Asan'ny Apôstôly

Toko faha-3

14 ilay Masina sy Marina dia nolavinareo, ary lehilahy mpamono olona no nitakianareo famotsoran-keloka;

15 ilay Mpitari-dalana ho amin'ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay.

16 Nino ny anaran'i Jesoa ralehilahy izay hitanareo sy fantatrareo io, ka ny herin'ny anaran'i Jesoa no nampanjaka azy; ny finoana avy amin'i Jesoa no nahatomady azy tanteraka indray araka izao atrehinareo rehetra izao.

17 Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin'i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo.

18 Notanterahin'Andriamanitra tamin'izany anefa izay voalazany tamin'ny alalan'ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany.

19 Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin'Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;

20 dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin'ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa.

21 Kanefa tsy maintsy horaisin'ny lanitra aloha Izy mandra-piavin'ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany masina hatramin'ny fahagola.

22 Fa hoy i Mosesy: Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron'ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo; aoka hohenoinareo izay rehetra holazainy aminareo.

23 Izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra intsony.

24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny, hatramin'ny andron'i Samoela no mankaty, dia samy nitory izao andro izao.

25 Ho anareo ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo fony Izy niteny tamin'i Abrahama hoe: Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.

26 Ho anareo aloha no nampijoroan'Andriamanitra ny Mpanompony sady nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin'ny asa ratsinareo.

Toko faha-4

1 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Johany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina.

2 Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty.

3 Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Johany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro.

4 Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino.

5 Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalana

6 ary koa i Hana mpisorombe sy i Kaiafa, i Johany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe.

7 Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Johany sady nanontaniany hoe: Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8 Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe: Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona,

9 raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany,

10 dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

11 I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny vato nolavinareo mpanao trano no nanjary vato fehizoro!

12 Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

13 Gaga dia gaga ireo anisan'ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon'i Petera sy i Johany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin'i Jesoa;

14 hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan'izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.

15 Dia nasaina niala teo amin'ny efitranon'ny Fitsarana ambony ireto voampanga fa ry zareo kosa nifampidinika

16 nanao hoe: Inona no hataontsika amin'ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina.

17 Kanefa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy roa lahy ka hosakanana tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesoa intsony na amin'iza na amin'iza.

18 Dia nantsoin-dry zareo i Petera sy i Johany, ka norarany tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesoa intsony.

19 Saingy hoy izy roa lahy taminy: Tsarao raha rariny eo imason'Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an'Andriamanitra;

20 raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.

21 Norahonan'ireto manampahefana indray i Petera sy i Johany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo.

22 Fa mihoatra ny efapolo taona ralehilahy nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.

23 Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan'ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona.

24 Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin'Andriamanitra hoe: Tompo o, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy;

25 ary tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Nahoana no mioko foana ny vahoaka?

26 Nivonon-kiady ny mpanjakan'ny tany, ary nivondrona ny manampahefana mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany.

27 Marina tokoa fa i Heroda sy i Ponty Pilato, niaraka tamin'ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin'ity tanana ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.

28 Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao.

29 Tompo o, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa;

30 ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31 Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.

32 Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra.

33 Tamin-kery lehibe no nijoroan'ny apostoly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin'Andriamanitra no teo amin'ny mpino rehetra.

34 Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,

35 ka nanolotra izany teo anatrehan'ny apostoly, dia nozaraina araka izay nilain'ny tsirairay.

36 Ohatra i Josefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin'ny apostoly hoe Barnaba (izany hoe olona havanana amin'ny fampaherezana):

37 i Josefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan'ny apostoly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.976