Asan'ny Apôstôly
Toko faha-19
26 Kanefa hitanareo sy renareo izay ataon'ity Paoly ity: ambarany fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanan'ny olombelona; ary olona maro no voataonany, tsy eto Efeso ihany, fa saiky manerana an'i Azia.27 Ny loza ahina amin'izany, tsy hoe ny haharatsy laza ny raharahantsika ihany, fa koa ny hanaovana tsinontsinona ny tempolin'i Artemida, andriamanibavy lehibe, ka ho very hasina ilay andriamanibavy ivavahana manerana ny faritany Azia sy izao tontolo izao.
28 Raha nandre izany teny izany ny vahoaka, dia tezitra izaitsizy ka nihorakoraka hoe: Lehibe i Artemida, andriamanitry ny Efesianina!
29 Nitatra eran'ny tanana ny fisavorovoroana. Ary voapaokan'ny olona ry i Gaio sy i Aristarka, lehilahy masedonianina mpiara-dia tamin'i Paoly, ka nentiny niara-nirohotra nankao amin'ny kianja filalaovana teatra.
30 Te hiseho vahoaka i Paoly, nefa tsy navelan'ny mpianatra.
31 Nisy koa lehibem-paritany sasany tany Azia, izay sakaizan'i Paoly, nandrara azy mba tsy hiditra any amin'ny kianja filalaovana teatra.
32 Tamin'izay dia nisy fifanjevoana be tao am-pivoriana: zavatra samy hafa no antsointsoin'ny olona, satria ny ankamaroany tsy mahalala akory izay anton'ny nahatafavory teo.
33 Nisy olona avy amin'ny vahoaka nampahalala ny toe-javatra tamin'i Aleksandra, izay natosiky ny Jiosy hiteny. Nanofahofa tanana hampangina ny vahoaka i Aleksandra ka nikasa hikabary.
34 Kanjo nony nahafantatra ny olona fa hay Jiosy i Aleksandra, dia indray niredona izy rehetra nihorakoraka hoe: Lehibe i Artemida, andriamanitry ny Efesianina! Naharitra tokony ho adiny roa izany horakoraka izany;
35 kanefa nampilamina ny vahoaka ihany ilay mpanoratry ny tanana, ka niteny hoe: Ry Efesianina, fantatry ny olona rehetra fa ny tananan'i Efeso dia mpitahiry ny tempolin'i Artemida lehibe sy ny sariny izay nilatsaka avy tany an-danitra.
36 Tsy azo lavina izany, ka tokony hilamina tsara ianareo fa tsy hanaonao foana.
37 Ireto lehilahy ireto manko dia nentinareo eto, kanefa tsy nandroba tempoly na niteny ratsy ny andriamanibavintsika.
38 Raha manana fiampangana olona hatao i Demetry sy ny mpiasany, dia aoka hampiakatra fitarainana fa misy ny andro voatokana hitsarana ary misy koa ny manampahefana.
39 Ary raha mbola nisy zavatra hafa tianareo haroso, dia hodinihina amin'ny fivoriana ara-dalana izany.
40 Mety hampangaina ho mpikomy isika noho izay nitranga androany; fa tsy misy antony anamarinana izao fivoriana izao ary tsy misy fanazavana mahafa-po azontsika atolotra.
41 Rehefa avy niteny ilay mpanoratry ny tanana, dia nampirava ny olona vory teo.
Toko faha-20
1 Nony nijanona ny tabataba, dia namory ny mpianatra i Paoly ka nanao teny fampaherezana ho azy, ary nanao veloma ka niainga nankany Masedonia.2 Namaky izany faritany izany izy ka nitoriteny imbetsaka nampahery ny mpino;
3 izay vao nankany Gresy ary nitoetra telo volana tany. Efa ndeha hiondrana an-tsambo ho any Siria iny indrindra i Paoly no nahalala fa nioko hamono azy ny Jiosy. Koa tapa-kevitra izy fa hiverina hamaky an'i Masedonia.
4 Niara-dia taminy koa i Sopatera, zanakalahin'i Piro sady avy amin'ny tananan'i Berea, ary koa i Aristarka sy i Sekonda avy any Tesalonika, i Gaio avy any Derba sy i Timoty, i Tisiko sy i Trofimo avy any amin'ny faritany Azia.
