Levitîka
Toko faha-11
25 ary na zovy na zovy mitondra ny fatin'ireo, dia haloto koa mandra-paharivan'ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.26 Ireto avy ary no ho biby maloto aminareo: -ny biby rehetra tsy mba mivaky kitro ary ny biby rehetra tsy mba mandinika: na zovy na zovy mikasika azy, dia haloto. -ny biby rehetra mandia tongotra efatra sady mandeha amin'ny faladiany: na zovy na zovy mikasika ny fatin'ireo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary na zovy na zovy mitondra ny fatin'ireo, dia haloto koa mandra-paharivan'ny andro sady tsy maintsy hanasa fitafiana.
29 Amin'ny biby madinika mifanaretsaka ambonin'ny tany, dia ireto avy no ho maloto aminareo: ny kionkona, ny totozy, ny androngo isan-karazany
30 toy ny sitry na antsiantsy na matahotrandro na mosaraina, ary ny tana.
31 Amin'ny biby madinika rehetra, dia ireo no ho maloto aminareo; ka na zovy na zovy mikasika ny fatin'ireo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32 Haloto avokoa, ny zavatra ilatsahan'ny fatiny, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, na inona na inona fitaovana ampiasaina; eny, haloto mandra-paharivan'ny andro izany, ary tsy maintsy asoka anaty rano vao hadio.
33 Raha siny tanimanga no sendra ilatsahana fatim-biby madinika, dia haloto avokoa ny zavatra ao anatin'io siny io, ka tsy maintsy hovakinareo ilay siny;
34 haloto koa ny zava-pihinana rehetra notapohana rano avy amin'io siny io. Haloto ihany koa ny zava-pisotro rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na inona na inona fitaovana nisy azy.
35 Haloto avokoa ny fitaovana rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana izany na vilany mirakotra; ka tsy maintsy montsaninareo izany, satria haloto izy ka ho maloto aminareo.
36 Ny amin'ny loharano na lavaka fantsakana, sendra ilatsahana fatim-biby madinika kosa, dia hadio ihany ny rano fa izay hanala ilay fatim-biby no haloto.
37 Raha voa famafy no ilatsahan'ny fatim-biby, dia hadio ihany ny voa famafy;
38 fa raha voan-javatra hohanina ka nalona tamin'ny rano kosa no ilatsahany, dia haloto aminareo izany voan-javatra izany.
39 Raha biby fihinan-kena no maty ho azy, izay mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
40 izay mihinana amin'ny henany kosa dia haloto mandra-paharivan'ny andro sady tsy maintsy manasa fitafiana; ary izay hitondra ilay fatim-biby, dia haloto mandra-paharivan'ny andro ihany koa sady tsy maintsy manasa fitafiana.
41 Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin'ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana.
42 Aza misy haninareo ireny bibikely ireny, na ny mikisaka amin'ny kibony, na ny mandia tongotra efatra na mihoatra noho ny efatra, satria fady aminareo ireny.
43 Aoka tsy hanota fady na handoto tena amin'ireny bibikely rehetra ireny ianareo, fandrao hanjary maloto ianareo.
44 Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Masina Aho ka mitandrema tena mba ho masina ianareo; ary aoka ny tenanareo tsy holotoinareo amin'izay bibikely mandady amin'ny tany.
45 Fa Izaho no TOMPO Izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo; ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
46 Ireo no fepetra momba ny biby sy ny vorona ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano na mifanaretsaka ambonin'ny tany;
47 ka hanavahanareo ny biby madio sy maloto ary ny biby izay fihinana sy izay tsy fihinana.
Toko faha-12
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy vehivavy niandry volana ka tera-dahy, dia haloto mandritra ny fito andro izy, tahaka ny aharetan'ny fahalotoany amin'ny fadimbolany.
3 Amin'ny andro fahavalo, dia hoforana ny zaza.
4 Ary mandritra ny 33 andro aorian'izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana; ka tsy hikasika zava-masina izy na hiditra ny Toeramasina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5 Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin'ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan'ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian'izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.
6 Rehefa tapitra ny fetr'andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin'ny mpisorona eo anoloan'ny Tranolay fihaonana: zanak'ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.
7 Hatolory ny mpisorona eo anatrehan'ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin'ny ra very teo am-piterahana izy. Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
8 Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.
Toko faha-13
1 Dia niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ny TOMPO nanao hoe:2 Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin'ny hodi-nofon'ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin'i Aharona mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan'ny taranany.
3 Hozahan'ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin'ny hoditr'ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan'ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.
4 Raha misy pentina fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny olona, nefa tsy mandoaka hoditra no fahitana io pentina io sady tsy niova ho fotsy ny volo eo, dia hatokan'ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay marary.
5 Hozahan'ny mpisorona izy amin'ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.
6 Ary hozahan'ny mpisorona indray izy amin'ny andro fahafito ka raha hitany fa mihamatroka ny pentina fotsy sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hambarany hoe madio ilay olona; takopery ihany mantsy izany, ka hanasa fitafiana ilay marary, dia hadio.
7 Raha manitatra eo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ka efa nanambarany azy hoe madio, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8 Hozahan'ny mpisorona izy; ka raha hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra tokoa ny manako-pery, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa habokana izany.
9 Raha misy olona voan'ny aretina miendrika habokana, dia hoentina ho eo amin'ny mpisorona izy.
10 Hozahan'ny mpisorona ilay olona; ka raha hitany fa misy pentina mamontsina fotsy eo amin'ny hodiny sady efa niova ho fotsy ny volo eo amin'io pentina io ary misy nofo mangenahena mipoitra koa eo,
11 dia habokana efa ela teo amin'ny hodi-nofo izany, ka hambaran'ny mpisorona hoe maloto ilay marary; tsy hatokany toerana akory izy, satria efa maloto.
12 Mety ho ny hoditra manontolo mihitsy no efa ielezan'ny habokana ka henika azy hatreo antampon-doha ka hatrany am-paladia, araka izay faritra rehetra taza-mason'ny mpisorona;
13 dia hozahany akaiky ilay marary ka raha hitany fa manenika ny tenany manontolo ny habokana, dia hambarany hoe madio izy. Madio tokoa ilay olona satria efa niova ho fotsy avokoa ny hodiny.
14 Fa amin'ny andro hahitana nofo mangenahena miseho eo aminy, dia hanjary maloto izy;
15 ary rehefa voazahan'ny mpisorona io nofo mangenahena io, dia hambarany hoe maloto ilay olona; maloto manko ny nofo mangenahena fa habokana izany.
16 Raha niova kosa ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny mpisorona indray ilay olona;
17 hozahan'ny mpisorona izy, ka raha hitany fa tonga fotsy tokoa ny faritra nisy fery, dia hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay fery na madio koa ilay olona.
18 Raha misy olona manam-pery sitrana eo amin'ny hodiny,
19 nefa isehoana pentina mamontsina fotsy na pentina somary menamena eo amin'ilay hola-pery, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
20 Hozahan'ny mpisorona izy; ka raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia hambaran'ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana no efa mipoipoitra eo amin'ny hola-pery.
21 Raha voazahan'ny mpisorona kosa ilay olona, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy volo fotsy eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro;