Jôhany

Toko faha-19

35 Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.

36 Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.

37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: Hijery ilay nolefonina izy ireo.

38 Taorian'izany, dia nangataka tamin'i Pilato i Josefa avy any Harimatia, mba hahazo manaisotra ny vatan'i Jesoa. Mpianatr'i Jesoa i Josefa, saingy an-tsokosoko noho izy natahotra ireo manampahefana jiosy. Neken'i Pilato ny fangatahany, ka dia lasa izy nanaisotra ny vatan'i Jesoa.

39 Tonga koa i Nikodema (ilay nanatona an'i Jesoa andro alina teo aloha) nitondra ny miora sy aloesy nampifangaroina, tokony ho telopolo kilao.

40 Noraisin'izy roa lahy ny vatan'i Jesoa, ka nofonosina lamba nasiana zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy raha mamboatra faty halevina.

41 Nisy saha anankiray kosa teo amin'ilay toerana nanomboana an'i Jesoa; ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona mihitsy tao anatin'ilay saha.

42 Koa satria andro fiomanana ho an'ny Jiosy tamin'izay sady akaiky eo ny fasana, dia tao no nandevenan'izy roa lahy an'i Jesoa.

Toko faha-20

1 Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin'ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.

3 Dia niainga i Petera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana.

4 Niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nihazakazaka faingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra anankiray, ka tonga taloha teo amin'ny fasana.

5 Dia niondrika nitsirika izy, ka nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra.

6 Tonga koa i Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana, ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo

7 sy ny lambakely nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana tery.

8 Tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.

9 Tsy mbola fantatr'ireo mpianatra manko ny Soratra Masina manambara fa i Jesoa dia tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty.

10 Dia lasa izy roa lahy nody tany aminy.

11 I Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika tao am-pasana,

12 ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka teo amin'izay nandrian'ny vatan'i Jesoa: ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.

13 Dia hoy ireo anjely tamin'i Maria: Nahoana ianao no mitomany? Ka novaliany hoe: Nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.

14 Dia nitodika i Maria nony avy nilaza izany, ka nahita an'i Jesoa nijoro teo, saingy tsy fantany hoe i Jesoa io.

15 Dia hoy Jesoa taminy: Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao? Noheverin'i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe: Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy!

16 Fa hoy i Jesoa taminy: Ry Maria! Dia nitodika ravehivavy ka niteny aramianina taminy hoe: Rabony (izany hoe Mpampianatra)!

17 Hoy kosa i Jesoa taminy: Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin'ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.

18 Dia lasa i Maria Magdalena ka nanambara tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho! Ary nambarany koa ireo hafatra nambaran'i Jesoa taminy.

19 Ny harivan'io alahady io ihany, dia vory tao amin'ny trano iray ny mpianatra; ary noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy, dia voahidy avokoa ny varavarana. Kanefa tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao taminy hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

20 Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny fony, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.

21 Dia hoy indray i Jesoa taminy: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa.

22 Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe: Raiso ny Fanahy Masina.

23 Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela.

24 Fa i Toma, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin'ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin'ireo mpianatra fony tonga i Jesoa.

25 Ka hoy ny mpianatra sasany tamin'i Toma: Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Toma taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin'ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho.

26 Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Toma. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

27 Avy eo dia hoy Izy tamin'i Toma: Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!

28 Dia namaly i Toma ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!

29 Fa hoy i Jesoa taminy: Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

30 Maro koa ny famantarana hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany no tsy voasoratra amin'ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra, ary mba hahavelona aina anareo amin'ny alalany, raha mino Azy ianareo.

Toko faha-21

1 Tamin'izany, dia niseho tamin'ny mpianany indray i Jesoa teo amoron'ny farihin'i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany.

2 Tafaraka i Simona Petera, sy i Toma ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kana any Galilea, mbamin'ireo zanakalahin'i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa.

3 Fa hoy i Simona Petera tamin'izy enin-dahy: Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory.

4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nijoro teo amorom-parihy i Jesoa, kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.

5 Dia hoy i Jesoa taminy: Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka? Ka novalian'ireo hoe: Tsia!

6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro.

7 Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera: Ny Tompo io! Vao ren'i Simona Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano.

8 Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo.

9 Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo.

10 Ka hoy i Jesoa taminy: Itondray trondro amin'ireo vao azonareo teo.

11 Dia niakatra tao an-tsambokely i Simona Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9575