Asan'ny Apôstôly
Toko faha-22
7 Niankarapoka tamin'ny tany aho ary injay nisy feo reko niteny tamiko hoe; Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?8 Izaho kosa nanontany hoe: Iza moa izato Ianao, Tompoko? Ary hoy ilay feo tamiko: Izaho no i Jesoa avy any Nazareta, Ilay enjehinao.
9 Ny mpiara-dia tamiko dia nahita ilay hazavana, nefa sy mba nandre ny feon'ilay niteny tamiko.
10 Dia nanontany indray aho hoe: Tompo o, inona no tokony hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, mankanesa ao Damasy, ka ao ianao no hilazana izay rehetra asain'Andriamanitra hataonao.
11 Tsy nahita ny masoko, azon'ilay hazavana mamirapiratra teo, ka dia notantanan'ny mpiara-dia tamiko aho vao tonga tao Damasy.
12 Tao Damasy dia nisy lehilahy atao hoe Hanania, izay mpivavaka tsara sy mpanaraka ny lalanantsika sady tsara laza tamin'ny mponina jiosy rehetra tao an-tanana.
13 Tonga tao amiko izy, nijoro teo anilako ary nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, mahirata! Dia nahiratra teo no ho eo aho ka nahita azy.
14 Fa hoy i Hanania: Efa voafidin'ilay Andriamanitry ny razantsika ianao mba hahafantatra ny sitrapony ary hahita an'ilay hany Marina sy handre ny teny aloaky ny vavany.
15 Ho vavolombelon'ilay hany marina ianao ka hanambara amin'ny olona rehetra ny zavatra efa hitanao sy renao.
16 Koa inona ankehitriny no andrasanao? Mitsangana, antsoy ny anaran'i Jesoa ary aoka hatao batisa ianao ka ho voasasa amin'ny fahotanao.
17 Tafaverina tany Jerosalema aho, ka raha mbola nivavaka tao an-kianjan'ny tempoly dia nisehoam-pahitana.
18 Hitako ny Tompo ary izao no teniny tamiko: Malakia ianao, ialao faingana i Jerosalema, fa ny mponina eto tsy hiraharaha ny fijoroanao ho vavolombelona hanambara Ahy.
19 Dia novaliako hoe: Tompo o, fantany tsara fa mpitety ny sinagoga aho ary nataoko am-ponja sy nasaiko nodarofana kapoka ny mpino Anao.
20 Ary tamin'ny namonoana an'i Stefana vavolombelona nanambara Anao, dia teo koa aho. Nankasitrahiko ireo namono nahafaty azy, ary izaho no mpitan-damban'izy rehetra.
21 Dia hoy ny Tompo tamiko: Mandehana fa Izaho no haniraka anao any lavitra, ho amin'ny hafa firenena.
22 Nihaino an'i Paoly hatrany hatrany ny olona; fa nony mby tamin'ireo teny ireo, dia velona antsoantso mafy hoe: Esory amin'ny tany ny karazan'olona toy itony, fa tsy mendrika ho velona!
23 Horakoraka, tsipy lamba ary tora-bovoka ny an'ny olona amin'izany!
24 Ka nanome baiko ny komandy hampidirana an'i Paoly ao amin'ny toby sy hikapohana azy mba hanerena azy hiteny, hahafantarana ny anton'ny anakorana azy toy izao.
25 Efa voafatotra hokapohina i Paoly no niteny tamin'ilay kapiteny nanatrika teo hoe: Azonareo kapohina ve ny olona mizaka ny zom-pirenena romanina, na dia tsy mbola voatsara aza?
26 Nony nandre izany teny izany ilay kapiteny, dia nandeha nampandre ny komandy sady nilaza hoe: Inona ity hataonao? Olona mizaka ny zom-pirenena romanina io lehilahy io.
27 Nanatona an'i Paoly kosa ny komandy ka nanontany azy hoe: Hono ho'aho, mizaka ny zom-pirenena romanina ve ianao? Dia novaliany hoe: Eny.
28 Ary izao no tenin'ny komandy: Izaho dia vola be tokoa no naloako hizakako ny zom-pirenena romanina. Fa hoy i Paoly: Izaho kosa vao teraka dia efa nizaka izany.
29 Niaraka tamin'izay dia nihataka ry zareo efa ndeha hikapoka an'i Paoly hanerena azy hiteny; natahotra mbamin'ilay komandy aza nony nahalala fa mizaka zom-pirenena romanina i Paoly, satria izy komandy no efa nampamatotra azy.
30 Te hahalala marina izay anton'ny niampangan'ny Jiosy an'i Paoly ity komandy; noho izany, dia nasainy novahana izy ny ampitson'iny ary nampiantsoiny hivory ny lohandoha-mpisorona sy ny Fitsarana ambony manontolo. Dia nentin'ilay komandy i Paoly, ka najorony hiatrika azy rehetra.
Toko faha-23
1 Nibanjina an'ireo mpitsara i Paoly ka nanao hoe: Ry rahalahy, nitondra tena teo anatrehan'Andriamanitra tamin-kitsimpo tokoa aho mandraka androany.2 Fa i Hanania mpisorombe kosa nanome baiko ireo olona teo anilan'i Paoly mba hamely tehamaina ny vavany.
