Asan'ny Apôstôly
Toko faha-13
49 Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin'ny Tompo.50 Nomen'ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an'Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanana; dia nahatonga fanenjehana an'i Paoly sy i Barnaba ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin'ny faritany.
51 Nahintsan'i Paoly sy i Barnaba ny vovoka teny amin'ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikonioma.
52 Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiokia.
Toko faha-14
1 Tao Ikonioma dia niditra tao amin'ny sinagoga fivavahan'ny Jiosy ihany koa i Paoly sy i Barnaba; ary fatratra ny teny nataon'izy roa lahy, ka marobe ny Jiosy mbamin'ny hafa firenena no tonga mpino.2 Fa ny Jiosy izay tsy nety nino kosa nitaona sy nanome fo ny mpanompo sampy hanohitra ny havana iray finoana.
3 Nijanona elaela tao Ikonioma i Paoly sy i Barnaba ary niteny tamim-pahasahiana satria ny Tompo no nitokiany. Io Tompo io no manome porofo hahamarina ny teny torina momba ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana sy zava-mahagaga.
4 Dia nisara-tsaina ny olona marobe tao an-tanana: tao ireo niandany tamin'ny Jiosy, ary tao ireo niandany tamin'ny apostoly.
5 Efa nivonombonona tery ny mpanompo sampy sy ny Jiosy mbamin'ny lehibeny hanala baraka an'i Paoly sy i Barnaba ary hamono azy amin'ny tora-bato.
6 Vao nahatsikaritra izany izy roa lahy, dia lasa nandositra tany Listra sy Derba, tanana any Likaonia, ary tany amin'ny faritra manodidina.
7 Dia naharitra nitory ny Vaovao Mahafaly tany izy roa lahy.
8 Tao Listra dia nisy lehilahy izay nitalapetraka foana satria malemy tongotra, kilemaina hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra hatrizay niainany.
9 Nihaino an'i Paoly nandaha-teny ralehilahy. Nibanjina azy i Paoly ka nahita fa manam-pinoana ny ho sitrana izy.
10 Dia nitenenany mafy izy nataony hoe: Mitsangana ka mijoroa mahitsy amin'ny tongotrao! Niantsambotra ralehilahy ary dia namindra.
11 Rehefa nahita izay vao nataon'i Paoly ny vahoaka, dia niantsoantso mafy tamin'ny fiteny likaonianina hoe: Naka endrik'olombelona ireo andriamanitra ka tafidina aty amintsika!
12 I Barnaba moa nataon'ny vahoaka hoe Jopitera; ary i Paoly kosa nataony hoe Hermesy satria izy no mpandaha-teny.
13 Ary ilay mpisoron'i Jopitera izay nanana ny tempoliny teo am-bavahadin'ny tanana dia efa nitondra ombilahy voaravaka fehiloha voninkazo teo am-bavahady satria nikasa hanao sorona tamin'i Barnaba sy i Paoly izy mbamin'ny vahoaka.
14 Fa nony nandre izany ireo apostoly, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao anjolofo nitsarapaka tao anaty vahoaka sady niantsoantso hoe:
15 Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin'ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'ny zavatra rehetra ao aminy.
16 Tamin'ny andro lasa dia navelan'Andriamanitra samy hanaraka ny lalana mahadiavolana ny fony avy ny firenena rehetra;
17 kanefa tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin'ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.
18 Na dia niteny toy izany aza izy roa lahy, dia nananosarotra vao nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy.
19 Nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia any Pisidia sy avy tany Ikonioma. Nahazo ny fom-bahoaka ry zareo ka nitora-bato hahafaty an'i Paoly, ary nitaritarika azy teo ivelan'ny tanana satria nampoiziny ho efa maty.
20 Kanjo nony voahodidin'ny mpianatra teo i Paoly, dia nitsangana ka nody tao an-tanana. Ary lasa nankany Derba izy mbamin'i Barnaba ny ampitson'iny.
21 Nitory ny Vaovao Mahafaly tao an-tananan'i Derba ry i Paoly sy i Barnaba ka betsaka ny mpianatra azony tao. Dia niverina indray izy roa lahy nankany Listra sy Ikonioma ary Antiokia any Pisidia.
22 Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnaba ary nampirisika azy ireo haharitra amin'ny finoana ka nanao taminy hoe: Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!
