Asan'ny Apôstôly

Toko faha-6

9 Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin'ny sinagogan'ny Libertina, sy ny sinagogan'ny Aleksandrianina mbamin'ny sinagogan'ireo terak'i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin'i Stefana izy rehetra ireo,

10 kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin'ny Fanahy Masina Izay nampiteny an'i Stefana.

11 Tamin'izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: Renay nanevateva an'i Mosesy ary nanevateva an'Andriamanitra iny Stefana iny.

12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpahay lalana. Dia nirohotan'ireo mpanohitra azy i Stefana, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin'ny Fitsarana ambony

13 sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe: Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly masina ity sy ny lalanan'i Mosesy io lehilahy io,

14 satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr'i Mosesy antsika.

15 Samy nibanjina an'i Stefana izay rehetra tao amin'ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin'anjely.

Toko faha-7

1 Hoy kosa ny mpisorombe tamin'i Stefana: Izany tokoa ve no izy?

2 Dia novaliany hoe: Ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny, henoy aho. Ilay Andriamanitra be voninahitra dia niseho tamin'i Abrahama razantsika fony izy tany Mezopotamia fa mbola tsy nifindra monina tany Harana.

3 Ary hoy Andriamanitra taminy: Ilaozy ny tanindrazanao sy ny havanao ka mankanesa any amin'ny tany izay hasehoko anao.

4 Dia nandao ny tanin'ny Kaldeanina i Abrahama ka nifindra monina tany Harana. Rehefa maty irainy, dia nafindran'Andriamanitra avy tany Harana izy hanketo amin'ity tany izay onenanareo ankehitriny ity.

5 Tsy nisy faritra natolotr'Andriamanitra ho anjara lovan'i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain'Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan'ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin'izany fotoana izany,

6 kanefa toy izao no tenin'Andriamanitra taminy: Honina any an-tanin'olona ny taranakao mandritra ny efajato taona sady handevozina sy hampahorina.

7 Hofaiziko anefa ny firenena hanandevo azy; aorian'izany no hialan'ny taranakao avy any ka hanompoany Ahy eto amin'ity toerana ity.

8 Ary nanao fanekempihavanana tamin'i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran'i Abrahama an'i Itsehaka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran'i Itsehaka an'i Jakoba, ary namoran'i Jakoba an'ireo razambe 12 mirahalahy.

9 Nialona an'i Josefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nomban'Andriamanitra i Josefa,

10 ka nafahany tamin'ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta. Dia notendren'ny Farao ho mpifehy an'i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Josefa.

11 Tamin'izay dia nisy mosary nanerana an'i Ejipta sy i Kanahana manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.

12 Nony ren'i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta, dia nirahiny hankany indray mandeha aloha ireo razantsika.

13 Raha nankany fanindroany ny razantsika, dia nanambara tena tamin'ireo rahalahiny i Josefa, ary fantatry ny Farao tamin'izay ny fianakaviana niavian'i Josefa.

14 Dia nampanalain'i Josefa i Jakoba rainy mbamin'ny ankohonany manontolo izay nisy olona 75 mianaka.

15 Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakoba sy ny razantsika.

16 Dia nafindra ho any Sekema ny taolam-balon'ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana novidin'i Abrahama vola tamin'ny taranak'i Hemora tany Sekema.

17 Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin'i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.

18 Avy eo nisy mpanjaka hafa nijoro tany Ejipta, dia mpanjaka tsy mba nahalala an'i Josefa.

19 Fetsy ratsy tamin'ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin'ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.

20 Tamin'izany fotoana izany no nahaterahan'i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason'Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy;

21 fa nony voatery nariana, dia nalain'ny zanakavavin'ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany.

22 Notezaina tamin'ny fahaizana isan-karazany nananan'ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin'ny teniny sy ny asany.

23 Rehefa feno efapolo taona i Mosesy, dia tapa-kevitra ny hamangy an'ireo Israelita havany.

24 Nahita Israelita anankiray nihetraketrahan'ny Ejiptianina i Mosesy ka niaro ilay nampahorina ary namono nahafaty ilay Ejiptianina mba hamaly faty an'ilay Israelita.

25 Noheverin'i Mosesy ho takatr'ireo Israelita havany fa izy no hampiasain'Andriamanitra ho famonjena azy; saingy tsy takany velively.

26 Ny ampitson'iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin'i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?

27 Fa natosik'ilay namely i Mosesy sady nataony hoe: Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?

28 Moa tianao hovonoina koa ve aho tahaka ny namonoanao an'ilay Ejiptianina omaly?

29 Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiana, ary nanan-janaka roa lahy tany.

30 Efapolo taona taorian'izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin'i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay.

31 Gaga i Mosesy raha nisehoan'izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon'ny Tompo nanao hoe:

32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba! Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika.

33 Ary hoy ny Tompo taminy: Esory ny kapanao, fa masina io tany ijoroanao io.

34 Efa hitako tokoa fa miferinaina ny vahoakako any Ejipta ary efa reko mitoloko lava ka tafidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny, ndeha ianao hirahiko ho any Ejipta.

35 Io ilay Mosesy nolavin'ny Israelita ka nataony hoe: Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?, kanefa nirahin'Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban'ny herin'ilay anjely niseho taminy tanatin'ny roimemy.

36 I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita.

37 I Mosesy ihany koa no nilaza tamin'ny Israelita hoe: Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron'Andriamanitra ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo!

38 Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan'ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin'Andriamanitra mba homena antsika.

39 Tsy te hanoa an'i Mosesy anefa ny razantsika fa nanohitra azy ary naniry hiverina ilalana ho any Ejipta indray.

40 Ka hoy ny vahoaka Israely tamin'iAharona: Anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay, fa tsy fantatray izay nahazo an'iny Mosesy namoaka anay hiala tany Ejipta iny.

41 Tamin'izay dia sampy mitarehin-janak'omby no namboarin'ny vahoaka Israely sy nanaterany sorona, ka ny asan'ny tanany ihany no niravoravoany.

42 Niambohoan'Andriamanitra kosa ny vahoakany ka navelany hivavaka amin'ny masoandro sy kintana amam-bolana, araka izay voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Ry vahoaka Israely, nitondra sorona amam-panatitra ho Ahy ve ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?

43 Tsia, fa nolanjainareo kosa ny tranolain'ny sampy atao hoe Moloka sy ny sarin'ilay andriamanitrareo mitarehin-kintana atao hoe Refana, dia ireo endri-javatra vitan'ny tananareo mba hivavahana. Noho izany, dia hataoko lasan-ko babo any an-dafin'i Babilona ianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.926