Asan'ny Apôstôly
Toko faha-20
35 Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tsy maintsy mikely aina toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra. Tsarovy ireo tenin'i Jesoa Tompo fa Izy mihitsy no nilaza hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.36 Nony avy niteny izany i Paoly, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37 Nitomany avokoa ireo loholona ary samy namihina an'i Paoly sady nanoroka azy.
38 Nalahelo mafy izy rehetra, indrindra noho ny nilazany hoe: Tsy hahita ahy intsony ianareo. Dia naterin'izy rehetra teny an-tsambo i Paoly.
Toko faha-21
1 Nataonay veloma ireto loholona, ary dia niondrana izahay ka nanitsy nivantana tany Kosy; tonga tany Rodo izahay ny ampitson'iny ary niala tao indray nankany Patara.2 Teo izahay no nahita sambo hiampita ho any Fenisia, ka dia niondrana tamin'io ary lasa nandeha.
3 Nahatsinjo an'i Sipra izahay ary dia nizotra tamin'iny atsimon'ny nosy iny hankany Siria. Nitody tao Tiro izahay fa tao no nametrahan'ny sambo ny entana notateriny.
4 Nahita mpianatra tao izahay ka nijanona herinandro teo aminy. Nohazavain'ny Fanahy Masina ireo mpianatra ireo ka nandrara an'i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema.
5 Nony lany anefa izany herinandro izany, dia lasa nanohy ny dia izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanana izy rehetra ombam-bady aman-janaka; dia niara-nandohalika teo amin'ny torapasika izahay ka nivavaka.
6 Nony vita ny fifanaovam-beloma, dia niondrana izahay; fa ry zareo kosa nandeha nody.
7 Tapitra hatreo ny dianay an-tsambo, fony izahay niala tao Tiro ka tody tany Ptolemaida. Dia niarahaba ny havana iray finoana tao Ptolemaida izahay ka nijanona indray andro teo aminy.
8 Niainga indray izahay ny ampitso ka tonga tany Kesaria; ary dia nandroso tao an-tranon'i Filipo mpitory Vaovao Mahafaly, ka nitoetra teo aminy. I Filipo dia anankiray tamin'ireo fito lahy voafidy tany Jerosalema,
9 ary nanan-janaka efatra mirahavavy, samy mbola mpitovy, izay nanana fanomezam-pahasoavana nilaza hafatra avy amin'Andriamanitra.
10 Efa nitoetra tao andro maro izahay no nidina avy tany Jodea ny mpaminany anankiray, atao hoe Hagabo.
11 Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon'i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon'ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan'ny hafa firenena.
12 Nony nandre izany teny izany izahay sy ny havana iray finoana tao Kesaria, dia niangavy an'i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema.
13 Kanefa dia novaliany hoe: Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr'i Jesoa Tompo.
14 Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe: Hatao anie izay sitraky ny Tompo!
15 Nony afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra hankany Jerosalema.
16 Nisy mpianatra sasany avy ao Kesaria niara-dia taminay ary nitondra anay tao amin'ilay olona tokony hiantranoanay, dia i Menasona avy any Sipra, izay efa mpino hatry ny ela.
17 Nony tonga tao Jerosalema izahay, dia faly nandray anay ny havana iray finoana.
18 Ny ampitso ihany dia niaraka tamin'i Paoly izahay nitsidika an'i Jakoba ary tafavory tao avokoa ny loholom-piangonana.
19 Niarahaba azy rehetra i Paoly ary nitanisa ny asa vitan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanompoany teo anivon'ny hafa firenena.
20 Nony avy nandre izany izy rehetra, dia nanome voninahitra an'Andriamanitra ary nanao tamin'i Paoly hoe: Ry rahalahy, hitanao izao fa an'aliny maro ny Jiosy tonga mpino, kanefa samy fatra-pitandro ny lalana izy rehetra.
21 Ren-dry zareo fa ianao, hono, dia mampianatra ny Jiosy any am-pielezana hihataka amin'ny lalanan'i Mosesy ary mandrara azy ireo tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomban-drazana.
22 Ka inona ary no hatao? Tsy maintsy ho henon-dry zareo fa tonga eto ianao.
23 Koa ataovy izao lazainay aminao izao. Misy olona efa-dahy raiki-boady eto aminay.
24 Aoka ianao hitondra azy efa-dahy ka hiaraka aminy manatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Aloavinao mihitsy aza ny vola mety holaniny hanaratana ny lohany. Dia ho fantatry ny olona rehetra amin'izay fa endrikendrika ranofotsiny izay voalaza ny aminao, satria ianao koa aza dia manaraka sady mitandrina ny lalanan'i Mosesy.