23 Isam-Piangonana dia nanendry loholona ho an'ny mpianatra izy roa lahy, ary nony efa nivavaka sy nifady hanina dia nanankina ny iray Fiangonana tamin'ny Tompo Izay efa ninoan'izy rehetra rahateo.
24 Taorian'izany, dia namakivaky ny faritany Pisidia ry i Paoly sy i Barnaba ka tonga tany Pamfilia.
25 Nitory ny tenin'Andriamanitra tao Perga izy roa lahy, ary lasa nankany Atalia.
26 Avy eo no niondranany an-tsambo ho any Antiokia, dia ilay tanana nanankinana azy roa lahy tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'izao asa notontosainy izao.
27 Nony tonga tao Antiokia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny hafa firenena mba hahazoany mino.
28 Ary elaela ihany no niarahan'i Paoly sy i Barnaba nitoetra tamin'ny mpianatra tao Antiokia.
Toko faha-15
1 Nisy kristianina sasany nidina avy tany Jodea, tonga tao Antiokia ka nikatroka nampianatra ny havana iray finoana hoe: Tsy ho voavonjy ianareo raha tsy forana araka ny fomba amam-panao voalazan'ny lalanan'i Mosesy.2 Notoherin'i Paoly sy i Barnaba ry zareo ary niadiany hevitra mafy ka izao no nifanarahana: hiakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnaba mbamin'ny olona sasantsasany avy ao Antiokia mba hifampidinika amin'ny apostoly sy ny loholona momba izany raharaha iadian-kevitra izany.
3 Rehefa novatsin'ny Fiangonana ry i Paoly, dia lasa namakivaky an'i Fenisia sy i Samaria sady nitantara ombieny ombieny ny fitodihan'ny hafa firenena amin'Andriamanitra, ka nahafaly aoka izany ireo havana rehetra iray finoana.
4 Nony tonga tao Jerosalema ry i Paoly sy ny namany, dia noraisin'ny Fiangonana sy ny apostoly ary ny loholona ka nitantara taminy ny zavatra rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy ireo.
5 Fa ny mpino sasany, isan'ny tariky ny Farisianina, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireo mpino hafa firenena, ka asaina mitandrina ny lalanan'i Mosesy.
6 Dia nivory ny apostoly sy ny loholona hifampidinika momba izany raharaha izany.
7 Taorian'ny ady hevitra naharitra, dia nitsangana i Petera ka nanao hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa nofidin'Andriamanitra avy eo aminareo aho, efa ela ihany izay, mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny hafa firenena ka handrenesany sy hinoany azy.
8 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fon'ny olona, no vavolombelona niantoka azy ireo tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina, tahaka antsika koa.
9 Tsy nasiany tombo sy hala isika sy ny hafa firenena fa nodioviny fo izy ireo satria nino.
10 Koa nahoana ary no mizaha toetra an'Andriamanitra ianareo ankehitriny ka mampitondra zioga mavesatra ny mpianatra nefa samy tsy nahazaka izany na ny razantsika na ny tenantsika?
11 Mino koa isika fa ny fahasoavan'i Jesoa Tompo no amonjena antsika toy ny amonjena azy ireo ihany koa.
12 Dia nangina ny mpivory rehetra, ka nihaino an'i Barnaba sy i Paoly nitantara ny famantarana sy zava-mahagaga rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny hafa firenena.
13 Nony vita ny azy roa lahy, dia niteny kosa i Jakoba nanao hoe: Ry rahalahy, henoy aho!
14 Notantarain'i Simona teo ny fomba niahian'Andriamanitra ny hafa firenena hatrany am-boalohany, hahazoany vahoaka voatokana ho Azy avy amin'ny hafa firenena.
15 Mifanaraka tsara amin'izany ny tenin'ireo mpaminanin'Andriamanitra, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina:
16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho, hoy ny Tompo; haoriko indray ilay tranolain'i Davida izay rava, haoriko indray izay nirodana ka hajoroko.
17 Dia hitady ny Tompo ny olona sisa, mbamin'ny hafa firenena rehetra izay efa voatokana ho fananako.
18 Izany no ambaran'ny Tompo, Izay efa nampahafantatra izany zavatra izany hatramin'ny fahagolan-tany.