Asan'ny Apôstôly

Toko faha-15

19 Koa dia izao no hevitro: tsy tokony homentsika fahasahiranana ny hafa firenena mitodika amin'Andriamanitra.

20 Fa aoka hanoratantsika izy ka hangatahina tsy hihinana ny hena maloto natao sorona tamin'ny sampy, tsy hanao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana, tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina, ary hifady ny ra.

21 Satria efa torina hatramin'ny ela isan-tanana ary famaky ao amin'ny sinagoga isaky ny sabata ny lalanan'i Mosesy.

22 Tamin'izay dia hitan'ny apostoly sy ny loholona mbamin'ny Fiangonana manontolo fa mety ny hifidianana solotena avy amin'ny mpivory ka halefa hiara-dia amin'i Paoly sy i Barnaba hankany Antiokia. Dia voafidy i Joda, atao hoe Barsabasy, ary koa i Silasy, samy lehilahy eken-teny teo amin'ny havana iray finoana.

23 Toy izao no vakin'ilay taratasy nampitondraina azy roa lahy: Izahay apostoly sy loholona havanareo dia manolotra ny fiarahabana ho anareo havana hafa firenena monina any Antiokia sy Siria ary Silisia.

24 Renay fa misy olona avy aty aminay manao fampianarana mampikorontan-tsaina sy mampitebiteby fanahy anareo, kanefa tsy nahazo teny taminay velively.

25 Noho izany, dia hitanay fa mety ary lany eranay rehetra ny hifidianana solotena halefa aty aminareo. Ireo solotena ireo dia hiaraka amin'i Barnaba sy i Paoly, rahalahy malalanay,

26 izay nanao vy very ny ainy ho voninahitr'i Jesoa Kristy Tompontsika.

27 Indreny ary irahinay i Joda sy i Silasy hilaza mivantana aminareo izany teny izany koa.

28 Fa sitraky ny Fanahy Masina sy ny tenanay ny tsy hampitondra enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto:

29 tsy mihinana ny hena natao sorona tamin'ny sampy; mifady ny ra; tsy mihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy manao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana. Tsara tokoa no ataonareo raha mitandrin-tena tsy hanao izany. Veloma!

30 Dia nalefa ireo iraka mbamin'i Barnaba sy i Paoly ka nidina nankany Antiokia. Novorin'izy efa-dahy ny mpino marobe tao an-tanana ka notolorany an'ilay taratasy.

31 Novakina izany ka samy dibo-kafaliana izy rehetra noho ny fampaherezana nentin'ilay taratasy.

32 I Joda sy i Silasy izay samy mpaminany, dia niteny naharitra tamin'ny havana iray finoana ka nampirisika sy nampahery azy ireo.

33 Ary rehefa nitoetra elaela tao Antiokia izy roa lahy, dia nalefan'ireo hiverina soa aman-tsara any amin'ny naniraka azy. [

34 Kanefa sitrak'i Silasy ny hijanona tao.]

35 Nitoetra tany Antiokia kosa i Paoly sy i Barnaba; ary nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny namany maro.

36 Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin'i Barnaba: Andeha hiverenantsika hovangiana ireo havana iray finoana any amin'ny tanana rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo mba hahitana izay manjo azy any.

37 Tian'i Barnaba hoentina hiara-dia amin'izy roa lahy i Johany, ilay atao hoe Marka;

38 saingy noheverin'i Paoly fa tsy tokony hoentina izy io satria nandao azy roa lahy tany Pamfilia ka tsy niara-niasa taminy intsony.

39 Dia nifanditra mafy izy roa lahy ka nisara-dia. I Barnaba moa nitondra an'i Marka, ary niondrana an-tsambo ho any Sipra.

40 I Paoly kosa nifidy an'i Silasy ho mpiara-miasa, ary niainga rehefa nankinin'ireo havana iray finoana tamin'ny fahasoavan'ny Tompo.

41 Dia lasa ry i Paoly namakivaky an'i Siria sy i Silisia ka nampahery ny Fiangonana rehetra.

Toko faha-16

1 Tonga tany Derba i Paoly, ary avy eo dia tany Listra. Nisy mpino anankiray natao hoe Timoty tao Listra, Jiosy niova ho kristianina ny reniny fa ny rainy kosa Grika.

