Jôhany

Toko faha-7

32 Ren'ny Farisianina ny vahoaka mitakoritsika ny amin'i Jesoa toy izany; ka naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina.

33 Dia hoy i Jesoa: Kely foana sisa no itoerako aminareo, dia hankany amin'Ilay naniraka Ahy aho.

34 Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, satria ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha!

35 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia nifampilaza hoe: Aiza no toerana halehan'ilay io no tsy ho hitantsika Izy? Hankany amin'ireo Jiosy miely any amin'ny Grika ve Izy ka hampianatra ny Grika?

36 Inona no hevitr'ity teny voalazany hoe: Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, sady ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha?

37 Tamin'ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;

38 ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!

39 Ny Fanahy Masina efa horaisin'ireo nino an'i Jesoa no voalazany tamin'izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.

40 Ny sasany tamin'ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany!

41 Ny sasany nanao hoe: Ity no ilay Mesia! Ny sasany kosa nanao hoe: Fa angaha avy any Galilea no iavian'ny Mesia?

42 Tsy efa voalazan'ny Soratra Masina ve fa avy amin'ny taranak'i Davida sady avy ao Betlehema tanana nonenan'i Davida no iavian'ny Mesia?

43 Koa nisara-tsaina ny amin'i Jesoa ny vahoaka;

44 ny sasany tamin'izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.

45 Dia niverina tany amin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ny mpiandry raharaha ka nilazan-dry zareo hoe: Ahoana no tsy nitondranareo Azy?

46 Dia novalian'ny mpiandry raharaha hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany!

47 Ka hoy ny Farisianina taminy: Ianareo koa angaha voafitaka?

48 Moa ve misy anankiray amin'ireo filohantsika na anankiray amin'ireo Farisianina mba nino Azy?

49 Saingy ireto vahoaka tsy mahalala ny lalanan'i Mosesy no olona voaozona!

50 Fa i Nikodema, ilay efa nanatona an'i Jesoa teo aloha sady anisan'ny Farisianina, dia niteny tamin-dry zareo hoe:

51 Moa ny lalanantsika ve manameloka olona raha tsy efa re aloha izy sady fantatra izay nataony?

52 Dia novalian'ireo hoe: Ianao koa angaha mba avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany mipoitra avy any Galilea!

53 Dia samy lasa nody any an-tranony avy ry zareo.

Toko faha-8

1 Fa i Jesoa kosa lasa nankeny amin'ny tendrombohitra Analanoliva.

2 Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo.

3 Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin'ny mpahay lalana sy ny Farisianina ravehivavy, ka narosony teo anoloan'ny olona;

4 dia hoy ry zareo tamin'i Jesoa; Mpampianatra o, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity.

5 Ary i Mosesy, ao amin'ny lalana, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana?

6 Nolazain'ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tanany.

7 Ry zareo amin'izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin'ireo hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany!

8 Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin'ny tany.

9 Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin'ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan'ny olona.

10 Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe: Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha?

11 Dia novaliany hoe: Tsy nisy, Tompoko! Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho koa tsy manameloka anao! Mandehana, ka aza manota intsony manomboka izao!]

12 Tamin'izay dia nitenenan'i Jesoa indray ny vahoaka nataony hoe: Izaho no fahazavana ho an'izao tontolo izao; izay miaraka amiko tsy mba handeha anatin'ny haizina, fa hanana ny fahazavana vokatry ny aina!

13 Ka hoy ny Farisianina tamin'i Jesoa: Vavolombelona manambara tena Ianao, ka tsy azo antoka ny fijoroanao ho vavolombelona!

14 Fa novalian'i Jesoa hoe: Na dia vavolombelona manambara tena aza Aho, dia azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay iaviako na izay alehako!

15 Ianareo dia mitsara araka ny fanaon'olombelona; Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza.

16 Ary raha mitsara Aho, dia mahitsy ny fitsarako; satria tsy irery Aho no mitsara, fa miaraka amiko ny Ray Izay naniraka Ahy.

17 Voasoratra ao amin'ny lalananareo fa azo antoka ny fijoroan'ny olona roa ho vavolombelona;

18 Izaho dia vavolombelona manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy koa.

19 Dia hoy ny Farisianina taminy: Aiza ny Rainao? Fa novalian'i Jesoa hoe: Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko ihany koa.

20 Ireo teny ireo dia nolazain'i Jesoa teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, fony Izy nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony.

21 Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny vahoaka: Handeha Aho ka hotadiavinareo, saingy ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; izay alehako tsy azonareo aleha.

22 Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena angaha Izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha?

23 Fa novalian'i Jesoa hoe: Ianareo dia avy ety an-tany; Izaho kosa avy any an-danitra. Ianareo dia avy amin'izao tontolo izao; Izaho kosa tsy mba avy amin'izao tontolo izao.

24 Koa izany no nilazako taminareo hoe: Ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy inoanareo fa Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo!

25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Ianao? Ka novalian'i Jesoa hoe: Ilay lazaiko aminareo indrindra!

26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana ny aminareo Aho; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.

27 Saingy tsy fantatr'ireo fa ny Ray no voalazany taminy.

28 Ka hoy i Jesoa taminy: Rehefa voasandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay; sady tsy manao na inona na inona avy amin'ny tenako aho, fa izay nampianarin'ny Ray Ahy no lazaiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1451