Asan'ny Apôstôly
Toko faha-16
28 Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe: Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!29 Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin'ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan'i Paoly sy i Silasy.
30 Dia navoakan'ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe: Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?
31 Dia novaliany hoe: Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin'ny ankohonanao!
32 Dia nitorian'i Paoly sy i Silasy ny tenin'ny Tompo ilay mpiambina mbamin'izay rehetra tao an-tranony.
33 Tamin'izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa niaraka tamin'izay izy sy ny ankohonany rehetra.
34 Nentin'ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an'Andriamanitra.
35 Nony maraina ny andro, dia naniraka mpitan-defona ireo mpanao fanjakana romanina hilaza amin'ny mpiambina hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36 Dia tonga ny mpiambina ka nampita hafatra tamin'i Paoly hoe: Nandefa baiko hanafahana anareo roa lahy ny mpanao fanjakana. Mahazo mivoaka ianareo, ka mandehana soa aman-tsara.
37 Fa hoy i Paoly tamin'ireo mpitan-defona: Olona mizaka ny zom-pirenena romanina izahay, kanefa nodarofana kapoka teo imason'ny vahoaka na dia tsy voatsara ara-dalana aza; ary koa nampidirina am-ponja. Ka ankehitriny ve dia havoakan-dry zareo an-tsokosoko izahay? Sanatria! Aoka ny tenan'ireo mpanao fanjakana mihitsy no ho tonga aty hamoaka anay!
38 Dia notaterin'ny mpitan-defona tamin'ny mpanao fanjakana romanina izany teny izany. Raiki-tahotra ry zareo nony nandre fa olona mizaka ny zom-pirenena romanina i Paoly sy i Silasy.
39 Dia tonga ireo mpanao fanjakana ka niteny moramora tamin'izy roa lahy ary nitondra azy nivoaka ny fonja sady nangataka azy mba hiala amin'ny tanana.
40 Rehefa tafavoaka ny fonja i Paoly sy i Silasy, dia nankany an-tranon'i Lidia. Ary lasa nandeha izy roa lahy nony avy nahita sy nampirisika ny havana iray finoana.
Toko faha-17
1 Dia nandalo an'i Amfipoly sy i Apolonia ry i Paoly sy i Silasy ka tonga tao Tesalonika izay nisy sinagoga anankiray fivavahan'i Jiosy.2 Nankao amin'ilay sinagoga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin'ny olona tao;
3 nohazavainy sady nasehony taminy fa, araka ny Soratra Masina, dia tsy maintsy nijaly ny Mesia ary nitsangana velona avy tany amin'ny maty. Ka hoy i Paoly: Izao Jesoa ambarako aminareo izao no ilay Mesia!
4 Nisy sasantsasany resy lahatra tamin'ireo mpiangona ka niray anjara tamin'i Paoly sy i Silasy. Nanao toy izany koa ny olona marobe tamin'ireo Grika mpanaja an'Andriamanitra, ary tsy vitsy tamin'ireo vehivavy ambony toerana.
5 Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin'ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanana. Notamin-dry zareo ny tranon'i Jasona ary notadiaviny hoentina eo anatrehan'ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.
6 Nony tsy hitan-dry zareo izy roa lahy, dia i Jasona sy ny havana iray finoana vitsivitsy no nosarihiny hanatrika an'ireo lehiben'ny tanana sady nohorakorahiny hoe: Nanakorontana ny lafy valon'ny tany izy roa lahy ireny, ary mby eto amintsika ankehitriny
7 ka nampiantranoin'i Jasona. Mifanohitra amin'ny didin'ny amperora romanina anefa ny fihetsik'izy rehetra ireo satria ambarany fa misy mpanjaka hafa koa atao hoe Jesoa.
8 Nampisahotaka ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanana izany teny izany;
9 ka nandoa vola hatao antoka ry i Jasona sy ny namany vao navelan'ireo lehiben'ny tanana handeha.
10 Nony alina ny andro, dia nasain'ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin'ny sinagoga fivavahan'ny Jiosy.
11 Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalonika sady nazoto tokoa nandray ny tenin'Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan'andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain'i Paoly.
12 Koa maro tamin'ireo Jiosy no nino; ary, tamin'ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino.
13 Kanefa nony fantatry ny Jiosy tany Tesalonika fa nitorian'i Paoly ny tenin'Andriamanitra koa tao Berea, dia nankany ry zareo nampitabataba sy nampisahotaka ny vahoaka.
14 Niaraka tamin'izay dia nasain'ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin'i Timoty kosa no mbola nijanona tao Berea.
15 Ireo nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an'i Silasy mbamin'i Timoty; fa niangavian'i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran'izay haingana any Atena.
16 Raha mbola niandry an'i Silasy sy i Timoty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin'izy nahita ity tanana feno sampy.
17 Koa tao amin'ny sinagoga i Paoly no nifanakalo hevitra tamin'ny Jiosy sy ny mpanaja an'Andriamanitra, ary teny an-kianja isan'andro tamin'ny olona sendra teo.
18 Nisy koa filozofy epikorianina sy stoisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe: Inona no tian'ity mpirediredy holazaina? Ny sasany kosa, nony nandre an'i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa sy ny fitsanganan'ny maty, dia niteny hoe: Toa andriamanitra vahiny no toriny!
19 Dia nentin'izy rehetra i Paoly ka notarihiny hankeo amin'ny antenimiera Areopazy sady nilazany hoe: Moa azonay fantarina ve izao fampianarana vaovao resahinao izao?
20 Zavatra hafahafa manko izao renay aminao izao, ka tianay ho fantatra izay mety ho hevitr'izany.
21 (Fa ny Atenianina rehetra mbamin'ny vahiny niara-nonina taminy moa dia nandany andro fotsiny hilaza na hihaino izay zava-baovao farany).
22 Dia nijoro teo afovoan'ny Areopazy i Paoly ka nanao hoe: Ry Atenianina, hitako fa amin'ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo.
23 Raha nitsangantsangana eran'ny tanana aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: Ho an'ilay Andriamanitra tsy fantatra. Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo.
24 Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon'ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan'olombelona.
25 Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin'olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon'aina mbamin'ny zavatra rehetra ho an'ny olombelona tsy an-kanavaka.
26 Noariny avy amin'olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.
27 Nataon'Andriamanitra izany mba hahazoan'ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy,
28 satria Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika. Izany indrindra koa no nilazan'ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika.
29 Koa satria avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin'ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan'olombelona.
30 Kanefa ninian'Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza.
31 Nisy manko andro anankiray natao hitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin'ny alalan'ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin'ny maty no nataony porofon'izany ho an'ny olona rehetra!
32 Vao nandre an'i Paoly niteny momba ny fitsanganan'ny maty ireo olona teo amin'ny Areopazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'io zavatra io.
33 Dia toy izany no nandaozan'i Paoly azy ireo.
34 Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan'ireny i Dionisy, mambran'ny antenimiera Areopazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin'ireo.
Toko faha-18
1 Taorian'izany, dia tafala tao Atena i Paoly ka tonga tany Korinto.2 Hitany tao ity Jiosy atao hoe Akoila izay teraka tany Ponto; vao tonga avy any Italia i Akoila mbamin'i Prisila vadiny, satria nodidian'ny amperora Klaody hiala tany Roma daholo ny Jiosy. Nanatona azy mivady i Paoly;
3 ary satria mitovy asa tanana aminy rahateo i Paoly (fa samy mpanao lay izy ireo), dia nitoetra tao amin-dry i Akoila sy i Prisila izy ary nifarimbona asa taminy.