misy fitafiana na lamba na akanjoba na fitaovana vita hoditra bobongolo nosasana ka nanjavona ny holatra taminy, dia hosasana fanindroany vao hadio.

59 Ireo no fepetra momba ny bobongolo amina fitafiana volon'ondry na kiran-drongony, amina lamba na akanjoba, ary amina fitaovana vita hoditra; ireo fepetra ireo no ahazoana manambara zavatra hoe madio na maloto.

Toko faha-14

1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

2 Ireto no fepetra momba ny marary hoditra, amin'ny andro fanadiovana azy. Hoentina any amin'ny mpisorona ilay marary hoditra,

3 dia hivoaka ny toby kosa ny mpisorona mba hizaha azy. Raha hitany fa sitrana ny aretin'ilay marary hoditra,

4 dia vorona anankiroa velona sady madio sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisopa no hasain'ny mpisorona halaina ho an'ilay hodiovina.

5 Ny vorona anankiray dia hampamonoin'ny mpisorona eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano;

6 fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin'ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisopa ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina.

7 Dia hofafazana impito amin'izany ra izany ilay diovina ho afaka amin'ny aretin-kodiny, ka hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona.

8 Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin'ny tenany ary handro amin'ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian'izany, kanefa hitoetra eo ivelan'ny tranolainy mandritra ny fito andro.

9 Amin'ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin'ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin'ny rano, dia hadio.

10 Amin'ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.

11 Ny mpisorona, izay mitarika ny fombam-pivavahana fidiovana, dia hametraka ilay olona sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'ny TOMPO, izany hoe eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.

12 Dia haka ny zanakondrilahy iray ny mpisorona, ka hanolotra azy ho sorom-panonerana miaraka amin'ny menaka antsasa-litatra; hahevahevany eo anatrehan'ny TOMPO no ho fomba fanolotra an'ireo.

13 Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin'ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin'ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin'ny sorona fanalana ny ota no fanao amin'ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran'ny mpisorona izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9601