Asan'ny Apôstôly
Toko faha-23
27 Nosamborin'ny Jiosy ity lehilahy ity ary efa ndeha hovonoiny no fantatro fa mizaka ny zom-pirenena romanina: dia nitondra miaramila aho ka nanafaka azy.28 Ary satria te hahalala izay anton'ny niampangan'ny Jiosy azy aho, dia nentiko teo anatrehan'ny Fitsarana ambony izy.
29 Hitako fa adihevitra momba ny lalanan-dry zareo no niampangany azy, fa tsy nisy fiampangana tokony hanamelohana azy ho faty na hanaovana azy am-ponja.
30 Nony nampahafantarina ahy fa nioko hamono azy ny Jiosy, dia nanapa-kevitra niaraka tamin'izay aho, handefa azy mankaty aminao; ary ny mpiampanga azy dia nasaiko hanao ny fitoriany aminao.
31 Araka ny baiko azony, dia nalain'ireo miaramila i Paoly ka iny alina iny ihany dia nentiny tany Antipatrida.
32 Nony ampitso, dia niverina nody ny miaramila an-tongotra, fa ny miaramila an-tsoavaly no navelany hanohy ny dia miaraka amin'i Paoly.
33 Vao tonga tany Kesaria, dia natolotr'ireo miaramila an-tsoavaly tamin'ny governora ilay taratasy ary narosony teo anoloany koa i Paoly.
34 Rehefa voavakin'ny governora ny taratasy, dia nanontaniany izay faritany fiavian'i Paoly; ka nony fantany fa avy any Silisia i Paoly,
35 dia hoy izy hoe: Hihaino anao aho rehefa tonga ny mpiampanga anao. Dia nasain'ny governora nambenana tao an-dapan'i Heroda i Paoly.
Toko faha-24
1 Dimy andro taorian'izay, dia tonga tao Kesaria i Hanania mpisorombe, tafaraka tamin'ny loholona sasantsasany sy tamin'ny mpisolovava atao hoe Tertoly. Tonga teo amin'i Feliksa governora izy rehetra mba hametraka fitarainana manohitra an'i Paoly.2 Nantsoina i Paoly ary dia nampangain'i Tertoly toy izao: Andriamatoa governora hajaina, ianao no isian'izao fandriampahalemana tonga lafatra iadananay izao, ary ny fitondranao feno fahendrena no mahatonga ireo fivoarana mahasoa ity firenena ity.
3 Koa noho ireo soa raisinay lalandava ary hatraiza hatraiza, dia mankasitraka anao tokoa izahay.
4 Tsy te hitana anao maharitra anefa aho fa niangavy ny hamoram-ponao mba hihaino anay vetivety.
5 Tsikaritray fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: mpampikorontana ny Jiosy any am-pielezana izy sady mitarika ny antoko Nazareanina.
6 Ny tempoly avy aza no sahiny vetavetaina, ka dia nosamborinay izy. [Satrinay ny hitsara azy araka ny lalananay,
7 kanefa tonga i Lisia komandy nanao an-keriny mafy naka azy teo am-pelatananay.
8 Ary dia nasain'i Lisia mankaty aminao ny mpiampanga azy.] Rehefa manao famotorana io lehilahy io ianao, dia hahita fa marina avokoa ny zavatra iampanganay azy.
9 Nohamafisin'ny manampahefana jiosy ny fiampangana ka nolazainy fa tena izany no izy.
10 Notondroin'ny governora hiteny i Paoly ka namaly hoe: Fantatro fa efa mpitsara hatramin'ny taona maro eto amin'ity firenena ity ianao ka amim-pitokiana no andaharako ny fiarovako tena.
11 Azonao itadiavana porofo fa tsy mbola mihoatra ny 12 andro no nahatongavako tany Jerosalema mba hivavaka amin'Andriamanitra.
12 Tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona tao an-kianjan'ny tempoly na koa nampitabataba vahoaka tao amin'ny sinagoga na tany an-toeran-kafa tao an-tanana.
13 Ary tsy afaka hanome porofo anao amin'izay iampangany ahy ry zareo.
14 Ekeko eto anatrehanao kosa fa manompo ny Andriamanitry ny razanay aho amin'ny anarahako ny lalana nosoritan'Andriamanitra, izay lazain'ireo hoe diso. Izaho anefa dia mino izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalana sy ny mpaminany.
15 Matoky an'Andriamanitra aho ary manantena, tahaka ny nanantenan-dry zareo koa, fa samy hitsangana ho velona, na ny olo-marina na ny olo-meloka.
16 Noho izany, dia miezaka lalandava aho mba tsy homelohin'ny fieritreretako eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona.
17 Taona maro no tsy naha tao Jerosalema ahy vao tafaverina indray aho nitondra vola ho fanampiana ny fireneko ary hanolotra fanatitra amin'Andriamanitra.
