Asan'ny Apôstôly

Toko faha-25

15 Fony aho tany Jerosalema, dia tonga teo amiko ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona jiosy hiampanga azy ary niangavy ahy hanameloka azy.

16 Fa izao no navaliko an-dry zareo: Tsy fanaon'ny Romanina ny manameloka olona raha tsy efa nampifanatrehina tamin'ny mpiampanga ny ampangaina ary nahazo niaro tena nanohitra ny fiampangana.

17 Ka dia tonga teto niaraka tamiko izy rehetra. Tsy nangataka andro aho fa ny ampitson'iny ihany dia nipetraka teo amin'ny fitsarana aho ka nasaiko nalaina ralehilahy.

18 Nony nitsangana ireo mpiampanga, dia tsy nisy zava-dratsy araka izay nampoiziko nitoriany azy.

19 Ny niadiany hevitra tamin'i Paoly dia momba ny fivavahany sy izany Jesoa efa maty izany saingy nolazain'i Paoly hoe velona.

20 Very hevitra aho ny amin'ny hamotopotorana izany raharaha izany, ka dia nanontaniako i Paoly raha tiany ny hankany Jerosalema hotsaraina any momba izany raharaha izany.

21 Nefa moa nampiakatra ny raharaha i Paoly mba ho ny amperora romanina no ho tompon'ny teny farany momba azy. Dia nasaiko nambenana izy mandra-pahazoako handefa azy any amin'ny amperora romanina.

22 Dia hoy i Agripa tamin'i Festo: Mba te handre izany lehilahy izany koa aho! Ary novalian'i Festo hoe: Handre azy ianao rahampitso!

23 Nony ampitso, dia tonga i Agripa sy i Berenika, nianjaika tokoa araka ny fiandrianany be voninahitra. Niditra tao amin'ny efitra fitsarana izy mianadahy narahin'ny komandin'ny tafika sy ny olo-manan-kaja tao an-tanana. Dia nasain'i Festo nalaina i Paoly ka nentiny nankeo.

24 Ary hoy i Festo: Ry Agripa mpanjaka sy ianareo rehetra manatrika etoana, io lehilahy hitanareo io dia nampangain'ny Jiosy marobe tamiko, na tany Jerosalema na teto, ka nantsoantsoiny hoe tsy tokony ho velona intsony.

25 Tsy hitako akory izay ratsy vitany mahamendrika azy ho voaheloka faty. Kanefa moa izy ihany no nampiakatra ny raharahany amin'ny amperora romanina, dia tapa-kevitra aho handefa azy any aminy!

26 Tsy manan-javatra mazava tsara momba azy hatao an-tsoratra ho an'ny amperora romanina aho; koa dia entiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka; ka rehefa avy nalaina am-bava izy, dia mba hanan-javatra hatao an-tsoratra aho.

27 Tsy fahendrena manko, araka ny hevitro, ny mampanatitra mpifatotra raha tsy tondroina tsara ny zavatra iampangana azy.

Toko faha-26

1 Dia hoy kosa i Agripa tamin'i Paoly: Mahazo miteny ianao hiarovanao tena. Dia naninjitra ny tanany i Paoly ka toy izao no fiarovan-tena nataony:

2 Ry Agripa mpanjaka, heveriko fa manan-jara aho afaka miaro tena eto anatrehanao momba ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy;

3 satria fantatrao tsara tokoa ny fomba amam-panao jiosy sy ny zavatra samihafa mahabe adihevitra eo amin'ny Jiosy. Koa mihanta aminao aho mba haharitra hihaino ahy.

4 Mahalala tsara ny fiainako avokoa ny Jiosy hatry ny fony aho tanora; satria hatrany am-piandohana, dia teo anivon'ny fireneko sy tao Jerosalema aho.

5 Raha mety hijoro ho vavolombelona izy, dia fantany hatramin'ny ela hoe Farisianina aho sady miaina araka ny antoko faran'izay sarotiny momba ny fivavahanay.

6 Ankehitriny kosa mitsangana hotsaraina eto aho, satria manantena ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra ny razanay.

7 Ny foko 12 eo amin'ny firenenay dia samy manantena ny fahatanterahan'izany ka mafana fo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra andro aman'alina. Ary izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka.