25 Fa ny hafa firenena izay tonga mpino dia efa nanoratanay ny fanapahan-kevitray: tsy hihinana ny hena natao sorona tamin'ny sampy; hifady ny ra; tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary hifady ny fanambadiana tsy ara-dalana.
26 Ny ampitson'iny, dia nitondra azy efa-dahy i Paoly ary niaraka taminy nanatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Avy eo dia nankao an-kianjan'ny tempoly i Paoly ka nanambara ny hahataperan'ny andro fidiovana mba hahazoana manolotra ny fanatitra tandrify azy dimy lahy tsirairay avy.
27 Hitan'ny Jiosy avy amin'ny faritany Azia tao an-kianjan'ny tempoly i Paoly nony efa ho tapitra ny herinandro fidiovana. Nampikotaba ny vahoaka manontolo ireo Jiosy ireo; ka sady nisambotra an'i Paoly
28 no niantsoantso hoe: Ry vahoaka israelita, avia fa inty eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenen'i Israely sy ny lalanan'i Mosesy mbamin'ity tempoly ity. Nampidirany hafa firenena aza ny tempoly ka nataony very hasina ity toeramasina ity.
29 (Niteny izany ry zareo satria hitany tafaraka tamin'i Paoly tao an-tanana i Trofimo izay avy any Efeso; ka noheveriny fa efa notarihin'i Paoly niditra tao an-tempoly).
30 Nisavorovoro ny tanana manontolo, ka indray nirohotra ny olona. Dia nobedain-dry zareo i Paoly ka notaritaritiny ho any ivelan'ny tempoly, ary nohidiny teo no ho eo ihany ireo vavahadin'ny tempoly.
31 Efa ndeha hovonoina i Paoly no nisy nampiaka-teny tany amin'ny komandin'ny andian-tafika romanina, nampandre fa mihotakotaka i Jerosalema iray vohitra.
32 Niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny ity komandy ka nihazakazaka nankany amin'ireo vahoaka. Nahita ny komandy sy ny miaramila ry zareo vao nijanona tsy nikapoka an'i Paoly intsony.
33 Dia nanatona an'i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin'ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: Iza moa io? Ary inona no nataony?
34 Zavatra samy hafa anefa no nantsoantsoin'ny vahoaka. Tsy nahalala izay tena marina ny komandy noho izany fifanjevoana izany, ka dia nanome baiko hitondrana an'i Paoly any amin'ny toby.
35 Nony mby teo amin'ny tohatoha-bato, dia nobetain'ny miaramila i Paoly satria nahery setra ny vahoaka,
36 fa olona marobe no nanaraka sady nihoraka hoe: Vonoy izy e!
37 Nony efa hampidirina tao an-toby i Paoly, dia niteny tamin'ny komandy hoe: Azoko atao ve ny mba milaza zavatra aminao? Dia nanontany azy ilay komandy hoe: Mahay teny grika ve ianao?
38 Tsy ianao izany ilay Ejiptianina nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika mpampihorohoro efatra arivo lahy tany an-taniefitra?
39 Fa novalian'i Paoly hoe: Izaho dia Jiosy, teraka tany Tarsa any Silisia, mba isan'ny mponina ao amin'ny tanana anankiray fanta-daza ihany. Azafady, mba avelao hiteny amin'ny vahoaka aho.
40 Dia navelan'ny komandy hiteny izy. Ary nitsangana teo amin'ny tohatoha-bato i Paoly ka nanofahofa tanana hampangina ny vahoaka. Rehefa nangina tsara izy rehetra dia nitenenan'i Paoly tamin'ny teny aramianina hoe:
Toko faha-22
1 Ianareo havana sy ianareo ray aman-dreny, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny mba hiarovako tena.2 Nony henon'ny olona fa teny aramianina no nitenenan'i Paoly taminy, dia vao mainka nangina izy rehetra. Ary hoy i Paoly:
3 Izaho dia Jiosy teraka tany Tarsa any Silisia, fa nobeazina teto amin'ity tananan'i Jerosalema ity; ny mpampianatra ahy dia i Gamaliela izay nampahalala ahy tsara ny lalanan'ny razantsika. Nafana fo tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra ankehitriny.
4 Nenjehiko nataoko maty aza ireo mpanaraka ny lalana nosoritan'ny Tompo. Nosamboriko na lahy na vavy ka nampidiriko am-ponja.
5 Ny mpisorombe sy ny loholona rehetra no vavolombelona fa marina ny filazako. Taminy manko no nahazoako taratasy ho an'ny Jiosy tany Damasy fony aho nandeha hisambotra ny mpino tao hoentina hofaizina aty Jerosalema.
6 Raha nandeha aho ka mby teo akaikin'i Damasy, dia indro, tampotampoka teo, tokony ho tamin'ny mitataovovonana, nisy hazavana lehibe avy tany an-danitra nanodidina ahy.