18 Izany indrindra no nataoko tamin'ny nahitan-dry zareo ahy tao an-kianjan'ny tempoly: nanao ny fombam-pihavanana fidiovana aho, ka tsy nisy vahoaka vory na tabataba niseho.
19 Fa Jiosy sasantsasany avy tamin'ny faritany Azia no tao, ka izy ireo no tokony hanatrika anao etoana hiampanga ahy raha manana alahelo amiko.
20 Na aoka ireto olona ireto hilaza raha misy fahadisoana heveriny fa mahameloka ahy tamin'ilay nijoroako niatrika ny Fitsarana ambony,
21 afa-tsy ilay fanambarana nataoko tamin'ny feo avo fony izaho nijoro nanoloana azy rehetra hoe: Noho izaho mino ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22 Fantatr'i Feliksa mazava tokoa ny amin'ity lalana nosoritan'Andriamanitra ity ka dia nahemony ho aoriana ny fanohizana ny fitsarana sady noravany izy rehetra nilazany hoe: Rehefa tafidina aty i Lisia komandy, dia hanapa-kevitra momba ny raharahanareo aho.
23 Nomen'ny governora baiko ilay kapiteny mpiandraikitra an'i Paoly mba hiambina azy, saingy hamela azy halaladalaka ihany sady tsy hisy sakaizany sakanana tsy hikarakara azy.
24 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga i Feliksa sy i Drosila vadiny, izay vehivavy Jiosy. Nampanalain'ny governora i Paoly ka nohenoiny izay nolazainy momba ny finoana an'i Kristy Jesoa.
25 Raha nidinidinika momba ny toetra tia rariny sy mahonon-tena ary momba ny fitsarana ho avy anefa i Paoly, dia raiki-tahora i Feliksa ka nanao hoe: Mandehana aloha izao, fa hampiantso anao indray aho rehefa malalaka!
26 Nanantena koa i Feliksa fa homen'i Paoly vola, ka izany no nampanalainy azy matetika hiresahana.
27 Rehefa afaka roa taona, dia nodiasan'i Porsy Festo amin'ny maha governora i Feliksa. Ary satria te hahazo sitraka amin'ny Jiosy i Feliksa, dia navelany ho ao am-ponja i Paoly.
Toko faha-25
1 Telo andro taorian'ny nahatongavan'i Festo tao amin'ny faritany, dia niainga avy ao Kesaria izy ho any Jerosalema.2 Tonga teo aminy hiampanga an'i Paoly ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona jiosy. Nitaky tombontsoa tamin'i Festo ry zareo ary niangavy azy,
3 mba hampaka an'i Paoly ho aty Jerosalema; efa niray teti-dratsy manko izy rehetra mba hamono azy eny an-dalana.
4 Nefa namaly i Festo fa i Paoly dia am-ponja any Kesaria, ary ny tenany rahateo dia hiverina tsy ho ela.
5 Ary hoy koa izy: Aoka hiara-midina amiko any Kesaria ny lehibenareo ka any no hiampangany an'izany lehilahy izany raha nisy ratsy vitany.
6 Nandritra ny valo na folo andro monja no niarahan'i Festo tamin-dry zareo, dia niverina tany Kesaria izy. Ny ampitson'ny nahatafaverina azy ihany, dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy ary nampaka an'i Paoly.
7 Nony tonga i Paoly, dia nohodidin'ireo Jiosy nidina avy tany Jerosalema ka nampangainy ho nahavita fahadisoana maro sady lehibe, nefa tsy hain-dry zareo porofoina akory.
8 Niaro tena kosa i Paoly ka nanao hoe: Tsy misy fahadisoako na tamin'ny lalanan'ny Jiosy na tamin'ny tempoly na tamin'ny amperora romanina.
9 Nila sitraka tamin'ny Jiosy anefa i Festo ka nanontany an'i Paoly hoe: Tianao ve ny hiakatra any Jerosalema ka hotsaraina any eo anatrehako ny momba ity raharaha ity?
10 Fa novalian'i Paoly hoe: Eto amin'ny fitsaran'ny amperora romanina izay tokony hitsarana ahy no ijoroako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy aho, ka na ianao aza dia mahalala izany tsara tokoa.
11 Koa raha meloka aho sy nahavita ratsy mahamendrika ahy ho voaheloka ho faty, dia tsy laviko ny ho faty. Fa raha tsy misy marina kosa ny fiampangana ataon-dry zareo ahy, dia tsy azon'iza na iza atolotra azy aho. Akariko amin'ny amperora romanina ny raharaha.
12 Nony avy nifampidinika tamin'ny mpanolotsaina i Festo, dia nanao hoe: Nampiakarinao amin'ny amperora romanina ny raharaha, ka dia ho any amin'ny amperora romanina ianao.
13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kesaria i Agripa mpanjaka sy i Berenika anabaviny hiarahaba an'i Festo.
14 Koa satria naharitra andro maro no nitoerany tao, dia novelabelarin'i Festo tamin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly: Misy lehilahy izay navelan'i Feliksa ho mpifatotra ao.