Asan'ny Apôstôly

Toko faha-18

4 Isaky ny andro sabata, dia nifanakalo hevitra tao amin'ny sinagoga i Paoly ary niezahany horesen-dahatra na ny Jiosy na ny Grika.

5 Rehefa tonga avy any Masedonia i Silasy mbamin'i Timoty, dia ny toriteny no nimasoan'i Paoly, ary nambarany tamin'ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia.

6 Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe: Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an'Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin'ny hafa firenena no halehako.

7 Dia niala teo i Paoly ka nankao amin'i Tisio Josta, mpanaja an'Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin'ny sinagoga.

8 Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben'ny sinagoga, mbamin'ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Korintianina nihaino an'i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.

9 Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan'ny Tompo hoe: Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina.

10 Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorina, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin'ity tanana ity.

11 Nitoetra herintaona sy tapany tao Korinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona.

12 Fony i Galiona no governora tany Akaia, dia niara-nioko namely an'i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy teo amin'ny fitsarana

13 ka nanao hoe: Mitaona ny olona hanaraka fivavahana mifanohitra amin'ny lalanan'i Mosesy io lehilahy io!

14 Efa ndeha hiteny indrindra i Paoly no nilaza tamin'ny Jiosy i Galiona hoe: Ry Jiosy, raha momba ny hoe heloka bevava na zavatra ratsy natao, dia vonon-kihaino anareo aho.

15 Fa raha voambolana sy anarana ary lalananareo manokana no iadianareo hevitra, dia raharahanareo; fa izaho tsy te hitsara an'izany.

16 Dia noroahin'i Galiona hiala teo amin'ny fitsarana ny Jiosy.

17 Fa nosamborin'izy rehetra kosa i Sostena, lehiben'ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nisy nahoan'i Galiona izany.

18 Mbola tafajanona elaela tao Korinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoila. Talohan'ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.

19 Ary tonga tao Efeso izy ireo; dia nandao azy mivady i Paoly ka nankany amin'ny sinagoga ary nifanakalo hevitra tamin'ny Jiosy.

20 Nangatahin-dry zareo izy mba hitoetra maharitraritra, kanefa tsy nety

21 fa nanao veloma azy sady niteny hoe: Raha sitrapon'Andriamanitra, dia mbola hiverina aty aminareo aho. Ary dia niondrana an-tsambo niala tao Efeso i Paoly.

22 Nony tody tao Kesaria izy, dia niakatra tany Jerosalema mba hiarahaba ny Fiangonana; izay vao nidina nankany Antiokia.

23 Rehefa avy nijanona kelikely tao izy, dia lasa indray nitety mifanesy ny faritany Galatia sy Frijia, ka nampahery ny mpianatra rehetra.

24 Tonga tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apolao, teraka tany Aleksandria, lehilahy mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina.

25 Efa nianatra ny lalana nosoritan'ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an'i Jesoa, saingy ny batisan'i Johany no hany fantany.

26 Niteny tamim-pahasahiana tao amin'ny sinagoga i Apolao; ary nony nandre azy i Prisila sy i Akoila, dia naka azy ho any aminy ka nanazava marina kokoa taminy momba ny lalana nosoritan'Andriamanitra.

27 Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaia i Apolao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an'ny mpianatra amin'io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i Apolao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan'ny fahasoavan'Andriamanitra ka tonga mpino;

28 teny feno hery tokoa no nandreseny lahatra ny Jiosy ampahibemaso ka nanaporofoany tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa i Jesoa no ilay Mesia.

Toko faha-19

1 Raha mbola tany Korinto i Apolao, dia namakivaky ny havoana lembalemban'i Azia Minora kosa i Paoly ka tonga tao Efeso. Mpianatra vitsivitsy no hitan'i Paoly tao

2 ka nanontaniany hoe: Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino? Dia novalian'ireo hoe: Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina.

3 Ka hoy indray i Paoly nanontany hoe: Batisan'iza moa no voarainareo? Dia nataon'ireo hoe: Ny batisan'i Johany.

4 Ary hoy i Paoly taminy: I Johany dia nanao batisa ny olona nanaiky hiala tamin'ny toe-dratsy ary nilaza tamin'ny vahoaka mba hino an'Ilay ho tamy aoriany, izany hoe i Jesoa.

