Jôhany

Toko faha-6

53 Ka hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan'ny Zanak'olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo.

54 Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany.

55 Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa!

56 Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny.

57 Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin'ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy.

58 Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin'ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

59 Izany teny izany no nataon'i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin'ny sinagoga tany Kafarnahoma.

60 Koa maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe: Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?

61 Fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy: Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany?

62 Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay nitoerany taloha?

63 Ny Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo handray ny Fanahy Masina mamelona aina,

64 kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)

65 Ary hoy i Jesoa: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany!

66 Nanomboka tamin'io fotoana io dia maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony.

67 Ka hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy: Ianareo koa ve mba te hiala?

68 Dia novalian'i Simona Petera hoe: Tompo o, hankany amin'iza ary izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay;

69 sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra!

70 Fa hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy: Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly ny anankiray aminareo!

71 Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin'i Simona Iskariota; izy io manko, na dia anisan'ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an'i Jesoa.

Toko faha-7

1 Taorian'izany i Jesoa dia nitety an'i Galilea fa tsy te hitety an'i Jodea, satria notadiavin'ny manampahefana jiosy hovonoina.

2 Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon'ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay;

3 ka hoy ny rahalahin'i Jesoa taminy: Miala eto Ianao ka mandehana any Jodea, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ireo asa ataonao.

4 Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.

5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy;

6 ka hoy i Jesoa taminy: Tsy mbola migadona ny fotoanandroko, fa ny fotoanandro dia mety lalandava ho anareo.

7 Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.

8 Miakara any amin'ny fankalazana ianareo, fa Izaho tsy mbola miakatra any amin'izany fankalazana izany, satria tsy mbola feno ny fotoanandroko.

9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nijanona tao Galilea ihany.

10 Rehefa lasa niakatra any amin'io fankalazana io ny rahalahiny, dia niakatra koa i Jesoa, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina.

11 Nandritra ny fankalazana dia nitady Azy ny manampahefana jiosy ary fatra-panontany hoe: Aiza Izy?

12 Ary nitakoritsika be ny amin'i Jesoa ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: Tsara fanahy Izy; ny sasany kosa nanao hoe: Tsy izany, fa mamitaka ny vahoaka Izy.

13 Saingy tsy nisy niresaka Azy an-karihary noho ny fahatahorana ny manampahefana jiosy.

14 Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra.

15 Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe: Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy?

16 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy.

17 Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny.

18 Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy.

19 Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalana? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalana! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?

20 Dia hoy ny vahoaka taminy: Ondranondranana Ianao! Iza no mitady hamono Anao?

21 Ka novalian'i Jesoa hoe: Asa iray monja no nataoko, dia gaga ianareo rehetra!

22 Noho i Mosesy nanome didy anareo hanao famorana (kanefa tsy i Mosesy no nipoirany fa ny razanareo), dia mamora olona ihany ianareo na amin'ny andro sabata aza.

23 Koa raha andro sabata no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalanan'i Mosesy, dia tezitra amiko ve ianareo raha misy lehilahy anankiray nataoko sitrana soa aman-tsara ny tenany manontolo tamin'ny andro sabata?

24 Aza dia mitsara araka ny ivelany fa mitsara araka ny rariny.

25 Tamin'izay ny mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: Tsy Izy io ve Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?

26 Indro Izy miteny an-karihary, kanefa ry zareo tsy mandrara Azy akory! Sao dia efa azon'ireo filohantsika antoka fa Izy no ilay Mesia?

27 Ilay io anefa dia fantatsika ny ipoirany; fa ny Mesia, rehefa tonga, dia tsy misy mahalala ny ipoirany.

28 Koa raha nampianatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia niantso mafy hoe: Izaho ve dia fantatrareo tokoa, ary fantatrareo tokoa ve ny ipoirako? Tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, saingy ianareo tsy mahalala Azy.

29 Izaho no mahalala Azy, satria avy any aminy no ipoirako sady Izy no naniraka Ahy.

30 Tamin'izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron'i Jesoa.

31 Maro kosa tamin'ny vahoaka no nino Azy sady niteny hoe: Rehefa tonga ny Mesia, moa ve hanao famantarana maro mihoatra ny nataon'Izy io?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9558