5 Nialoha anay anefa izy fito lahy ka niandry tany Troasy.
6 Fa izahay dia tany Filipy no niondrana taorian'ny fankalazana ny Azima, ka nony afaka dimy andro, dia nahatratra azy rehetra tany Troasy izay nitoeranay mandritra ny herinandro.
7 Tafavory izahay rehetra ny asabotsy maty masoandro hiara-mihinana ny sakafo iombonana, ary niteny tamin'ny mpivory i Paoly. Noho izy tsy maintsy handeha ny maraina, dia nitoriteny hatramin'ny sasakalina.
8 Maro jiro ilay efitrano niangonanay tao ambony rihana.
9 Nisy tovolahy atao hoe Eotika, nipetraka teo am-baravarankely. Sondrian-tory mafy izy mandritra ilay toriteny lava nataon'i Paoly, ary renoky ny torimaso ka nianjera tany alatrano, avy teny amin'ny rihana fahatelo. Natraka ilay tovolahy saingy efa maty.
10 Dia nidina i Paoly ary niondrika teo aminy sy nitrotro azy ka nanao hoe: Aza manahy fa velona izy!
11 Dia niakatra indray i Paoly ka nanapaka ny mofo sy nihinana; ary mbola niresaka ela ambara-paharainan'ny andro izy, vao lasa nandeha.
12 Nitondra nody ilay tovolahy efa velona kosa ny olona sady nahazo fampaherezana lehibe.
13 Nialoha izahay fa hiondrana amin'ny sambo hitondra anay mankany Aso, fa any no handraisanay an'i Paoly. Fandaminana nataony izany, satria nikasa handeha an-tanety izy.
14 Nony nahatratra anay tao Aso izy, dia noraisinay an-tsambo ka niainga ho any Mitilena izahay.
15 Niala teo indray izahay ka tonga tandrify an'i Kio ny ampitson'iny; ny afakampitso indray, dia niantsona tao Samo, ary tody tao Mileto ny andro manaraka.
16 Efa nanapa-kevitra manko i Paoly fa holalovany an-tsambo i Efeso mba tsy handaniany andro ao amin'ny faritany Azia. Fa dodona izy ho tody any Jerosalema alohan'ny andro Pentekosta, raha azony atao.
17 Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon'ny Fiangonana.
18 Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe: Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin'ny andro voalohany nahatongavako tamin'ny faritany Azia.
19 Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian'alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan'ny Jiosy hamely ahy.
20 Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notoriko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano.
21 Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin'ny toe-dratsy ka hitodika amin'Andriamanitra sady hino an'i Jesoa Tompontsika.
22 Ary ankehitriny, indro aho teren'ny Fanahy Masina hankany Jerosalema, saingy tsy fantatro izay hanjo ahy any.
23 Izao no hany fantatro: isan-tanana alehako, dia ambaran'ny Fanahy Masina amiko fa fonja amam-pahoriana no miandry ahy.
24 Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin'ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin'i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan'Andriamanitra.
25 Noteteziko avokoa ianareo rehetra ka nitoriako ny Fanjakan'Andriamanitra; fantatro anefa ankehitriny fa tsy hahita ahy intsony ianareo.
26 Koa izao no ambarako aminareo anio: raha toa ka misy aminareo manalavitra an'Andriamanitra, dia anareo ny andraikitra fa afaka adidy aminareo rehetra aho.
27 Tsy nafeniko fa notoriko taminareo avokoa ny fikasan'Andriamanitra.
28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin'ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny ra nafoin-Janany.
29 Fantatro fa rehefa tsy eny intsony aho, dia ho avy eo aminareo ny amboadia masiaka izay tsy hitsimbina ny ondry.
30 Avy eo amin'ny samy ianareo ihany aza no hisy hijoro hilaza lainga mba hitaomany ny mpianatra hanaraka azy.
31 Noho izany, miambena ianareo ka tsarovy fa telo taona maninjitra, tsy niato aho namarafara anareo tsirairay andro aman'alina, eny, tamin-dranomaso aza.
32 Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran'ireo rehetra voatokana ho Azy.
33 Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian'iza na iza notsiriritiko.
34 Fantatrareo fa ireto tanako ireto no niantoka izay nilaiko, ho ahy sy ho an'ny mpiara-dia tamiko.