8 Fa nahoana moa, ry Jiosy, no dia tombananareo ho tsy azo inoana fa manangana ny maty ho velona Andriamanitra?

9 Izaho izao mihitsy no efa nisaintsaina fa tokony hotoheriko na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona ny anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta.

10 Nataoko izany tao Jerosalema. Nandray fahefana manokana tamin'ny lohandohan'ny mpisorona aho, ka maro tamin'ireo voatokana ho vahoakan'Andriamanitra no naiditro am-ponja, ary dia mpankasitraka aho raha nohelohina ho faty ry zareo.

11 Matetika dia nofaiziko tao amin'ny sinagoga izy ireo ary notereko hivadi-pinoana. Ary noho izaho tena romotra taminy no nanenjehako azy hatrany amin'ny tananan'ny firenen-kafa.

12 Izany no nahatonga ahy hankany Damasy, omban'ny fahefana sy ny baiko azoko avy tamin'ny lohandoha-mpisorona.

13 Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin'ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan'ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin'ny mpiara-dia tamiko.

14 Samy niankarapoka tamin'ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin'ny teny aramianina hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!

15 Izaho kosa nanontany hoe: Iza moa Ianao, Tompoko? Dia novalian'ny Tompo hoe: Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao!

16 Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin'ny hafa ny nahitanao Ahy androany sy ny zavatra mbola hasehoko anao.

17 Izaho no hanafaka anao amin'ny vahoaka Israely sy ny hafa firenena izay anirahako anao.

18 Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin'ny haizina ho amin'ny mazava ary hiala amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin'ireo voatokana ho vahoakan'Andriamanitra.

19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra.

20 Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin'ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin'ny toetra ratsiny sy hiverina amin'Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.

21 Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly aho, ary nitadiavany hamonoana ahy.

22 Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola inty aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao:

23 hijaly ny Mesia ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely sy amin'ny hafa firenena.

24 Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin'ny feo mahery kosa i Festo nanao hoe: Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!

25 Dia novalian'i Paoly hoe: Tsy lasa adala akory aho, Andriamatoa governora hajaina, teny azo antoka sady voadinika izao lazaiko izao.

26 Tsy vahiny amin'ny mpanjaka izany toe-javatra izany, ka dia miteny tsy mihambahamba eto anatrehany aho. Matoky aho fa tsy misy miafina aminy velively izany, satria tsy mba an-takontakona no nanaovana azy.

27 Ry Agripa mpanjaka, inoanao ve izay voalazan'ny mpaminany? Fantatro fa inoanao.

28 Ary hoy i Agripa tamin'i Paoly: Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho?

29 Dia novalian'i Paoly hoe: Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin'Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin'ny maha mpifatotra ahy.

30 Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenika mbamin'izay rehetra niara-nipetraka taminy;

31 ka nony niala teo, dia nifampiresaka hoe: Tsy misy fahadisoana vitan'io lehilahy io, tokony hahamendrika azy ho voaheloka ho faty na hatao am-ponja.

32 Hoy kosa i Agripa tamin'i Festo: Azo nalefa ihany io lehilahy io raha tsy noho izy nampiakatra ny raharahany amin'ny amperora romanina.

Toko faha-27

1 Nony tapaka fa handeha an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra an'i Joly, kapiteny avy amin'ny andian-tafika atao hoe Andian-tafiky ny amperora, i Paoly sy ny mpifatotra sasany hafa.

2 Ny niondrananay dia sambo anankiray avy any Adramita ndeha hitety ireo seranana tamin'ny faritany Azia, ka dia niainga izahay. Tafara-dia taminay i Aristarka, Masedonianina avy any Tesalonika.

3 Tonga tany Sidona izahay ny ampitson'iny. Tsara ny nitondran'i Joly an'i Paoly fa navelany hankany amin'ny sakaizany handray izay zavatra ilainy.

4 Avy eo dia lasa indray izahay ka nanara-morona ny nosy Sipra, tamin'ny ilany atsimo izay takon-drivotra, satria nanoha rivotra.

5 Namakivaky ny ranomasina tsy lavitra an'i Silisia sy i Pamfilia izahay ka tonga tao Mira any Lisia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9145