Asan'ny Apôstôly
Toko faha-5
1 Nisy kosa lehilahy atao hoe Hanania nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny.2 Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apostoly.
3 Dia hoy i Petera taminy: Ry Hanania, nahoana no dia nameno ny fonao i Satana ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany?
4 Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.
5 Nony nandre izany teny izany i Hanania, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany.
6 Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.
7 Sahabo ho adiny telo taorian'izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo.
8 Ka hoy i Petera taminy: Lazao ahy kely hoe: izany ihany ve no nivarotanareo ny taninareo? Dia novalian'i Safira hoe: Eny, izany ihany no nivarotanay azy!
9 Ary hoy i Petera taminy: Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin'ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.
10 Niaraka tamin'izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan'ny tongotr'i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan'i Hanania vadiny.
11 Raiki-tahotra mafy ny Fiangonana manontolo mbamin'izay rehetra nandre izany.
12 Famantarana sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apostoly teo amin'ny vahoaka. Niray fo ny mpino rehetra nivory teo amin'ny lala-mitafon'i Salomona,
13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon'ny vahoaka tsara laza izy ireo.
14 Ary vao mainka marobe ny lehilahy amam-behivavy mpino ny Tompo ka nanatevin-daharana an-dry zareo.
15 Nentin'ny olona teny amin'ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan'ny tandindon'i Petera ahay, raha sendra nandalo izy.
16 Nisy vahoaka marobe koa, avy amin'ny tanana manodidina an'i Jerosalema, nirohotra nitondra ny marary sy izay ampahorin'ny fanahy maloto, ary dia sitrana avokoa ireo.
17 Tonga kosa tamin'izay ny mpisorombe sy ny mpiandany aminy tsy an-kanavaka, izany hoe ny antoko Tsadoseanina; nisafoaka fatratra ry zareo
18 ka nisambotra ny apostoly sy nanao azy am-ponja.
19 Nefa nony alina, dia nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny fonja ary namoaka ny apostoly sady nanao taminy hoe:
20 Mandehana mankao an-kianjan'ny tempoly ary lazalazao amin'ny vahoaka ny teny rehetra momba izao fiainam-baovao izao.
21 Nanoa izany teny izany ny apostoly, ka nankany an-kianjan'ny tempoly vao maraina be ary nampianatra. Tamy kosa ny mpisorombe sy ny mpiandany aminy ka namory ny Fitsarana ambony, izany hoe ny loholona rehetra teo amin'ny vahoaka israelita, ary naniraka mpandraharaha tany am-ponja haka ny apostoly.
22 Tsy nahita azy ireo tao am-ponja anefa ny mpandraharaha nony tonga tao, ka niverina tany amin'ny Fitsarana ambony nanao izao tatitra
23 izao: Hitanay fa ny fonja dia nihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana. Nefa nony voavohanay ny varavarana, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Raha nandre izany teny izany ity lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohandoha-mpisorona, dia very hevitra ny amin'ireo apostoly sy ny hiafaran'izao toe-javatra izao.
25 Tamin'izay kosa dia nisy olona anankiray tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy nataonareo am-ponja ireny, dia indreo ao an-kianjan'ny tempoly ao sady mampianatra ny vahoaka.
26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ireo mpandraharaha naka ny apostoly, kanefa tsy nanao an-keriny satria natahotra sao torahan'ny vahoaka vato.
27 Nentina ireo apostoly, naroso teo anatrehan'ny Fitsarana ambony, ary nadinin'ny mpisorombe
28 nataony hoe: Noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'ny anaran'iny Lehilahy iny; kanjo vao mainka nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema iray vohitra, ka satrinareo ho tompon'andraikitra amin'ny nahafatesan'iny Lehilahy iny izahay.
29 Fa novalian'i Petera sy ny apostoly hoe: Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.
30 Efa natsangan'ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin'ny hazofijaliana no namonoanareo azy.
31 Efa nasandratr'Andriamanitra eo ankavanany Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan'ny vahoaka Israely miala amin'ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka.
32 Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin'ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra ny olona manaiky Azy.
33 Nisafoaka ny tao amin'ny Fitsarana ambony raha nandre izany teny izany ka nikasa hamono ny apostoly.
34 Kanefa nisy Farisianina atao hoe Gamaliela, anisan-dry zareo sady mpahay lalana heni-kaja tamin'ny vahoaka rehetra; nitsangana teo afovoan'ny Fitsarana ambony i Gamaliela, dia nasainy navoaka vetivety ireo apostoly,
35 ary hoy izy tamin'ny mpivory: Ry lehilahy israelita, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
36 Vao tsy ela akory no nijoroan'i Teodasy, izay nanao ny tenany ho zavatra; nisy sahabo ho efajato lahy ireo niandany taminy. Novonoina izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy, ka tonga tsinontsinona.
37 Taorian'i Teodasy, dia nijoro indray i Jodasy avy any Galilea, tamin'ny andron'ny fanisam-bahoaka ary nahataona olona maro nanaraka azy. Novonoina koa izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy.
38 Koa izao no teniko aminareo ankehitriny: aza raharahaina ireo olona ireo, fa avelao izy handeha, satria handamoka io fikasana io na io asa io raha avy amin'olombelona fotsiny.
39 Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia ianareo indray no tonga mpiady amin'Andriamanitra. Dia nanaiky an'i Gamaliela ny Fitsarana ambony.
40 Nantsoin-dry zareo indray ny apostoly, nasainy nodarofana kapoka ary norarany tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesoa intsony, vao nalefany.
41 Koa tamin-kafaliana no nialan'ny apostoly teo amin'ny Fitsarana ambony, satria nataon'Andriamanitra mendrika halaim-baraka ho voninahitr'i Jesoa.
42 Ary tsy nitsahatra izy ireo nampianatra isan'andro na teo an-kianjan'ny tempoly na tany an-tranon'olona, ka nitory ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa ilay Mesia.
Toko faha-6
1 Tamin'izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra, ka nifanditra tamin'ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin'ny fizarana sakafo isan'andro.2 Dia novorin'ny 12 lahy ny mpianatra rehetra ka nataony hoe: Tsy rariny raha ilaozanay mitantana sakafo ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra.
3 Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany.
4 Izahay kosa dia hilofo amin'ny vavaka sy ny fitorian-teny.
5 Nankasitrahan'ny besinimaro izany teny izany. Dia nofidin'ny mpianatra i Stefana lehilahy vontom-pinoana sy feno Fanahy Masina, ary koa i Filipo sy i Prokoro, i Nikanora sy i Timona, i Parmena ary i Nikola; ka i Nikola dia hafa firenena avy any Antiokia, efa mpanaraka ny fivavahana jiosy.
6 Naroso teo anatrehan'ny apostoly izy fito lahy ka nanaovan'ny apostoly vavaka sy nametrahany tanana.
7 Niroborobo ny tenin'Andriamanitra, nitombo be dia be ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema, ary nisy mpisorona maro nanaiky ny finoana.
8 Feno fitahiana sy hery avy amin'Andriamanitra i Stefana ka nanao zava-mahagaga sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.