Jôhany
Toko faha-21
12 Ary hoy i Jesoa tamin'izy fito lahy: Avia hisakafo! Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?, satria fantany ihany fa ny Tompo io.13 Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro.
14 Izany no fisehoan'i Jesoa fanintelony tamin'ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin'ny maty.
15 Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin'i Simona Petera: Ry Simona zanakalahin'i Johany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan'ireto Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: Fahano ireo zanakondriko.
16 Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanindroany: Ry Simona zanakalahin'i Johany, moa tia Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: Aoka ianao ho mpiandry ireo ondriko.
17 Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanintelony: Ry Simona zanakalahin'i Johany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon'i Jesoa fanintelony hoe: Moa tia Ahy ve ianao?, ka hoy ny navaliny Azy: Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: Fahano ireo ondriko.
18 Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao haleha.
19 (Izany voalazan'i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: Avia hiaraka amiko!
20 Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian'i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa tamin'ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: Tompo o, iza moa ilay efa hanolotra Anao?
21 Rehefa nahita an'ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin'i Jesoa hoe: Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany?
22 Dia hoy i Jesoa tamin'i Petera: Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!
23 Noho izany teny izany, dia niely tamin'ireo havana mpino fa hoe tsy ho faty io mpianatra io; kanefa i Jesoa tsy niteny tamin'i Petera hoe: Tsy ho faty izy, fa hoe Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany?
24 Io mpianatra io no vavolombelona manambara izany zavatra izany sy nanoratra azy; ary fantatray fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.
25 Misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesoa; ka raha izany no voasoratra tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza dia tsy ho omby ny boky voasoratra.
Asan'ny Apôstôly
Toko voalohany
1 Any ianao ry Teofily, Ilay boky voalohany dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany2 ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan'ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apostoly.
3 Porofo maro no nentin'i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian'ny nahafatesany: niseho tamin'ny apostoly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakan'Andriamanitra.
4 Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe: Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain'ny Ray, izay efa renareo tamiko.
5 I Johany dia nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
6 Koa izay tafangona teo amin'i Jesoa dia nanontany Azy hoe: Tompo o, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an'i Israely?
7 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin'ny Ray araka ny fahefany manokana.
8 Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany.
9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason'izy ireo; ary nisy rahona nanakona an'i Jesoa ka tonga tsy hitan'izy ireo intsony Izy.
10 Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran'i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy tafajoro tampoka teo anilany
11 ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.
12 Dia niverina nankany Jerosalema ny apostoly, rehefa niala teo amin'ilay tendrombohitra atao hoe Analanoliva, tendrombohitra akaiky an'i Jerosalema tokony ho iray kilaometatra (halaviran-dalana azo aleha amin'ny sabata).
13 Ka nony tonga tao an-tanana izy ireo, dia niakatra tao amin'ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Johany, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Toma, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanakalahin'i Halfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy zanakalahin'i Jakoba.
14 Niray fo izy rehetra sady nazoto nivavaka niaraka tamin'ny vehivavy mpino sy i Maria renin'i Jesoa mbamin'ireo rahalahin'i Jesoa.
15 Andro vitsivitsy taorian'izany nony tafavory ny mpino miisa tokony ho 120, dia nitsangana teo afovoan'izy rehetra i Petera ka nanao hoe:
16 Ry havako, tsy maintsy notanterahina izay nambaran'ny Fanahy Masina mialoha ao amin'ny Soratra Masina; fa niteny tamin'ny alalan'i Davida Izy ny amin'i Jodasy izay tonga mpitarika ireo nisambotra an'i Jesoa;
17 anisanay apostoly ihany i Jodasy ary nandray anjara tamin'izao fanompoanay izao.
18 Koa izany lehilahy izany dia efa nahavidy saha ho an'ny tenany tamin'ny vola azony, tambin'ny heloka vitany; potraka nihohoka izy, nipoaka ny kibony ka nivaroraka daholo ny tsinainy.
19 Fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, hany ka io saha io dia nantsoin-dry zareo amin'ny fiteniny hoe Hakeldama, izany hoe Sahan-dra.
20 Fa izao no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'ny Salamo: Aoka ho lao ny tranony, ary aoka tsy honenan'olona akory! Ary izao koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny andraikiny!
21 Ao ireo lehilahy mpiara-dia taminay nandritra ny andro rehetra nifaneraseran'i Jesoa Tompo taminay,
22 hatramin'ny andro nanaovan'i Johany batisa an'i Jesoa ka hatramin'ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin'ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.
23 Nisy roa lahy natokana hifidianana, dia i Josefa atao hoe Barsabasy, izay nampiana anarana hoe Imarina, sy i Matia.
24 Ary niara-nivavaka izy rehetra nanao hoe: Ianao no mahalala ny fon'ny olona tsy an-kanavaka, Tompo o, ka asehoy izay nofidinao tamin'izy roa lahy ireto,
25 handray ny toerana amin'izao fanompoana maha apostoly izao, fa nilaozan'i Jodasy izany hankanesany any amin'ny toerany manokana.
26 Dia nanaovana antsapaka izy roa lahy, ary voatendrin'ny antsapaka i Matia, ka dia izy no lany ho naman'ny apostoly 11 lahy.
Toko faha-2
1 Nony tonga ny andro Pentekosta, dia tafangona teo amin'io efitrano io ihany ny mpino rehetra.2 Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany.
3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho tamin'ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin'ny tsirairay avy.
4 Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan'ny Fanahy azy avy.
5 Tamin'izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin'ny firenen-tsamihafa ambanin'ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema.
6 Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy.
7 Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe: Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo?
8 Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika?
9 Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezopotamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadosia, Ponto, Azia,
10 Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin'ny faritanin'i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Roma;