Asan'ny Apôstôly
Toko faha-2
11 ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin'ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon'Andriamanitra?12 Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe: Inona re no hevitr'izao?
13 Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe: Mamon-divay vaovao ry zareo!
14 Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin'ny apostoly 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin'ny vahoaka hoe: Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko.
15 Tsy mamo velively araka ny fieritreretanareo akory ireo olona ireo, satria vao amin'ny sivy maraina izao.
16 Fa izay mitranga eto izao dia fahatanterahan'ilay voalazan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Joela mpaminany hoe:
17 Izao no ho tonga amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra: Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra; hilaza hafatra avy amiko ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy, hisehoam-pahitana ny tanoranareo, ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo.
18 Eny, amin'izany andro izany, dia samy handrotsahako ny Fanahiko ireo mpanompoko na lahy na vavy ka hilaza hafatra avy amiko izy rehetra.
19 Hampisehoako zava-mahatalanjona eny amin'ny habakabaka ambony ary famantarana ety amin'ny tany ambany: hisy ra sy afo ary zavon-tsetroka,
20 hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra alohan'ny higadonan'ny andro hiavian'ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.
21 Ary izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo dia ho voavonjy!
22 Ry vahoaka israelita, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any Nazareta dia Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo, satria tamin'ny alalany no nanaovan'Andriamanitra asa mahagaga sy zava-mahatalanjona ary famantarana teo anivonareo, araka izay efa fantatrareo.
23 Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin'ny fikasan'Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana tamin'ny alalan'ny ratsy fanahy;
24 nefa natsangan'Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana!
25 Hoy manko i Davida ny aminy: 'Nahita ny Tompo mandrakariva teo anatrehako aho; noho Izy eo ankavanako dia tsy hangozohozo aho.
26 Izany no nahaheni-kafaliana ny foko ary nahaheni-karavoana ny teniko. Eny, na ity nofoko ity aza dia hitoetra amim-panantenana,
27 satria tsy hafoinao ho any amin'ny toeran'ny maty aho ary tsy havelanao ho tratry ny fahalovana Ilay voatokana ho Anao.
28 Natoronao ahy ny lalana mitondra any amin'ny fiainana, hofenoinao hafaliana aho satria manatrika ahy Ianao.'
29 Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin'i Davida razambetsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany.
30 Mpaminany izy ary nahalala fa Andriamanitra dia nianiana taminy nampanantena fa hisy anankiray amin'ny taranany hitsangana ho mpanjaka handimby azy.
31 Efa tsinjon'i Davida mialoha izay hitranga ka ilay Mesia hitsangana ho velona no voalazany amin'ny hoe: 'Tsy nafoy ho any amin'ny toeran'ny maty Izy ary ny nofony tsy tratry ny fahalovana!'
32 Iny Jesoa iny no natsangan'Andriamanitra ho velona ary vavolombelona manambara izany izahay rehetra.
33 Nasandratra ho eo ankavanan'Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.
34 Satira i Davida tsy niakatra tany an-danitra fa ny tenany no milaza hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto an-kavanako;
35 Izaho kosa hanao ny fahavalona ho fitoeran-tongotrao!'
36 Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.
37 Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apostoly namany hoe: – Ry havana, inona no tokony hataonay?
38 Dia hoy i Petera taminy: - Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra.
39 Fa ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.
40 Mbola maro ny teny hafa nijoroan'i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe: - Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin'ireto olona mpaniasia ireto!
41 Koa izay nandray tsara ny tenin'i Petera dia natao batisa; ary olona tokony ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin'izany andro izany.
42 Nazoto izy ireo nihaino ny fampianaran'ny apostoly sy niombom-piainana toy ny mpiray tampo ary niara-nanao ny fiaraha-misakafo sy namonjy ny fivavahana.
43 Dia raiki-tahotra avokoa ny olona noho ny zava-mahagaga sy famantarana maro vitan'ny apostoly.
44 Niray toerana ny mpino rehetra ary niombom-pananana;
45 namidiny ny taniny sy ny fananany ka ny vola azo dia nifampizarany araka izay nilain'ny tsirairay.
46 nazoto nihaona isan'andro izy rehetra: nivory tao an-kianjan'ny tempoly, niara-nisakafo tany an-tranony avy, nihinan-kanina tamin-karavoana sy fahatsoram-po,
47 ary nidera an'Andriamanitra, hany ka mamy hoditra tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olona izay notarihin'ny Tompo ho amin'ny famonjena dia nataony nanatevin-daharana an-dry zareo isan'andro vaky.
Toko faha-3
1 Tamin'ny telo tolakandro, fotoana fivavahana, dia niakatra ho any an-kianjan'ny tempoly i Petera sy i Johany.2 Teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, dia nisy lehilahy malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Nentin'ny olona isan'andro ka napetrany teo izy mba hangataka fiantrana amin'izay olona miditra ao an-kianjan'ny tempoly.
3 Hitan-dralehilahy i Petera sy i Johany efa ndeha hiditra ka nangatahany fiantrana.
4 Izy roa lahy kosa nibanjina ilay kilemaina ary hoy i Petera taminy: Jereo izahay.
5 Dia nanao tsara jery azy roa lahy ity mpangataka satria nanantena handray zavatra avy aminy.
6 Fa hoy i Petera taminy: Tsy ananako na ny volafotsy na ny volamena, fa izay ananako no omeko anao: amin'ny anaran'i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangana ka mandehana!
7 Dia noraisin'i Petera ny tanan-kavanan'ilay kilemaina ary nasainy nitsangana izy. Natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny;
8 niantsambotra izy dia nijoro ary nandeha. Niara-niditra tamin'i Petera sy i Johany tao an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, sady nandeha no niantsambotsambotra ary nidera an'Andriamanitra.
9 Nahita azy nandeha sy nidera an'Andriamanitra toy izany ny vahoaka rehetra,
10 ka nony nahafantatra fa io indrindra ilay nipetraka nangataka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika, dia tolagaga sy talanjona noho ny zava-nitranga tamin-dralehilahy.
11 Tsy nisaraka tamin'i Petera sy i Johany ralehilahy, koa sady tolagaga ny vahoaka rehetra no nirohotra nanatona azy telo lahy teo amin'ny lala-mitafo atao hoe lala-mitafon'i Salomona.
12 Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin'ny vahoaka hoe: Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin'izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?
13 Ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin'ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy;