Asan'ny Apôstôly

Toko faha-7

44 Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan'ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan'Andriamanitra tamin'i Mosesy rahateo.

45 Dia mbola noraisin'ireo razantsika tafaraka tamin'i Josoa ilay tranolay ary nentiny niditra tao amin'ny tany fananan'ireo hafa firenena; fa noroahin'Andriamanitra teo anoloan'ny razantsika manko ireo hafa firenena. Tao hatrany ilay tranolay mandra-pahatongan'ny andro nanjakan'i Davida.

46 Nahazo tombon-tsoa tamin'Andriamanitra i Davida ary nangataka mba hanao trano fonenana ho an'ny Andriamanitr'i Jakoba.

47 Kanjo i Salomona no nanorina trano ho Azy.

48 Ilay Andriamanitra Avo indrindra anefa dia tsy mitoetra amin-trano vitan'olombelona, araka ny tenin'ny mpaminany hoe:

49 Ny lanitra no sezafiandrianako, hoy ny Tompo; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano manao ahoana no haorinareo ho Ahy, ary toerana inona no hitsaharako?

50 Angaha tsy asan'ny tanako izao rehetra izao?

51 Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadiny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.

52 Iza moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'ireo mpanambara ny hahatongavan'ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.

53 Nandray ny lalanan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.

54 Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefana.

55 Feno Fanahy Masina kosa i Stefana ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra,

56 ary niteny hoe: Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.

57 Dia nihoraka ireo tao amin'ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadiny. Ary indray niantoraka teny amin'i Stefana izy rehetra,

58 ka nitarika azy tany ivelan'ny tanana sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr'izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.

59 Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefana kosa niantso ny Tompo nanao hoe: Ry Jesoa Tompo o, raiso ny fanahiko!

60 Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: Tompo o, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

Toko faha-8

1 Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an'i Stefana. Androtr'iny ihany dia nipoaka ny fanenjehana mahery vaika nihatra tamin'ny Fiangonana tao Jerosalema. Niely patrana eran'ny faritany Jodea sy Samaria ny mpino rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.

2 Nisy kosa mpivavaka tsara nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.

3 Tamin'izay i Saoly dia nilofo handringana ny Fiangonana. Noteteziny nidirana ny isan-trano, nataony sinto-mahery navoaka ny mpino na lahy na vavy ka nalefany tany am-ponja.

4 Koa ireo naelin'ny fanenjehana dia nitety tany nitory ny Vaovao Mahafaly raketin'ny tenin'Andriamanitra.

5 Nidina tao an-tanana Samaria i Filipo ka nanambara ny Mesia tamin'ny mponina tao.

6 Indray babo avokoa ny vahoaka tamin'izay nolazain'i Filipo, raha nandre laza sy nahita maso ny famantarana vitany.

7 Fa maro ny olona nandroahana fanahy maloto ary nikiakiaka ireny fanahy maloto ireny rehefa niala; maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana.

8 Avy nilaza izany izy, dia nodimandry.

9 Nisy lehilahy atao hoe Simona efa tao amin'izany tanana izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran'i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.

10 Babony daholo ny olona, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe, ka vaky vava hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe hery lehibe.

11 Babon'i Simona tokoa ny olona satria hatramin'ny ela no talanjona tamin'ny majikany.

12 Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorin'i Filipo momba ny Fanjakan'Andriamanitra sy momba an'i Jesoa Kristy izy ireo, dia niroso hatao batisa avokoa na lahy na vavy.

13 Ny tenan'i Simona koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an'i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.

14 Ren'ny apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Johany.

15 Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina;

16 satria tsy mbola nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany.

17 Dia nametrahan'i Petera sy Johany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.

18 Nony hitan'i Simona fa ny fametrahan'ny apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin'ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Johany

19 sady nataony hoe: Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20 Fa hoy i Petera taminy: Vereza miaraka amin'ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.

21 Tsy misy anjaranao na lovanao amin'ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra ianao.

22 Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin'ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao.

23 Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24 Dia hoy i Simona tamin'i Petera sy i Johany: Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

25 Rehefa avy nanao fijoroana vavolombelona sy nitory ny tenin'ny Tompo ry i Petera sy i Johany, dia nitodi-doha ho any Jerosalema, ka nanambara ny Vaovao Mahafaly teny amin'ny tanana kely maro eran'i Samaria.

26 Nisy anjelin'ny Tompo nanao tamin'i Filipo hoe: Ndeha ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.

27 Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiopianina: izy io dia manamboninahitra tandapan'ny Kandasy (mpanjakavavin'i Etiopia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka,

28 ary efa mby an-dalana hody tamin'izay. Nipetraka tao amin'ny kalesiny izy ary namaky ny bokin'i Isaia mpaminany.

29 Dia hoy ny Fanahy Masina tamin'i Filipo: Mandrosoa ka hatony io kalesy io.

30 Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiopianina namaky ny bokin'i Isaia mpaminany, ary nanontany azy hoe: Azonao ve ny teny vakinao?

31 Dia novalian-dralehilahy hoe: Ahoana moa no ho azoko, raha tsy mba misy manazava? Niangavian'ilay tandapa i Filipo mba hitaingina ny kalesiny ary hipetraka eo anilany.

32 Izao kosa no andalan'ny Soratra Masina vinakin'ilay tandapa: Toy ny ondry nentina hovonoina Izy, ary toy ny zanak'ondry moana manoloana ny mpanety azy: tsy niloa-bava akory!

33 Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny. Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin'izay taranany? Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9322