3 Tamin'izay dia hoy i Paoly tamin'ny mpisorombe: Andriamanitra kosa hamely anao, ry ilay rindrina milalotra fotsy ivelany ity! Mipetraka mba hitsara ahy araka ny lalana ianao, kanefa dia fandikan-dalana ny fanomezanao baiko hamely tehamaina ahy.
4 Ry zareo teo anilan'i Paoly kosa nilaza taminy hoe: Maniratsira ny mpisoromben'Andriamanitra ianao!
5 Fa novalian'i Paoly hoe: Tsy fantatro, ry rahalahy, fa izy no mpisorombe. Eny, izao tokoa no voalazan'ny Soratra Masina: Aza miteny ratsy ny lehibem-pirenenao.
6 Fantatr'i Paoly fa ny sasany tamin'ireo anisan'ny Fitsarana ambony dia Tsadoseanina, ary ny sasany dia Farisianina; izany no niantsoany teo anoloan'izy rehetra hoe: Ry rahalahy, izaho dia Farisianina, zanaka Farisianina. Noho izaho manantena ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7 Nony voalazan'i Paoly izany teny izany, dia nifanditra ny Farisianina sy ny Tsadoseanina, ka nizara roa toko ny mpivory.
8 (Lazain'ny Tsadoseanina mantsy fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ary tsy misy koa na anjely na fanahy; nefa izany rehetra izany dia eken'ny Farisianina).
9 Vao mainka nihamafy ny antsoantso; ary ny mpahay lalana sasany, anisan'ny antoko Farisianina, dia tafatsangana ka nanohitra mafy nanao hoe: Tsy ahitanay zava-dratsy mihitsy amin'io lehilahy io. Angamba nisy fanahy na anjely niteny taminy.
10 Nihahenjana ny fifandirana ka natahotra ny komandy sao hifandroritan'ny olona i Paoly. Noho izany, dia nomeny baiko ny miaramilany hidina hanaisotra an'i Paoly teo anivon'ny mpivory sy hitondra azy any amin'ny toby.
11 Dia niseho tamin'i Paoly ny Tompo ny alin'iny ka nilaza taminy hoe: Mahereza! Vavolombelona nanambara Ahy teto Jerosalema ianao, ary tsy maintsy ho vavolombelona hanambara Ahy toy izany koa any Roma.
12 Ny ampitso maraina, dia nioko ny Jiosy sasantsasany ka nanao velirano fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an'i Paoly.
13 Nihoatra ny efapolo ny isan'ny mpioko.
14 Dia nankany amin'ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona ry zareo ka niteny hoe: Nanao velirano mihitsy izahay fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty an'i Paoly.
15 Ankehitriny ary dia aoka ianareo sy ny Fitsarana ambony hangataka amin'ny komandy mba hitondrany an'i Paoly mankaty aminareo, mody hoe te hamotopototra mazavazava kokoa ny momba azy. Izahay kosa dia efa vonona ny hamono azy alohan'ny higadonany eto.
16 Henon'ny zanak'anabavin'i Paoly anefa izany teti-dratsy izany; ka nankany amin'ny toby izy, dia niditra ka nampandre an'i Paoly.
17 Dia niantso ny anankiray tamin'ireo kapiteny i Paoly ka nanao taminy hoe: Mba tariho ho any amin'ny komandy ity tovolahy ity fa misy zavatra holazainy aminy.
18 Dia nitondra ilay tovolahy nankao amin'ny komandy ilay kapiteny sady niteny hoe: Niantso ahy i Paoly mpifatotra, ka nangataka ahy hitondra ity tovolahy ity aty aminao fa misy zavatra holazainy aminao.
19 Dia nandray ny tanan'ilay tovolahy ny komandy ka nitondra azy hitokana ary nanontany azy hoe: Inona izato holazainao amiko?
20 Dia hoy izy: Nifanaiky ny Jiosy fa hangataka ny hitondranao an'i Paoly hankao amin'ny Fitsarana ambony rahampitso, mody hoe te hanadihady mazavazava kokoa ny momba azy.
21 Nefa aza manaiky azy ireo ianao! Misy Jiosy mihoatra ny efapolo lahy manko miteti-dratsy hamely an'i Paoly. Nanao velirano izy efapolo lahy fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa nahafaty azy. Vonona izao ry zareo, fa ny valin-teninao no andrasany.
22 Dia nalefan'ny komandy handeha ilay tovolahy nony avy nofeperany hoe: Aza lazalazaina amin'olona fa efa nambaranao ahy izany.
23 Nantsoin'ny komandy ny roa lahy tamin'ireo kapiteny ka nilazany hoe: Manomana miaramila an-tongotra 200 lahy, sy miaramila an-tsoavaly 70 ary mpitan-defona 200 ka samia vonona hiainga anio amin'ny sivy alina hankany Kesaria.
24 Anomano soavaly koa hitaingenan'i Paoly, hahatonga azy soa aman-tsara any amin'i Feliksa governora.
25 Ary toy izao ny taratasy nosoratan'ny komandy:
26 Izaho Klaody Lisia dia manolotra ny fiarahabana ho anao Andriamatoa hajaina, Feliksa governora.