2 Tsara laza tamin'ireo havana iray finoana tany Listra sy tany Ikonioma i Timoty

3 ka nokasain'i Paoly ho mpiara-dia aminy. Dia nalain'i Paoly i Timoty ka noforany, mba tsy hanan-kolazaina ny Jiosy mponina amin'iny faritany iny, satria fantatry ny besinimaro fa Grika ny rainy.

4 Tamin'ny tanana rehetra notetezin'i Paoly sy ny namany dia notolorany an'ireo hevitra tapaky ny apostoly sy loholona tany Jerosalema ny mpino, ary nasainy nitandrina izany.

5 Koa nihamatotra ara-pinoana ny Fiangonana rehetra ary nitombo isa hatrany isan'andro vaky.

6 Noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin'Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia.

7 Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan'ny Fanahin'i Jesoa.

8 Dia namaky an'i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Troasy, tanana seranana.

9 Tamin'ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedonianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: Mita mankaty Masedonia, ka vonjeo izahay!

10 Tsy nangataka andro izahay taorian'izany fahitan'i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedonia, satria azonay antoka fa nantsoin'Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin'ny olona any izahay.

11 Niondrana an-tsambo tao Troasy izahay ka nizotra nivantana ho any amin'ny nosy Samotrasy; ary tafapaka hatrany Neapoly, ny ampitson'iny.

12 Avy eo izahay, dia nankany Filipy, tananan'ny faritany voalohany ao Masedonia, sady zanatany romanina. Nijanona andro maromaro tao amin'io tanana io izahay.

13 Tamin'ny andro sabata dia lasa tany ivelan'ny vavahadin-tanana izahay, ka nankeny amoron'ny ony satria noheverinay fa nisy toeram-pivavahana ho an'ny Jiosy teny. Nipetrapetraka izahay ka tafaresaka tamin'ny vehivavy tafavory teo.

14 I Lidia no anaran'ny anankiray tamin'ireo vehivavy ireo; avy any an-tananan'i Tiatira izy, mpivarotra lamba jaky mena sarobidy, ary mpanaja an'Andriamanitra. Nihaino tsara anay ravehivavy io ary nosokafan'ny Tompo ny fony mba ho babon'ny teny nolazain'i Paoly.

15 Nony avy natao batisa izy mbamin'ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe: Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko. Ary notereny mihitsy izahay.

16 Raha nandeha nankeny amin'ilay toeram-pivavahana izahay indray andro, dia notsenain'ity zazavavy anankiray mpanompon'olona. Azona fanahy atao hoe Pitona razazavavy; ary asesik'io fanahy io hanambara zavatra izy ka nampahazo vola be ireo tompony noho ny fanambarana nataony.

17 Nanjohy anay sy i Paoly izy sady niantsoantso hoe: Mpanompon'ilay Andriamanitra Avo indrindra ireo lehilahy ireo! Ny lalam-pamonjena no toriny aminareo!

18 Andro maromaro no nanaovan-drazazavavy toy izany. Tofoka i Paoly nony ela ka nitodika azy ary niteny tamin'ny fanahy Pitona hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesoa Kristy aho, miala aminy! Dia niala taminy teo no ho eo ilay fanahy.

19 Nony hitan'ny tompony fa tsy anantenana fahazoam-bola intsony ity mpanompovaviny, dia ry i Paoly sy i Silasy no nosamboriny ka notaritaritiny hankeo an-kianja hiatrika ny manampahefana.

20 Natolony tamin'ny mpanao fanjakana romanina izy roa lahy sady nataony hoe: Mampisavorovoro vahoaka eto amin'ny tananantsika ireto lehilahy ireto. Jiosy izy roa lahy ireo

21 ary nampianatra fomba amam-panao tsy azontsika raisina na arahina, noho ny maha romanina antsika.

22 Dia nirohotra namely an'i Paoly sy i Silasy ny vahoaka; ary anisan'ireo mpanao fanjakana nendahina fitafiana sy nokaravasina izy roa lahy.

23 Nony avy nandalasina kapoka izy roa lahy, dia nampidirina am-ponja ka nofeperana ilay mpiambina mba hanao andrimaso azy tsara.

24 Vao azon'ny mpiambina izany baiko izany, dia nampidiriny tao am-ponja anatiny indrindra izy roa lahy ary nasiany boloky hazo ny tongony.

25 Tamin'ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa.

26 Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin'ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran'ireo gadra rehetra.

27 Tamin'izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran'ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0021