Jôhany
Toko faha-9
20 Dia izao no navalin'ny ray aman-dreniny: Fantatray fa izy io dia zanakay sady teraka jamba;21 fa tsy fantatray ny fomba nahiratany ankehitriny, ary tsy fantatray koa izay olona nampahiratra ny masony. Izy anontaniana fa efa lehibe, ka dia izy ihany no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany no tenin'ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an'i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin'ny sinagoga.
23 Ka izany no nitenenan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, ka izy anontaniana!
24 Dia nantsoin'ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe: Lazao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny.
25 Ka hoy ny navaliny azy: Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray ihany no fantatro: jamba aho taloha fa mahiratra ankehitriny.
26 Dia hoy ireo taminy: Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao?
27 Fa novaliany hoe: Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany koa ve ianareo?
28 Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe: Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany.
30 Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe: Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy!
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba.
33 Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.
34 Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay? Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagoga ilay jamba taloha.
35 Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagoga ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe: Mino ny Zanak'olona ve ianao?
36 Fa novaliany hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Dia hoy i Jesoa taminy: Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!
38 Ka hoy ralehilahy hoe: Mino aho, Tompoko! Sady niankohoka teo anatrehany izy.
39 Dia hoy i Jesoa: Ho fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra!
40 Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe: Izahay koa ve jamba?
41 Dia hoy i Jesoa taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.
Toko faha-10
1 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay tsy miditra amin'ny vavahady mankao amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy;2 fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3 Ny mpiandry no vohan'ny mpiambina vavahady; ary ny ondry mihaino ny feon'ny mpiandry izay miantso ny ondriny araka ny anarany avy sy mamoaka azy.
4 Rehefa tafavoakany avokoa ny ondriny, dia lasa izy mialoha azy; ary manaraka azy ny ondriny, satria mahalala ny feony.
5 Ny vahiny kosa tsy mba harahin'ny ondry fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ireo vahiny.
6 Izany fanoharana izany dia nolazain'i Jesoa tamin'ireo Jiosy, kanefa tsy azon-dry zareo ny zavatra noresahiny taminy.
7 Dia hoy indray i Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin'ny ondry.
8 Mpangalatra sy jiolahy avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no vavahady: raha amin'ny alalako no idiran'ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona.
10 Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.
11 Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry.
12 Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy.
13 Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry.
14 Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy,
15 tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry.
16 Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana.
17 Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray.
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko.
19 Dia nisara-tsaina indray ny Jiosy noho izany teny izany.
20 Maro tamin'ireo no nanao hoe: Ondranondranana io sady very saina, ka inona no ihainoanareo Azy?
21 Ny sasany kosa nanao hoe: Tsy mba tenin'olona azon-demony izany! Demony ve mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
22 Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana.
23 I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly, teo amin'ny lala-mitafon'i Salomona.
24 Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!
25 Dia hoy i Jesoa taminy: Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy,
26 nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko.
27 Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy.
28 Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.