5 Raha nahare izany teny izany ireto mpianatra, dia nangataka hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo.

6 Nametrahan'i Paoly tanana izy rehetra ka nahazo ny Fanahy Masina, ary dia niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sady nilaza hafatra avy amin'Andriamanitra.

7 Lehilahy avokoa ireo mpianatra ireo ary tokony ho 12 no isany.

8 Dia nankao amin'ny sinagoga i Paoly, ka niteny tamim-pahasahiana; nandritra ny telo volana izy dia nifanakalo hevitra sady niezaka handresy lahatra ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

9 Maro anefa no nikiribiby tsy nety nino sady naniratsira teo imason'ny besinimaro ny lalana nosoritan'ny Tompo. Dia niala teo amin-dry zareo i Paoly ary nitondra mpianatra niaraka taminy, ka nitoriteny isan'andro tao amin'ny sekolin'i Tirano.

10 Naharitra roa taona mahery izany, ka nandre ny tenin'ny Tompo avokoa ny mponina manerana ny faritany Azia, na Jiosy na hafa firenena.

11 Ary asa mahagaga misongadina no nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Paoly.

12 Hatramin'ny tapa-damba isan-karazany nakasika an'i Paoly no nentina teo amin'ny marary, ka nahafaka ny aretina ary nampiala ny fanahy ratsy taminy.

13 Nisy Jiosy sasantsasany koa nivezivezy nandroaka ny fanahy ratsy tamin'ny marary ary nanandrana nampiasa ny anaran'i Jesoa Tompo. Fa hoy ry zareo tamin'ny fanahy ratsy: Amin'ny anaran'ilay Jesoa torin'i Paoly no andidiako anareo hiala!

14 (Ny mpanao izany dia izy fito mirahalahy zanaky ny mpisorombe jiosy atao hoe Seva).

15 Fa namaly azy ireo kosa ny fanahy ratsy nanao hoe: Fantatro i Jesoa, ary tsy vahiny amiko i Paoly; fa mba iza kosa ianareo?

16 Dia niantoraka tamin'ireto zanakalahin'i Seva ralehilahy itoeram-panahy ratsy ka nahery noho izy rehetra; nasiany mafy izy fito lahy, ka vaky nandositra ary niboridana sady naratra no niala tao an-tranon-dralehilahy.

17 Ren'ny mponina tao Efeso izany, na Jiosy na hafa firenena, ka raiki-tahotra izy rehetra ary nankalaza ny anaran'i Jesoa Tompo.

18 Tamin'ireo tonga mpino, dia maro no niaiky sy nanambara ampahibemaso izay nataony.

19 Betsaka ny mpanao majika no nitondra ny bokiny ka nandoro izany teo imason'ny olona rehetra. Rehefa natambatra ny tombam-bidin'ireo boky ireo, dia tafakatra 50.000 denary.

20 Niely tsy azo tohaina toy izany ny tenin'ny Tompo ary nanaporofo ny heriny.

21 Taorian'ny nitrangan'izany zavatra izany, dia tapa-kevitra i Paoly fa hamakivaky an'i Masedonia sy i Akaia ary hankany Jerosalema, sady hoy izy: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy ho hitako ihany koa i Roma.

22 Nirahin'i Paoly ho any Masedonia ny roa lahy tamin'ireo mpanampy azy, dia i Timoty sy i Erasta, fa ny tenany kosa dia mbola nisy fotoana nijanonany tany Azia.

23 Tanatin'izany fotoana izany no nipoiran'ny tabataba be ny amin'ny lalana nosoritan'ny Tompo.

24 Nisy lehilahy mpanefy volafotsy natao hoe Demetry; ilay tempolin'ny andriamanibavy Artemida no nanaovany sary madinidinika vita volafotsy ka niteraka loharanom-bola be ho an'ny mpiasany.

25 Dia nantsoin'i Demetry ireo mpiasany sy izay rehetra mpanao asan-tanana tahaka azy ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa izao asan-tanana izao no antoky ny harentsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9884